Manome Endrika Mahatsikaiky Ny Olana Ara-pôlitika Goavana Ao Oganda i Snoogie Mpanao Sariitatra

A compilation of some of Snoggie's work.

Fanangonana ny sasantsasany amin'ireo asan'i Snoggie.

Nanavaka ny fifidianana natao vao haingana tany Oganda ny fifanolanana, fisamborana, ary fiampangana fanodikondinana. Tsy dia zavatra mampihomehy loatra, kanefa mbola misy ihany ny toerana ho an'ny vazivazy. Anontanio fotsiny Snoggie, iray amin'ireo mpitarika amin'ny fanaovana sariitatra politika ao amin'ny firenena, iza matetika mitsikera amin'ny alalan'izy ireny nandritra ny fotoam-pifidianana.

Nandatsaka ireo vatony ireo Ogande tamin'ireo fifidianana ny ho filoham-pirenena sy ny antenimiera ary ny filankevitry ny eo an-toerana tamin'ny 18 Febroary 2016. Andro roa taty aoriana, nanambara ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Oganda fa ny filoha amperinasa Yoweri Museveni dia nandresy tamin'ny vato 60.75%. Ny kandidà lehiben'ny mpanohitra Kizza Besigye, izay voasambotra im-betsaka nandritra ny vanimpotoana nitondra ho amin'ny fifidianana, no nanaraka tamin'ny vato 35.37%, ary ny Praiminisitra taloha, Amama Mbabazi, no tafiditra fahatelo tamin'ny vato 1.75%.

Nizara ny kantony tao amin'ny gazety Daily Monitor i Snoogie ary koa tao amin'ny pejy Facebook-ny, Snoggies World for Uganda, izay manana mpanaraka manakaiky ny 30.000. Manolotra ny topimaso momba ny ara-politika ao Oganda amin'izao fotoana izao ny sariitatra ataony.

snoggie 6

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ilay olona eo amin'ny toeran'ny mpamily etsy ambony dia ilay mpitari-draharaha ao amin'ny Vaomieran'ny Fifidianana, Badru Kiggundu. Ireo mpandeha mipetraka amin'ny seza aoriana dia ireo tena mpitarika mpanohitra, Amma Mbabazi avy amin'ny antoko Go Forward ary Kizza Besigye, izay ny filamatra ho azy ireo dia ny ” Ho an'ny Fiovana Mendrika Antsika.” Ny mihazona ny sarintany dia ny filoha Yoweri Museveni.

snoggie 5

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Nandà tsy hanatrika ny fifanakalozan-kevitr'ireo mpirotsaka ho filoham-pirenena ny filoha Museveni, tamin'ny nilazany fa sahirana izy. Na izany aza, dia nanatrika ny fifanakaozan-kevitra faharoa nifanaovan'ireo mpirotsaha ho filoham-pirenena izy. Sekreteran'i Museveni nisahana ny fifandraisana amin'ny gazety nandritra ny 13 taona i Mirundi.

 

snoggie 3

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Eto ambony, manolotra ny filazàna fandroahana an'i Kizza Besigye ilay filoha mpitarika ny mpanohitra. Nanintona vahoaka maro i Besigye nandritra ny fampielezankevitra. Vahoaka maro no nieritreritra mialoha fa nankany amina faharesena alohan'ny voka-pfifidianana i Museveni.

snoggie 4

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Tao aorian'ny fifidianana, nahitana fisiana polisy sy miaramila marobe teny an-dalàna. Tsy toy ireo fifidianana fahiny,  tsy nahitana fankalazana teny an-dalàna.

snoggie 2

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Midika hoe manampahefàna ny Afande amin'ny fiteny Swahili, ary Dr. Badru Kiggundu no mpitari-draharaha ao amin'ny Vaomieran'ny Fifidianana. Ilay lehilahy eo ambanin'ny fanaraha-mason'ireo polisy dia i Kizza Besigye, izay in-efatra voasambotra tao anelanelan'ny 15 sy 23 Febroary. Niharan'ny fitànana tsy mahazo mivoaka ny tranony izy taorian'ny fanambarana ny vokatra.

Snoggie 1

Sary nataon'i Snoggie. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Oganda no hany firenena tokana ao Afrika Atsinanana tsy misy fe-potoany ny fitondràn'ny filoha. Amin'ny lafina ara-teknika, afaka mijoro hofidiana amin'ny fifidianana 2021 i Museveni.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.