Nanomboka ny taombaovao amin'ny firesahana fanitsiana ny lalampanorenana hanalavana ny fitarihany ny fahefana eo ampelatanany ny firenena aziatika afovoany roa tonta, Tajikistan sy Turkmenistan.
Ao Tajikistan izay voafetran'ny fehim-potoana fiasana indroa misesy ny asan'ny filoha roa tonta (na dia nandresy tamin'ny fifidianana in'efatra aza ny filoha ankehitriny Emomali Rahmon, nanova ny lalampanorenana indroa mba hahavoafidy azy), dia mandeha ny tsahom-piovana hanesorana ny voambolana famerana hoan'ny lazaina ho “Mpitarika ny Firenena.” Te-hampitombo ny herijikan'ny fianakaviany ihany koa izy itazonana ny fahefana hampidinana ny taona farany ambany 35 ankehitriny ho 30, izay ahafahan'ny zanakalain'i Rahmon, Rustam, ho azo fidiana ho filoham-pirenena ihany koa. Rustam Emomali, 28 taona, no filohan'ny Sampan-draharaha matanjaka miady amin'ny kolikoly, ary andro vitsivitsy lasa izay no voafidy indray ho filohan'ny Federasionan'ny Football ao Tajikistan.
Tsy vaovao tsy ampoizina izany ho an'ny olom-pirenen'ny firenena mahantra indrindra ao amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha, izay niantso ihany koa ny firenena marefo indrindra manoloana ny hanoanana any amin'ny zaratany post-Sovietika.
Ho setrin'ny vaovao, nanoratra i Mahina mpisera Facebook :
Нужно переименовать Республика Таджикистан на “Королевство Таджикистан
Fotoana hanomezana anarana ny Repoblikan'i Tajikistan ho Fitondram-Panjakan'i Tajikistan
Raha nanontany i Zarrina:
Почему бы вообще эту статью не убрать из конституции? Все равно ведь выборов как таковых нет, зачем засорять конституцию
Maninona raha manala tanteraka fotsiny io andininy [mametraka fehim-potoana] io ao anaty lalampanorenana? Efa tsy misy rahateo ny tena fifidianana, ka inona moa no hamenoana fako ny lalampanorenana?
Mandritra izany fotoana izany ao Turkmenistan…
Tsy lavitra ny tontolon'ny azo tanterahina izany torohevitra izany, farafahakeliny ao Turkmenistan. Vao haingana teo ny Filoha Turkmen Gurbanguli Berdimukhammedov nibaiko ny governemantany hanafaingana ny fanovana ny lalampanorenana. Na dia tsy misy aza ny antsipirihan'ny endrika fanovana ho atao, dia nanombatombana ny amin'ny fikasana hampitomboana ny fehim-potoana iasan'ny filoha hiala amin'ny fehim-potoana dimy taona misy ankehitriny hankany amin'ny fito taona ny fampitam-baovao.
Tsy misy ny famerana ny isan'ny fehim-potoana fiasana ao amin'ny firenena, izay vao avy nanangana tsangambato lehibe milokom-bolamenan'ny tenany ao afovoan-tanànan'ny renivohiny ny mpitarika ny firenena volana vitsivitsy monja izay.
Nampahatsiahy ny mpisera tranonkala Michael raha naneho hevitra amin'ny fivoaran-draharaha:
Ниязов в своё время назначил себя пожизненным президентом, дабы не тратить бюджетные деньги на выборы. Так что Гурбангулы Мяликгулыевичу есть на кого ровняться.
Nanondro tena ho filoha nandritra ny androm-piainana i Niyazov [mpitarika Turkmen teo aloha, izay ny fahafatesany ihany no nanapitra ny maha-filoha azy] mba hanavotana tetibola mety ho lany amin'ny fifidianana. Noho izany mety hanao toy izany koa i Gurbanguli Berdimukhammedov.
‘Tsara kokoa ny anambaranao mivantana ho tsy mety maty’
Saingy tsy ny rehetra no tsy ho faly amin'ny mety isian'ny fiovana ao Tajikistan:
Молодец! Браво Лидеру нации. Не каждому оно доно. Любой из Вас был бы на его месте зделал бы тоже самое. А Вы нечего неможете только гавкаете зря. Мне интересно ваши возмущение кто то услышит. Лучше бы стремились бы чему небудь лучшему. А чтобы доказать что Вы дети своей страны для этого нужно зделать для этой страны в потом что-то говорить!
Arahabaina ny Mpitarika ny firenena! Tsy ny rehetra no hanana izany vintana izany. Hanao toy izany avokoa ianareo rehetra teo amin'ny toerany. Tsy ho afaka na inona na inona ankoatra ny mivovò ianareo. Manontany aho raha misy mihaino ny fanakorontanana ataonareo. Tsaratsara kokoa raha manao zavatra tsara ianareo hanaporofoana fa zanak'ity firenena ity ianareo.
اغوا و شور نیندازید Ozodi ، اینکه سن پایین برده می شود کار بسیار خوبی است. موسفیدان باید نصیحت و استراحت کنند. اساسش، جوان لیاقت داشته باشد.
Aza mihantsy, ry Radio Fahafahana! hevitra tsara ny mampidina ny fehin-taona farany ambany indrindra. Tokony haka aina ny zokiolona ary hanome torohevitra. Zava-dehibe kokoa noho ny tanora lahy tokony ho manan-talenta.
Raha nisy mpiseraseran'ny tranonkala iray naneso tao an-takonana :
Так чего мелочиться, надо сразу бессмертными себя назначать и смерти законно запретить их посещать
Nahoana no hionona amin-javatra kely monja? Tsara kokoa ny anambaranao mivantana ho tsy mety maty sy mandrara ny fahafatesana tsy hankany amin'izy ireo.