- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Jery Kely Hoe Ahoana Ny Ampiasain'ireo Tranon'ny Fampahalalàm-baovao Any Ghana Ny Media Sosialy

Sokajy: Afrika Mainty, Ghana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia
ghana social media

Sary avy tamin'ny Tatitry ny Tondro mikasika ny Media Sosialy, mampiseho ireo enina voalohany amin'ny fampielezampeo ao amin'ny Twitter. Nahazoana alàlana.

Nampivoatra tanteraka ny fomba fampitam-baovaon'ny media amin'ireo mpanjohy azy any Afrika, indrindra i Ghana, ny fipoiran'ny media sosialy. Miankina amin'ireo sehatra media sosialy ankehitriny ireo trano mpamokatra vaovao ho làlam-pamatsiam-baovao.

Tamin'ny fandrefesana ny tena ampiasàn'ireo mpamoaka vaovao maro ao Ghana marina ny media sosialy, namoaka ny tatitra voalohany avy aminy ny Social Media Index (SMI) (Tondron'ny Media Sosialy) mikasika ny trano mpamokatra vaovao an-tsoratra, sy ny haino aman-jery any Ghana [1], ny Penplusbytes [2], fikambanana tsy mitady tombontsoa manindrahindra ny fahaiza-mitantana mampiasa ny teknolojia any Afrika.

Araka ny fanambaràna ho an'ny gazety [3] navoakan'ny Penplusbytes, hatramin'ny 8 Febroary 2016 no efa namakafaka ny hetsiky ny trano fanaovan-gazety tao amin'ny media sosialy ilay tondro, ary hoe amin'ny fotoana sy hetsika inona no ampiasàn'izy ireo ny sehatry ny media sosialy, indrindra ny Twitter sy ny Facebook, mba hifampiseraseràna amin'ireo mpanaraka kendreny. Nojeren'ilay tatitra ireo gazety an-tsoratra miisa 37 hita ho miaina ary/na tena hita tsara eny amin'ny fivarotana. Nijery ny 16 tamin'ireo fahitalavitra 22 ihany koa io, ary 309 amin'ireo radio 390 miasa sy heno ankehitriny.

Mampiseho fampiasàna amin'ny taha ambany ny media sosialy avy amin'ny media an-tsoratra ilay tatitra. Maro amin'ireo gazety an-tsoratra any Ghana no tsy hita manana hetsika lehibe eo amin'ny media sosialy raha oharina amin'ireo fadaharana radio sy fahitalavitra. Araka ilay tatitra, 20 amin'ireo gazety an-tsoratra 37 no manana pejy Facebook miaina, ary 6 ihany no manana Twitter misy hetsika.

Radio

Araka ilay tatitra, mampiasa bebe kokoa ny media sosialy ireo fandaharana radio ao Ghana, mba hifandraisana amin'ireo mpanaraka azy raha oharina amin'ireo gazety an-tsoratra. Citi FM [4], iray amin'ireo trano mpamoaka vaovao manintona olona be indrindra ao Ghana, no hita ho lohany amin'ny fampiasàna ny media sosialy ao Ghana. Manana tia maherin'ny 600.000 ao amin'ny Facebook [5] ny Citi FM ary kaonty Twitter voamarina [6] (ny hany tranom-baovao any Ghana manana kaonty voamarina amin'ny Twitter) izay manana mpanjohy maherin'ny 265.000 isa.

Joy FM [7], iray mpamoaka vaovao manintona olona ihany koa, mitarika ao amin'ny Twitter miaraka amin'ireo mpanjohy maherin'ny 330.000 isa [8].

Social Media Index Infographic of Ghana's Media House.

Tondrom-pamantarana an-tsary ny Fampiasàn'ireo Tranom-baovao ny Media Sosialy any Ghana avy amin'ny Penplusbytes’. Sary nahazoana alàlana.

Fahitalavitra

Viasat 1 [9], fandaharana fahitalavitra tsy miankina, no fahitalavitra hita sy matanjaka be indrindra ao ao amin'ny Facebook — manana tia maherin'ny 680.000 [10] — raha toa ka manana tia amin'ny Facebook mihoatra ny 191.000 [11] ny fahitalavi-panjakana Ghana Television News [12].

Gazety an-tsoratra

Araka ilay tatitra, Daily Graphic [13], ilay gazety an-tsoratra be mpamaky indrindra any Ghana, no manana ny tia ambony indrindra ao amin'ny Facebook , mihoatra ny 621.000 isa [14]. Daily Guide, gazety an-tsoratra tsy miankina iray, no mitàna ny lohany miaraka amin'ny fankasitrahana amin'ny isan'ny mpanjohy ny Twitter – maherin'ny 12,000 [15].

Taorian'ny nandefasan'ny Penplusbytes ny tatitra nataony tao amin'ny Facebook, naneho hevitra [16] ny Fundraising Africa [17], vohikala fanangonana vola amin'ny Aterineto, hoe:

Mihamitombo hatrany ireo Ghaneana mijery ny media sosialy na hatramin'ireo vaovao farany aza, noho izany, tena zava-dehibe ho an'ireo trano mpampiely vaovao ny mameno io filàna io, raha tsy izany mety hankany amin'ireo kaontin'ny trano mpampiely vaovao avy any ivelany ireo Ghaneana.

Afaka alainao ato [18] ny tatitra feno.