- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fenoin'ireo Hongkongey Voahilikilika Amin'ny Emoji Vaovao “Tezitra” Ny Pejy Facebookn'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Fifidianana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Image from HKFP's Twitter. [1]

Sary avy amin'ny Twitter HKFP.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Hermina Wong ary navoaka voalohany [2]tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 26 Febroary 2016. Navoaka tato amin'ny Global Voices ity dika ity noho ny fifanaraham-piarahamiasa.

Hatramin'ny namoahan'ny sehatra tambajotra sosialy ny sarim-pihetseham-po vaovaony [3] tamin'ny 26 Febroary, dia nahangona emoji “tezitra 😡” miisa 54.000 tao amin'ny Facebook tao anatin'ny ora vitsy tamin'ny famoahana tsanganana iray ny lehiben'ny governemanta [4], ny Filoha Mpanatanteraka [5] Leung Chun-ying.

Ankoatra ny “Tiako”, dia afa-mamaly amin'ny sarim-pihetsehampo na emoji vaovao indray ny mpiserasera Facebook amin'ny fanindriana ny “Potika”, “Haha”, “Wow”, “Malahelo” na “Tezitra”. Nanararaotra tanteraka ny fitaovana ny Hongkongey mba haneho ny tsy fahafaliany.

Natsangana tamin'ny volana Oktobra 2015 ary voafetra ho an'ny namany ihany ny takelaka fanehoan-kevitra ao amin'ny pejy Facebook-n'i CY Leung ary fanehoan-kevitra tsara ihany no mipoitra ao amin'ny pejy- saingy amin'izao fotoana, nasehon'ny fampiasana emoji vaovao ny “lazany” amin'ny aterineto.

Teo amin'ny 2:30 tolakandro teo tamin'ny Zoma, nakarina tao amin'ny pejy Facebook-n'ny Lehiben'ny Mpanatanteraka ireo andian-tsarin'i [6] Leung nanatrika ny lanonana Taombaovao Manara-bolana nokarakarain'ny Federasionan'ny Mpampiasa [7]ao Hong Kong.

Talohan'ny tamin'ny 11:10 hariva,  nahangona “Tiako” 1.300 sy endrika “Tezitra😡” 54.000 ny lehiben'i Hong Kong. Tao anatin'ny iray andro, nahatratra 94000 ny isan'ny endrika “Tezitra 😡” raha nijanona ho 2.100 ihany ny “Tiako”. Maherin'ny 95 isan-jato ny isanjaton'ny endrika “Tezitra” tamin'ireo emoji enina.

Araka ny filazan'ilay mpanao gazetin'ny New York Times, Alan Wong tao amin'ny Twitter, raha oharina amin'ny rafitry ny Komitim-pifidianana [8]ankehitriny, izay manome zo hifidy ho an'ny mpikambana 1200 ihany, azo antoka fa demokratika kokoa ny asan'ny emoji:

Miasa ny demokrasia ao amin'ny pejy Facebookn'i Leung? Tao anatin'ny roa ora monja, nahasarika fo 17 sy endrika “Tezitra” 8000 ny tsanganana nalefany

Novakian'i CY Leung ny aterineto amin'ny 😡 rehetra azony

Tsy nahazo marika tezitra kosa tamin'ny fotoana nanoratana ny teny anglisy ilay tsahotsahoana ho mpifanandrina amin'i Leung amin'ny fifidianana Lehiben'ny Mpanatanteraka amin'ny taona 2017, dia ny Sekreteran'ny Tetibola John Tsang Chun-wah [13].