- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Lahatsary Vaovaon'ny Coldplay Ahitàna An'i Beyonce, Miatrika Dona Mafy Noho ny Filazàna Azy Ho Mitsaratsara Fahatany Ny Kolontsaina Indiana

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fifandraisana iraisam-pirenena, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Mozika, Politika, Tantara, Zavakanto & Kolontsaina
Beyonce in the video Hymn for the Weekend. Source: Youtube [1]

Beyonce ao amin'ilay lahatsary Hymn for the Weekend. Dikasary avy tamin'ny Youtube

Lasa resabe ilay lahatsary vaovao [1] navoakan'ny tarika Britanika mpihira gadona mavesatra  Coldplay [2] miaraka amin'ilay mpihira Amerikana Beyonce, noho ny filazàna azy ho maka mitsaratsara fahatany ny kolontsaina Indiana.

Ahitàna ilay lehilahy mpihiran'ny Coldplay, Chris Martin, ilay lahatsary, izy maka ny toeran'ny vahiny iray mpangata-bady amin'ny fandihizana sy fihirana miaraka amin'ireo tanora Indiana nandritra izay toa “Holi”, ny fetiben'ny loko Hindoue, raha toa i Beyonce aseho miakanjo lafo vidy sahala amin'ny “rani” Indiana, na ny mpanjakavavy.

Ahitàna “godmen” (sadhus) sy ankizy “Bahurupi” [3] natao ho Shiva ao anatin'ireo olona hita ao amin'ilay lahatsary.

Nanoratra [4] tao amin'ny The Wire i Nishita Jha hoe “mitovy amin'ny lehilahy fotsy hoditra tsotra mpandehandeha tsy mahamarika afa-tsy ireo saina miloko safran sy lehilahy masina be volombava fotsiny” ny fitondrantenan'i Martin:

Mampiseho ny zavatra eritreretintsika ho zavatra tian'i Martin amin'i India ilay lahatsary vaovaon'ny Coldplay ho an'ilay hira ‘Hymn for the Weekend’: fiarakaretsak'i Mumbai maroloko ny ao anatiny, tranobe simba, Holi, ary indraindray ankizsy miakanjo sahala amin'ny gidro na andriamanitra manga. Hita ao amin'ny rakikiran'ny Coldplay ihany koa i Beyonce ary miseho amin'ny fahitàn'i Martin ho toy ny anjely, na ny mitovy amin'izay amin'ireo Indiana: mpanjakavavy Bollywood.

Angamba mba hahazoana bebe kokoa ny adihevitra mitombo hatrany manodidina ilay rakitsary, tsaratsara kokoa ny miverina mijery ny fotokevitr [5]‘i Edward Said momba ny fankafizana ny tontolo Tatsinanana [6]:

Afaka resahana sy hadihadiana toy ny andrim-panjakana miara-miasa amin'ny Tatsinanana ny fankafizana ny tontolo Tatsinanana – fiatrehana azy io amin'ny fanaovana fanambaràna mikasika azy, fanomezana alàlana ireo fomba fijery azy, famaritana azy, amin'ny fampianarana azy, fandrindràna azy, fametrahana lalàna aminy: raha fintinina, fomba fijerin'ny Tandrefana ny Tatsinanana sahala amin'ny fomba fibodoana, fanamboarana ary fitànana fahefana ataon'ny Tandrefana amin'ny Tatsinanana.

Araka ny voalazan [7]‘i Richard King, ny fandinihan’ i Said dia misahana ny “fifandraisana eo amin'ireo fitantaràna akademikan'ny Tandrefana ny amin'ny natioran’ “ny Tatsinanana” ary ny fahambonian'ny fandaharam-potoana ara-politikan'ny Tandrefana mpanjakazaka.”

Tamin'ny taonjato faha 21, io “fahambonian'ny fandaharam-potoana ara-politika” io dia azo norasina ho toy fitadiavana ny fitohizana ara-lojikany ao amin'ny kolontsainan'ny fanjakazakana [8], amin'ny fangalàna ny an'ny hafa ary fitsaratsaràna fahatàny ny zavatra miely amin'ny alalan'ny mozika sy ireo karazana kanto hafa.

Amin'izany fitsaratsaràna fahatàny izany, sahala amin'ny fitsaratsaràna ny Sikh mpamily fiarakaretsaka manao fehiloha [9], eto izao ny fampisehona an'i Beyonce ho toy ny mpanjaka Indiana no hitan'ny maro [10]  ho tena olana.

