Tantara tamin'ny Febroary, 2016
Mpanoratra Ejipsiana, Ahmed Naji Voasazy Higadra Roa Taona Noho Ny Tantarany “Ara-nofo Mibaribary”
Nahazo sazy roa taona an-tranomaizina ilay Ejipsiana mpanoratra tantara, Ahmed Naji noho ny famoahana toko misy tantara "ahitana vetaveta mivandravandra" tao anaty gazetiboky.
Ampitovian'ny Fitsaràna Okrainiana Amin'ny An'ireo Media Mahazatra Ny Mombamomba Ny Tambajotra Sosialy
Raisin'ireo manampahaizana sy ny fitsaràna ho "media ho an'ny daholobe" ireny pejin'ny media sosialy miaty "antso mivantana hanao hetsika" ireny satria misy vahoaka ao, ary tsy azo ferana ny isan'ny olona afaka miditra mijery azy
Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan
Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico. Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia mampitaha ny vehivavy dominikàna amin'ireo mpisava làlana
Ny Fomba Fiatrehan'ireo Mponin'i Myanmar Ny Fiakaran'ny Maripàna Nateraky Ny El Niño
Miteraka tsy fahampiana rano sahady ao Myanmar ny El Niño. Jereo ny fomba ataon'ireo mponina hiatrehany ny fiakaran'ny maripàna.
Deus Vadin'i Poutine Fahiny
Araka ny tranonkalam-baovao Rosiana sy ireo biloagera marobe, niverina nanambady i Lyudmila, ilay vadin'i Vladimir Putin fahiny. Heverin'ny RuNet ihanykoa hoe hitan ny kaontiny Facebook.
Nahoana Ny Olona Ety Anaty Aterineto No Miantso An'i John Kerry Ho “Jiolahimboto” ?
Raha nanomboka ny 29 Janoary ny kaonferansa Geneva 3, an'aliny koa ireo bitsika nampiasa ny tenifototra #KerryTheThug (kerry_Jiolahimboto) hanamelohana ny fanehoankevitry ny sekreteram-panjakàna Amerikàna momba an'i Siria.
Mpanao Gazety Notoriana Ho Manendrikendrika Ny Praiminisitra Ao Timor Leste Ho Manao Kolikoly
Fanindroany izao no nisy mpanao gazety niatrika fitoriana teny amin'ny fitsarana ho nanao fanalam-baraka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tamin'ny tatitra fisian'ny zavatra tsy mazava loatra tamin'ny tetikasa fampitaovana ara-tsolosaina tao amin'ny Minisiteran'ny Tetibola.
Nahoana No Voaraoka Tao Amin'ny Lalana Quilca Ireo Mpivaro-boky ao Lima?
Voaraoka ireo mpivaro-boky marobe nibodo ny lalana Quilca feno olona lalandava ary mbola tsy fantatra mazava izay hanaovana ny toerana sy ny hiafaran'ireo mpivarotra.
Rehefa Vazivazy Ny Fifidianana, Dia Mivazivazy Momba Ny Fifidianana Ny Olona
Olana iray miely patrana any Balkàna ny hosoka sy tsy fanarahan-dalàna main'ny fifidianana. Araka ilay fomba fiteny hoe, 'Raha tsy nihomehy aho, dia nitomany.'
Hihaona Any Portiogaly Hifanakalo Hevitra Momba Ny Media Azo Atao Safidy ireo Fikambanan'ny Media Iberiana
Hifampizara raikefa ireo media azo atao fanolo avy any Portiogaly sy Espaina satria "tena maika ny hiadiavantsika làlana hifandraisana sy hamokarana ary hampitàna ny torohay/vaovao."