- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Voafitaka Ve Ny Praiminisitr'i Kyrgyzstan ?

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Etazonia, Kyrgyzstan, Fifandraisana iraisam-pirenena, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
Kyrgyz Prime Minister Temir Sariyev. OSCE's Flickr. Creative commons.

Praiminisitra Kyrgyz Temir Sariyev. Flickr [1] OSCE. Creative commons.

Ity manaraka ity dia lahatsoratra niaraha-niasa [2] avy amin'ny EurasiaNet.org [3]. Nahazoana alalana ny famoahana azy indray.

Misy zazalahy avy ao Etazonia iray voatantaran'ny fampitam-baovao Kyrgyz [4] tamin'ny alalan'ny antso ho an'i Praiminisitra Temir Sariyev tao amin'ny fahalemeny indrindra: toerana ao amin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka maimaimpoana.

Araka ny taratasy nolazaina fa navoakan'i Bakyt Asanov, mpiasam-panjakana ao amin'ny governemanta misahana ny gazety tao amin'ny Facebook, fa misy mpianatra 14 taona ay ao amin'ny Lisea Minneola ao New York State antsoina hoe Tim Li nanoratra tamin'i Sariyev milaza azy ho “iray amin'ny aingam-panahiny.”

Nampian'i Li fa “Rehefa manana fotoana malalaka aho dia mamaky teny momba anao sy mianatra ny hahatonga ahy ho manam-pahombiazana.”

Voatonon'i Li mihitsy lalam-piainan'i Sariyev, nanolotra fampihomehezana Taombaovao ary nangataka sary voasonian'ny praiminisitra, araka ny piesy [4] navoakan'ny tranonkalam-baovao zanoza.kg [5] tamin'ny 4 Febroary.

Angamba tsy mba noeritreretin'i Sariyev na ny ekipany ao amin'ny fifandraisana amin'ny gazety ny manontany hoe fa maninona no mpianatra miaina an'arivony kilometatra no hahita aingam-panahy avy amin'ny politisiana iray amin'ny firenena Aziatika Afovoany izany.

Izany angamba dia satria nandeha be ny tsaho fa mikarakara mafy ny hifaninana ho filoham-pirenena amin'ny 2017 no i Sariyev, izay tsy mihevitra ny tenany ho tsy fantatra loatra, ary araka ny tena mpitsikera azy indrindra dia mety hilelaka ny tenany izy raha vita amin'ny sôkôlà. (Eny fa na dia vita amin'ny chuchuk [6]) [sokrila aza]

Saingy hahatsiaro ho tsy “special” be intsony izy rehefa fantatry ny rehetra fa nahazo [7] taratasy avy amin'i Li ihany koa ny Filoha Jammeh avy ao Gambia, firenena iray lavitra dia lavitra amin'ny ankamaroan'ny mpianatra amerikana toa an’ Kyrgyzstan ihany.

Mivaky toy izao ny taratasy notaterin'ny fampitam-baovao mpanohana ny governemanta:

“Dear Yahya Abdul – Aziz Jemus Junkung Jammeh,

Hi, my name is Tim Li and I am currently 14 years old. I live in Long Island and I am attending Mineola High School. You are one of my inspirations and I look up to you when I am down. During my free time I read about you and learn how to be successful. You are the President of The Gambia. As a young Army Officer, you took power in a 1994 Military Coup. You were elected as President in 1996, and you were re-elected in 2001, 2006 and 2011….”

Ry Yahya Abdul – Aziz Jemus Junkung Jammeh hajaina,

Miarahaba, Tim Li ny anarako ary 14 taona aho izao. Monina ao Long Island – Nosilava – aho ary mianatra ao amin'ny Lisea Mineola. Iray amin'ireo akako aingam-panahy ianao ary mitady anao aho rehefa ketraka. Rehefa manana fotoana malalaka aho dia mamaky teny momba anao sy mianatra ny hahatonga ahy ho manam-pahombiazana. Filohan'i Gambia ianao. Nandray ny fahefana tamin'ny alalan'ny fanonganam-panjakana ara-miaramila ianao tamin'ny 1994 raha Manamboninahitra miaramila tanora. Voafidy ho Filoha ianao tamin'ny 1996, ary voafidy indray ianao tamin'ny 2001, 2006 ary 2011….

Maro ireo mpaneho hevitra tsy nitonona anarana ao amin'ny tranonkalam-baovao Kyrgyz manolo-kevitra fa mety ho mpandoro rindrina an-tserasera i Li fa tsy zazalahy mpianatra izany, mety ho iray amin'ireo te-hahazo vola avy amin'ny sary voasonian'ireo mpitondran'izao tontolo izao.

Misy horirantava Facebook [8] iray manonona an'i Minneola ho tanàna onenany manohana io fijery io. Ataon'io horirantava io ao anatin'ny lisitry ny toerana niasany ny “mety hahazo asa ve aho?” ary nanamarika izy fa nianatra tao amin'ny “onivesrite mbay tany.”

Izany fihetsika izany dia hiakan-dranomaso avy amin'ny mpianatra zatolovahy iray te-ho mpianatr'i Harvard sy dokotera izay tahaka ny nanoratra ho an'i Sariyev. Voatifitifitry ny spam ny randram-baovaon'i Li.

Ankoatra izany, tao anatin'ny hamehany, dia mety diso famaky ny lalampanorenan'i Kyrgyzstan i Li ary nampifangaro an'i Sariyev — iray amin'ny praiminisitra dimy tao anatin'ny dimy taona farany, tamin'i Almazbek Atambayev, izay filoham-pirenena sady filoham-panjakana.

Saingy noho ny toe-draharaha, dia toko natao hihomehezana kokoa hahavoa an'i Sariyev ao amin'ny mpanatanteraka ilay taratasy fa tsy hamelomana fifanandrinana ara-politika loatra.

Nofafan'i Asanov avy eo ny tsanganana Facebook momba ilay taratasy.