Ho fanampin'ireo fihetsik'ilay Amerikana mpanakanto, notsipihan'ireo mpanohitra ilay rakitsary ihany koa ny zavamisy hoe ilay Indiana mpanakanto malaza, Sonam Kapoor — tena olo-malaza be any Bollywood — dia zara raha nipoitra [11] valo segondra tao amin'ilay lahatsary, tena nampilalaovina ny toerana faharoan'ity mpihiran'ny Destiny's Child teo aloha ity.

Nandritra ireo andro nanaraka ny nandefasana ilay rakitsary, nahangona tafiotranà fanehoankevitra tezitra maro ny Twitter, avy tamin'ireo Indiana sorena noho ny fanehoana ny fireneny:

Olana ny rakitsarin'i Beyonce satria tsy manome lanjany, ary mampiasa an'i India ho fitadiavam-bola sy fanangonan-karena. Tany sy kolontsaina tsy anànany zo akory.

Tsy misy fisaorana amin'ilay fitsaratsaràna fahatany ry @coldplay. Tsy mahagaga izany raha ho malaza ho firenen'ny mpampandihy bibilava & sadhus i #India.

Tokony hesorin'ny coldplay aloha ilay rakitsary ary averiny alefa indray miaraka amin'ireo bitsika feno fankahalàna misosa eo ambaniny, amin'izay fantatry ny tany tontolo marina ny tena India.

Aleo tsy mitarana amin'ny fitsaràn'ny Coldplay an'i India. Andeha hanao valifaty mafy amin'ny famoahan'i Himesh horonantsary maro any Andrefana.

Te-hahalala bebe kokoa an'i #India, hahatakatra ny kolontsainy manankarena & maro karazana aloha! Tsy tapitra ny fitondràna ireo fitsaratsaràna efa ela! #HymnForTheWeekend #Coldplay

Leo tanteraka amin'ny @coldplay mampiasa ny kolontsaiko ho fitadiavam-bola ho an'ny rakitsarin'ny mozikany. Tsy ireo ankizin'ny làlana sy vehivavy miavaka fotsiny i India. #HymnForTheWeekend

Tena ny eritreritry ny olona fotsy hoditra momba an'i Inda mihitsy ilay rakitsary vaovaon'ny Coldplay

Kanefa, misy ireo hafa manamaivana ny fidiran'ilay rakitsary:

Ireo resaka rehetra mikasika ny “fangalàna ny kolontsaina”. Raha tsy izany, mampiseho ny hatsaràn'i India ilay rakitsary. Tsy ilaina ny hanaovana resabe amin'izany. #Coldplay #Beyonce

@chanaaaj Tiako io. Mampiseho ny fanahy sy fototry ny fiainan'i India ary ny vahoakany (fa tsy ny mpitondra azy). Mazava loatra fa misy fanimezandàlana ara-javakanto ao.

@chanaaaj Tsy misy hadisoana ny fangalàna ny kolontsaina, tsy misy tompony nametraka ny fomba sy kolontsaina, eny fa na ho fangalam-bola aza ilay fangalàna ny kolontsaina.

#Beyonce ampangaina ho ‘mpangalatra kolontsaina’ ao anatin'ilay rakitsarin'ny #Coldplay? Raha toa ka maha meloka azy ny fanaovany akanjo Indiana, ahoana izany ny mikasika ireo Indiana miakanjo Tandrefana?

Taminà matoan-dahatsoratra [29] tao amin'ny Indian Express, nanoratra i Aditi Anand fa tsy hitany loatra ny olana amin'ilay lahatsary.

Nolazainy fa “tafiditra tsara naka ny toeran'i ‘Rani’, ilay mpilalao sarimihetsika Bollywood  nolalaoviny [Beyonce]. Eny, tsy kolontsainy io, kanefa, maninona? Tsy midika izany hoe tsy afaka maka fiainan'olon-kafa izy amin'ny hirany.”

Nolazainy ihany koa fa na nisy aza ny fanehoana tafahoatra ny kolontsaina Indiana, sahala amin'ny Holi, zavatra tsy afa-misaraka taneraka amin'ny kolontsaina Indiana ireo zavatra rehetra naseho ireo.

Mampiseho an'i India amin'ny fahatsaràny manontolo ny lahatsarin'i Martin. Ireo vorona ‘paons’, ny “periscope”, ireo saribakoly, ireo behrupiyas, ireo fiarakaretsaka mavo sy mainty miloko marevaka ny ao anatiny, mikiaka an'i India daholo ireo rehetra ireo.

Ao anatin'ny firenena iray misy vahoaka an-davitrisany ary karazana fivavahana sy kolontsaina maro miavaka tsara, mety tsy mahagaga raha nahatonga karazana hevitra samihafa ilay lahatsary novokarin'i Ben Mor.