Mandrava Rindrina Ao Venezoela ilay Anabavy “Travesti” Noforonin'ny Eritreritr'i Hugo Chávez

Chavela Frías, en una de las numerosas composiciones que pueden verse en la página pública del personaje en Facebook.

Sary: Vondrona Facebook-n'i Chavela Frías.

Na dia malaza be ao amin'ny tambajotra sosialy aza izy, tsy fantatra firy ny momba an'i Chavela Frías, ilay anabavy nanova fananahana, noforonin'ny eritreritry ny filoha Venezoelana efa maty Hugo Chávez Frías. Noforonina tamin'ny endriky volavolaina  avy amin'ny an'ny filoha teo aloha ilay olona—kilalao iray izay nalaza teo amin'ny mpanohana an'i Chavez folo taona mahery lasa izay. Nalefa ilay saribakolin'i Chávez mba hifaninana amin'ireo endrika volavolaina “nentim-paharazana” an'ny mpampihomehy Amerikana ary, araka ny media sasany, nitàna irery ny azy nandritra ny Krismasy 2005.

Na izany aza, folo taona hatramin'ny nivoahany, naka endrika vaovao ny sarin'ny filoha teo aloha tamin'ny alalan'ny asan'ny mpanakanto iray tsy fantatra anarana izay nihanalaza be tao Venezoela. Mampiasa endrika samihafan'i Chavela amin'ny fomba fitafy samihafa manara-drefy ilay mpanakanto, miseho amin'ny sary miaraka amin'ny namana, ary eny an-dalana ho any amin'ny toerana samihafa iraisam-pirenena. Manana kaonty amin'ny mediam-bahoaka TwitterFacebook, ary Instagram i Chavela Frías. Lazainy ao anatin'ny tantaram-piainany:

Nací en Sabaneta el 28 de Julio de 1954. Soy trasexual y gemela de mi hermano Hugo Chavez Frias.

Teraka tany Sabaneta aho ny 28 Jolay 1954. Nanova taovam-pananahana aho ary kambana amin'i Hugo Chávez Frías.

Barcelona

Sary: Rakitsary Facebook-n'i Chavela Frías “My Vacations.”

Nahasarika mpiandany sy fanehoankevitra maro ilay tetikasan-javakanto tsy mahazatra, ary niteraka sombim-panadihadiana vitsivitsy. Tsy ny rehetra no mpankafý. Naneho ny tsy hafaliany ny media sasany izay nifandray tamin'i Chávez nandritra ny fotoana niasany:

Ahora a la derecha, al sector menos creativo de la derecha, le ha dado por abrir una cuenta en la red social Facebook para burlarse nada más y nada menos que de nuestro querido Comandante Hugo Chávez Frías.

El usuario en cuestión lleva por nombre “Chavela Frías”, la supuesta hermana transexual de Chávez. La imagen de perfil utilizada para distinguir el sitio es un muñeco travestido del referido líder revolucionario. Fotos verdaderamente grotescas, protagonizadas por este peculiar personaje, pueden observarse en las distintas publicaciones y álbumes. El autor o autora, cobardemente, permanece en el anonimato.

Ny Havanana—ilay sehatry ny elatra avanana izay faran'ny tsy mamorona indrindra—dia nanokatra kaonty Facebook mba hanesoana fotsiny ihany ny Kaomandy malalanay Hugo Chávez Frías.

“Chavela Frías” no iantsoana ilay mpampiasa voakasik'izany, ilay heverina ho anabavy travesti an'i Chávez. Saribakoly sarimbavin'io lazaina ho mpitarika revolisionera io no sary famantarana nampiasaina mba sary amantarana ny pejy. Sary tena hafahafa sy mahatsikaiky manasongadina io olona manokana io no afaka jerena amin'ny hafatra sy rakitsary samihafa ao. Mbola tsy fantatra anarana ilay mpanakanto kanosa.

Tomado del álbum "Todo por la corona" en Facebook de Chavela Frías. El nombre del álbum hace alusión al popular concurso de belleza, Miss Venezuela, que ha sido un símbolo socio-cultural del país por décadas.

Sary: Rakitsary Facebook-n'i Chavela Frías “All for the Crown.” (Manondro ny fifaninanana hatsaran-tarehy malaza, Miss Venezoela, ny anaran'ilay rakitsary, izay maripamantarana ara-tsosialy sy ara-kolontsainan'ny firenena nandritra ny folo-taona maro.)

