- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nandrombaka Ny Loka Akademia Indray Ireo Meksikana Mpamokatra Sarimihetsika Lubezki sy Iñárritu

Sokajy: Etazonia, Meksika, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika, Zavakanto & Kolontsaina
The Mexican film director Alejandro González Iñárritu, winner of Academy Award for Best Director for ‘The Revenant’. Photo from the Flickr account of Tarlen Handayani. Used under Creative Commons licence 2.0.

Alejandro González Iñárritu, Meksikana Mpamokatra sarimihetsika, nahazo ny Loka Akademia ho an'ny Mpamokatra Mendrika indrindra tamin'ny ‘The Revenant’. Sary tamin'ny kaonty Flickr-an'i Tarlen Handayani [1]. Zon'ny mpamorona: Creative Commons licence 2.0

Telo taona nifanesy [2], tsapa toa nolokoina maintso, fotsy, mena, lokon'ny sainam-pirenena Meksikana, ny Trano fanaovana tantara tsangana Dolby – nandritra ny lanonana fanolorana Oscar avy amin'ny Akademian'ny Kanto sy Siansa Sary Mihetsika [3], noho ny fandresena lehibe azon'i Emmanuel Lubezki [4]sy Alejandro González Iñárritu [5].

Tonga ao anatin'ny fotoana fanolorana politikam-pifindramonina mihahenjana dia henjana avy amin'ireo kandidà ho filoham-pirenen'i Etazonia indrindra izao fankasitrahana manan-daza nomen'ny indostria matanjaka ara-toekarena sy manana ny heriny ao Etazonia ho an'ireto Meksikana ireto. Ankoatra izany, mbola manohy niteny an-karatsiana [6]hatrany amin’ ny vahoaka Meksikana ny kandidà Repoblikana Donald Trump [6].

Nahazo loka tamin'ny sokajy Fanaovan-tsarimihetsika (Sinematografia) tsara indrindra tamin'ny sangan’ asany an-tsarimihetsika “The Revenant”, izay notontosain'i Alejandro González Iñárritu i Emmanuel “Chivo” Lubezki. Nanjary mpamokatra sarimihetsika voalohany teo amin'ny tantara nahazo ny sarivongana notsiriritiny fatratra tao anatin'ny telo taona misesy i Lubeski; na izany aza, tsy midika izany fa izy no nahazo loka be indrindra, raha samy nahazo loka in'efatra avy, saingy tsy misesy, tamin'ny sokajy mitovy amin'izany ihany koa i Shamroy Samy Leon sy Joseph Ruttenberg. Tao anatin'ny roa taona farany [7], nahazo ny loka tamin'ny sangan’ asany “Gravity” sy “Birdman na (Ny Hasoa tsy nampoizin'ny tsy fahalalana)” i Lubezki. Valo no isan'ny Fanendrena azy hahazo ny Loka Akademia nandritra ny asany.

Talohan'ny nahatongavany tao Hollywood, nianatra tantara i Lubezki, saingy nisoratra anarana [8] tao amin'ny Foibe Fianarana Sarimihetsika ao amin'ny Oniversitem-pirenena Tsy Miankina ao Meksika izy taty aoriana. Samy nianatra tao ihany koa i Luis Estrada (“La Dictadura Perfecta” [9](Didy Jadona Tonga Lafatra) sy Alfonso Cuarón (“Great Expectations (Ny Fanantenana Lehibe)” [10]), Meksikana mpamokatra sarimihetsika samy efa nahazo loka.

Tao amin'ny fampitam-baovao sosialy, naneho ny fientanentanany nandre ny vaovao ny mpiserasera. Nilaza mihitsy i @Bettanzoss fa tokony hisolo ny endrik'i Miguel Hidalgo, mpitari-tolon'ny fahaleovantenan'i Meksika [11]amin'ny vola-taratasy i Lubezki.

Esorina amin'ny vola-taratasy 1000 dolara i Miguel Hidalgo ary soloy an'i Emmanuel Lubezki.

Mandritra izany fotoana izany, Héctor Alvarez nanoratra hoe:

Ohatra lehibe tsara halain-tahaka i Iñárritu sy i Lubezki. Manaporofo fa manana talenta marobe ny vahoaka Meksikana.

