Tanoran'ny ONG Ao Eoropa Afovoany sy Atsinanana Miady Amin'ny Kolikoly Amin'ny Alalan'ny Andiam-Baovao Fanadihadiana

Still from the video Corruption in Education: Defining and recognizing Corruption.

Sary: Ny filma “Kolikoly ao amin'ny Fanabeazana: Famaritana sy Fanekena Fisian'ny Kolikoly” / YouTube

Hiadiana amin'ny kolikoly, dia tsy maintsy manaiky ny fisiany aloha ny tsirairay ary mitsahatra amin'ny fiheverana azy ho zavatra “normal” [mandeha ho azy]. Mandresy lahatra ny mpikatroka fa ny fanabeazana no lakilen'ny fanovana fisainana mahatonga ny fiarahamonina ho afa-po amin'ny kolikoly.

Ao anatin'ity raharaha ity dia nizara ny zava-niainany ao amin'ny andiam-pandaharana fanadihadiana momba ny kolikoly ao amin'ny fanabeazana, fanadihadiana efa hita an-tserasera ankehitriny, ny tambajotran-tanora telo miady amin'ny kolikoly avy ao Eoropa Atsinanana sy Afovoany :

Corrupt practices are especially visible in education systems. From kindergarten to university, generations of children and students grow up learning about corruption from their own experiences. As a result these generations develop particular sets of attitudes and behaviors:

“Everything can be bought. Among other things, there is a message: It's important to succeed, no matter what means you are using to achieve success…” [the film quotes professor Cedomir Cupic, the former president of Serbian Anti-corruption Agency].

Ao amin'ny fanabeazana no tena miharihary ny fanaovan-kolikoly. Hatrany amin'ny garabola ka hatrany amin'ny oniversite, taranaka mpianatra sy tanora no nitombo amin'ny fahalalana ny kolikoly avy amin'ny zavatra niainany manokana; Vokatr'izany dia efa manana fomba fisaina sy fomba fihetsika manoloana izany ireo taranaka ireo:

“Azo vidiana daholo na inona na inona. Ankoatra ny zavatra hafa dia izao no hafatra: Zavadehibe ny fahombiazana, tsy mampaninona izay fomba ataonao hahazoana ny fahombiazana…”[notsongain'ny filma ny profesora Cedomir Cupic, filohan'ny Sampan-draharaha Serba miady amin'ny Kolikoly].

Andiam-panadihadiana novokarin'ny Youth Educational Forum, [Forum Fanabeazana Tanora] avy ao Makedonia, hita ao anatiny ny fijoroana vavolombelona avy amin'ny mpianatra, mpampianatra ary mpikatroka niharan'ny kolikoly (ary efa miditra amin'ny fiadiana amin'izany ankehitriny) avy any Makedonia, Serbia, Bolgaria, Slovenia, Bosnia sy Herzegovina ary Armenia.

Ny fizarana voalohany, “Mamaritra sy Manaiky ny Fisian'ny Kolikoly,” dia efa vonona amin'ny teny Anglisy sy Makedoniana:

Ny fizarana efatra manaraka amin'ity andiam-pandaharana ity dia hiresaka “Tanora Mametraka Tambajotra Iadiana amin'ny Kolikoly,” “Tahirinkevitra sy Fikarohana Miompana amin'ny Kolikoly,” “Fikatrohana An-tserasera sy Andavanandro Iadiana amin'ny Kolikoly,” ary “Fampitambaovao Araka ny Andrimpanjakana.” Ireo tambajotra nandray anjara tamin'ny famokarana dia ny Tambajotram-Pianatra Miady amin'ny Kolikoly ao Eoropa Atsimo Atsinanana, ny Global Youth Anti-Corruption Network [Tambajotran-Tanora Manerantany Miady Amin'ny Kolikoly], ary ny Tambajotram-Panabeazana Mangarahara.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.