Mihevitra ny sasany ao amin'ny tranonkala fa tena zavatra tsy mahazatra mihitsy ilay taokanton'ilay saribakoly. Teo amin'ny rindrin'i Chavela Frías, nanoratra ny mpampiasa Facebook iray:

Más allá de todo, creo que el tema de la muy divina Chavela Frias […] va mas allá de un simple insulto, una mofa o una expresión de odio. Todo el sistema propagandístico erigió un ídolo, un icono en torno a un hombre. Tanto que incluso se comercializó un muñeco de acción del supuesto “héroe”. El problema de la creación de iconos, es que son fácilmente desmontables; he allí Chavela como ente disruptivo que permite la transmutación de forma, el desmontaje de un icono a través de la creación de un icono superpuesto y artificial, basado en la antítesis del primero, en la transfiguración de un viril muñeco de acción que alaba la masculinidad y el machocentrismo paternalista venezolano a una muñeca transexual, cosmopolita, delicada, liberada y autónoma.

Ambonin'izany rehetra izany, mihevitra aho fa mihoatra ny ompa tsotra, fanesoana, na teny fankahalàna ny raharahan'ilay Chavela Frías tena Andriamanitra […]. Nanangana sampy ny rafitra fampielezankevitra manontolo—kisary mikasika olona iray. Betsaka tokoa ka namoaka mihitsy endrika novolavolaina haneho ilay “mahery fo” ry zareo. Ny olana amin'ny famoronana kisary, dia izy ireo mora esorina; eo no idiran'i Chavela ho toy ny olona mpanakorontana izay mihantsy ny rafitra, ary manome vahana ny fanongotana ny kisary iray amin'ny alalan'ny fananganana kisary mifanaingina aminy sy artifisialy, miorina amin'ny fanoherankevitry ny taloha amin'ny alalan'ny fanovàn-tarehy amin'ny endrika voavolavola  maherihery fifhetsika izay maneho ny maha lahy ary ny maha ambony ny lahy miohatra amin'ny vavy Venezoeliana, tena mihatsara ivelan-tsihy ao anatinà saribakoly “travesti”, maro karazana, marefo, afaka, ary mahaleotena.

Lujo

Sary: Famantarana ny Facebook-n'i Chavela Frías, natao ho hitan'ny rehetra.

Los venezolanos estamos confundidos, atemorizados, desarraigados, resentidos y desorientados. Nos cuesta discernir lo real de lo imaginario, lo verdadero de lo falso. Nos sentimos como en un “reality show”, donde no sabemos que parte es “reality” y que parte es “show”. Vivimos en una novela cotidiana, donde todos somos “extras” en un guion dirigido por pocos e improvisado a diario de manera demagógica e irresponsable.

Ya no somos “los venezolanos” que otrora trabajábamos unidos por nuestro país.

Sadaikatra, raiki-tahotra, tsy mahalàla izay ifaharana, manao an-dolompo, ary very hevitra ny Venezoeliana. Sarotra ho anay ny manavaka ny tena izy amin'ny noforonina, ny marina amin'ny diso. Mahatsapa ho toy ny ao anatin'ny “fampisehoana mivantana ny zava-misy” izahay izay tsy ahafantaranay ny hoe ampahany inona no “tena izy”, ary ampahany inona no “fampisehoana.” Miaina isan'andro ao anatin'ny tantara noforonina izahay ka “zavatra ivelany” daholo izahay ao anatin'ny fizotran'ny tantara tsy misy mpitarika, amin'ny fanaovan-javatra tsy misy fanomanana isan'andro tsy fahamailoana sy tsy misy fahatsapana andraikitra.

Tsy ireo “Venezoeliana” izay niara-niasa ho an'ny firenenay fahiny intsony izahay.

Mifanojo amin'ny fandrosoan'ny faritra samihafa amin'ny toe-tsaina momba ny zo sy ny lanjan'ny vondrom-piarahamonin'ireo “travesti” ny fampahafantarana amin'ny vahoaka ny mombamomba an'i Chavela. Tahaka ny any amin'ny firenena maro hafa, ianjadian'ny fanararaotana ataon'ny vondrona ara-tsosialy sy ny polisy ny olona “travesti” sy ny hafa ao amin'ny vondrom-piarahamonina LGBT ao Venezoela. Na teo aza ireny vato misakana ireny, mbola manohy ny fandehanana sy mizara sary i Chavela. Amin'izany, mihantsy ny fanorenana sampy ilay olona noforonina, ka mahatonga an'i Venezuela hisaraka ara-politika amin'izao tontolo izao tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-21.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.