Nanararaotra izany i Sergio B mba hahatsiaro ilay Meksiana hafa mpamokatra sarimihetsika, tsy tonga tamin'ity lanonana ity.

Mijery ny kaonferasan'i Lubezki amin'izao fotoana izao, nahatsiaro an'i Rodrigo Prieto  sy ny sangan'asany mahavariana tamin'ny Brokeback Mountain.
Mba milaza fotsiny.

Tsy vaovao tsara daholo ho an'ireo Meksikana voatendry anefa izany, satria niala maina indray tsy nahazo ny lokan'ny Fikirakirana Feo Tsara indrindra i Martín Hernández, tamin'ny sangan'asany “The Revenant” tamin'ity indray mitoraka ity, izay nahazo fitambaram-panendrena miisa 12. Nody tanam-polo i Hernández tamin'ny herintaona raha voatendry tamin'ity sokajy ity ihany ny sangan’ asany “Birdman”. Ankoatra ny sarimihetsika, niasa ho mpanao gazety i Hernández ary iray tamin'ireo mpaneho hevitra nisongadina tamin'ny fandaharana maraina amin'ny onjam-peo “Así Las Cosas [15] mandeha ao Mexico.

Nahazo loka ho Mpamokatra Sarimihetsika Mendrika Indrindra tamin'ny sangan'asany “The Revenant” i Alejandro González Iñárritu, namela an'i Tom McCarthy ( “Spotlight”) sy Adam McKay ( “The Big Short”) tsy hahazo Oscar iray. Tamin'ny herintaona i González Iñárritu no nahazo ny loka tamin'izany sokajy izany ihany tamin'ny “Birdman”. Na dia talohan’ izany aza, tsy vahiny izy ao Hollywood – satria voatendry tamin'ny Loka Akademia ihany koa ny sarimihetsikany teo aloha, tahaka ny “Babel”. Talohan'ny nahazoany mari-pankasitrahana avy amin'ny indostrian'ny sarimihetsika mahazatra, niasa ho mpamokatra rakikira an-dahatsary sy mpiasan'ny varotra tamin'ny marika toy ny Nike ihany koa i González Iñárritu.

Mahatsiaro ny sarimihetsika nampalaza an'i González Iñárritu i Mauricio Tolosa:

Namorona sangan'asa mahagaga i Alejandro González Iñárritu hatramin'ny nidirany tamin'ny asa tsy tontan'ny ela tahaka ny “Amores Perros” (Ikala-alika ny fitiavana). #Oscars

Nizara ny vaovaon'ny fandresen'i González Iñárritu ny kaonty Twitter-n'ny gazety Espaniola 20minutos (20 minitra):

Nandrombaka ny Oscar-n'ny Mpamokatra Sarimihetsika Mendrika Indrindra indroa misesy i González Iñárritu

Nandritra ny lahatenim-panekena dia tsy niteny politika tahaka ny tamin'ny herintaona [22]i González Iñárritu, saingy niaiky ny tsy fisian'ny fahasamihafana teo amin'ny olona voatendry, niteny hoe [23]:

…what a great opportunity to our generation to really liberate ourselves from all prejudice and, you know, this tribal thinking, and make sure for once and forever that the color of the skin becomes as irrelevant as the length of our hair.

….fotoan-dehibe tokoa ho an'ny indray mihira amintsika izao hanafahana antsika tanteraka amin'ny endrika fanavakavahana rehetra, ary fantatrareo, io fisainana ara-poko io, ary ataovy azo antoka indray sy ho mandrakizay fa tsy hisy dikany tahaka ny halavan'ny volontsika ny lokon'ny volon-koditra

Namintina toy izao ilay mpahay siansa ara-politika Alberto Díaz-Cayeros amin'izao zava-bitan'i González Iñárritu, sy ny zava-bitan'ireo mpamokatra sarimihetsika Meksikana hafa ireo:

Tsy kisendrasendra ny an'i Cuaron, Lubezki & Iñarritu fa porofon'ny herin'ny kolontsaina Meksikana mahay mamorona, miasa mafy ara-pitondran-tena & ny fanararaotra avy amin'ny fanatontoloana