- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Bahrain, Ranomaso An'arivony Ho An'ny Fihina Iray

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Bahrain, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
People rally in Bahrain on May 8th calling on authorities to stop the human rights abuses taking place in Jaw prison. Photo from Al Wefaq National Islamic Society's Official Twitter Account @AlWefaqEN

Tahirin-tsary: Fitangoronan'ny vahoaka tao Bahrain ny 8 May 2015, miantso ireo tompon'andraikitra mba hisakana ny fanitsakitsahana zon'olombelona miseho any amin'ny fonjan'i Jaw. Sary avy amin'ny kaonty Twitter ofisialin'ny Al Wefaq National Islamic Society @AlWefaqEN

Novalian'ireo vahoaka Bahrainis ny antso fanentanana tao amin'ny Twitter mba hanerena ny mpiandraikitra ny fonja Dry Dock hanatsara ireo toepiainana mahonena any am-ponja ary hanàla ireo sakana fitaratra manasaraka ireo mpifonja sy ireo havany ary ireo zanany mandritra ny fitsidihana ataony. Toerana natao hitazonana vonjimaika ny fonja, ipetrahan'ireo voafonja mandrapanapakyu  ny fitsarana ny raharahan'izy ireo. Maro ireo voafonja voatàna ao nandritra ny volana maro satria nohavaozina ny fitazonana azy ary imbetsaka nahemotra ny fitsaràna azy, etsy andaniny koa tsy mba afaka mifamihina na mifandray tànana amin'ireo fianakaviany sy ireo zanany.

Nanjohy ilay fanentanana i Reema Ashallan, Bahraini iray mpisolovava, tamin'ny fibitsihana hoe :

Mikomy tsy mety misakafo ny maro amin'ireo voafonja ao amin'ny fonjan'i Dry Dock. Nisy fiantraikany tamin'ny fahasalaman'ny sasantsasany tamin'izy ireo izany, satria toheriny ireo zava-misy ao amin'ny [fonja].

Tao anaty bitsika iray hafa, nanampy izy hoe:

Nitaraina tao amin'ny Biraon'ny Mpanao Fanadihadiana tsy miankina ny sasantsasany tamin'ny fianakavian'ireo voafonja mikasika ireo toepiainana  mahonena ao amin'ny fonjan'i Dry Dock, saingy tsy nisy fiovàna.

Ebtisam Alsaegh, Bahraini mpiaro ny zon'olombelona , nandefa antso tamin'ny Vokovoko Mena hoe:

Tsy maintsy miditra an-tsehatra manaraka haingana ireo tranga manjo ireo voafonja ny Vokovoko Mena, sady manatsara ireo fomba fiainan'izy ireo.

Zainab Mohamed, izay nanao fanentanana mba hanafahana ny vadiny, Mohamed Ramadan, nizara ny sarin'ny zanany iray nanao sary ireo fihetsehampony miaraka amin'ireo rantsan-tanana keliny. Miaraka amin'io, nahantony koa ny sarin'ny vadiny manoroka ny takolaky ny zjanany avy ao ambadik'ilay sakana fitaratra .

Dada ô, maniry ny higadra aho mba hijanona hiaraka aminao.

Mohsin Mohamed nizara sarina tafatafa iray ahitàna ireo fianakavian'i Dawood Khalil, mpifonja iray 17 taona, migadra ao amin'ny fonjan'i Dry Dock.

Rehefa mandeha mijery ny anadahiko ao [am-ponja] aho dia mahita azy mitomany, te-hamihina azy aho saingy tsy afaka. Te-hifandray tànana aminy aho dia tsy afaka. Te-hilalao hiaraka aminy aho. Ravao ny fahanginanareo mba handravan'izy ireo ilay sakana tsy mifaditrovana.

Ao anaty lahatsary iray lava kokoa amin'io tafatafa io ihany, nilaza ilay reny fa nasaina niaiky heloka tanaty faneriterena ny zanany lahy. Navoitrany ihany koa fa anisan'ireo niditra amin'ny fitokonana tsy hisakafo izy.

Fatima Halwachi, Lehiben'ny Fanarahamaso sy Fandraketana ao amin'ny Fikambanana Eoropeana-Bahraini Mpiaro Zon'olombelona , nitsika tamin'ireo mpanaraka azy:

Atahorana ny toe-pahasalamn'ireo voafonja, indrindra ireo izay manana aretina mitaiza satria tsy avela hahazo mandray fanafody sy  fikarakaràna ary rahonana tsy hahazo rano fisotro.

Nanana ny fiainany manokana mahavaky fo i Fatima, miandry ny mba ho afaka hamihina ny rainy voafonja nandritra ny roa taona.

Saingy amin'ny maha olom-pirenena Soedoà azy, nandefa taratasy misokatra [15] ho an'ny Filohan'ny Parlemanta Eoropeana i Fatima, mangataka ny hidirany an-tsehatra mba hanafàhana ny rainy, Khalil Alhalwachi, mpikatroka iray sady mpampianatra ary iray amin'ireo Baharani an'arivony mpanohitra izay voahidy noho ireo heviny sy ny fikatrohany ara-politika.

Tao anaty taratasiny, marihany  ny fahatsapana an'izany hoe mihaona amin'olon-tsy foy any ambdiky ny sàkana izany :

Nandritra ny 16 volana aho tsy nahazo nikitika, namihina ary nitsapa ny hafanan'ireo tànan-draiko aho. Isan-kerinandro, ao anatin'ny 25 minitra fitsidihanay ao anatin'ny fonja, mipetraka ao ambadiky ny sakana fitaratra izy, izay hany mba hisian'ny fifandraisanay amin'ny alalan'ny fametrahanay ireo tananay eo ambadiky ny fitaratra ary hanantenanay fa afaka mifandray izahay.

Tranga iray izay tany anaty zsarimihetsika irery no hitako maso, saingy tsy noheveriko velively hitranga amiko!

 

Na izany aza, ampahany amin'ny betsaka ireo tranga ireo. Tsy azo eritreretina ireo fihetsehampon'ny ray izay tsy mba afaka akory mitrotro ny zanany vao teraka.

Ny volana Septambra 2015 lasa teo, dimy taona taorian'ny fipoahan'ireo hetsi-panoherana miandany amin'ny demokrasia manerana ny firenena, Firenena 33 mpikambana amin'ny Filankevitry ny Firenena Mikambana Momba ny Zon'Olombelona no namoaka fanambaràna miaraka, [16] mahatsiravina, nilaza “ahiahy lehibe” mikasika ny toe-javatra momba ny zon'olombelona ao Bahrain sady mangataka ny famotsorana ireo gadra noho ny foto-pisainany. Ankehitriny, ary na mihaona indray aza ny HRC, toa tsy hisy zavatra hiova ao Bahrain.

Dimy toana taty aoriana, mitohy mikatona ny foiben'ireo fihetsiketsehana tao Manama renivohitra ary niara-nosakanana avokoa ireo fanoherana rehetra.

Manazava ny tranga amin'ny antsipirihany rehetra tao anatin'ny tafatafa [17] nataony voalohany taorian'ny fahafahany i Therese Day, amerikana mpanao gazety, izay voafonja vao haingana [18] tao Bahrain raha nandrakotra ny vaovaon'ireo fihetsiketsehana.

Koa satria olona maro fonjaina sy afahana isan'andro, tombanan'ireo mpikatroka mpiaro zon'olombelona ho manodidina ny 4.000 gadra politika, maro tsy ampy taona tafiditra ao anatin'izany.