- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ampitovian'ny Fitsaràna Okrainiana Amin'ny An'ireo Media Mahazatra Ny Mombamomba Ny Tambajotra Sosialy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet, GV Mpisolovava
Can social media accounts be considered mass media? Images mixed by Tetyana Lokot.

Azo raisina ho toy ny media ho an'ny daholobe ve ny media sosialy? Sary nafangaron'i Tetyana Lokot.

Tanaty hetsika tsy mbola nisy toa azy, nampitovian'ny fitsaràna Okrainiana hitovy amin'ny an'ireo media fampahalalàna vaovao mahazatra ny mombamoba ireo pejy media sosialy, ary saziany noho ny fiantsoana hanongam-panjakàna ny tompony.

Tamin'ny 2 Febroary 2016, fitsaràna monisipaly tao Sumy, avaratra-atsinanan'i Okraina, no nanameloka [1] olona iray mpampiasa ny VKontakte noho ny “fiantsoana vahoaka hanao hetsika mahery setra hanonganana ny lamina napetraky ny lalàm-panorenana, sy hakàna fahefana tamin'ny alàlan'ny media natao ho an'ny daholobe” Araka ny andininy faha-3 amin'ny Artikla 109 [2] ao amin'ny didy Okrainiana momba ny heloka bevava, raisina ho toy ny fandikàna ny lalàna momba ny heloka bevava ny hetsika tahaka izany.

Notaterin'ny JurLiga, tranokalam-baovao momba ny resaka lalàna, fa niaiky ireo fiampangàna [3]azy ireo ilay voampanga, ary namoahan'ny fitsaràna sazy ara-bola 8.500 hryvnyas ($310).

Hitan'ny fitsaràna fa manana mpanjohy efa ho 3.000 ilay kaonty VKontakte [4] (noraketina tamin'ny solonanarana Bogdan Mazepa), hatraminà pejy iray azon'ny daholobe jerena, [5] antsoina hoe “Legionan'i Bandera” misy mpanjohy 26.000, samy nampiasaina mba hanaparitahana tsotra izao antso hanonganana ireo manampahefana ao Okraina. Araka ny fiampangàn'ny fitsaràna [1], nampiasaina ireny pejy ireny mba hanaparitahana zavatra miantso ho amin'ny tolona mitam-piadiana atao amin'ny manampahefana ankehitriny, “fikomiana / tsy fanekena baiko amin'ny fitondràna,” sy “fanimbàna ireo manampahefan'ny governemanta ankehitriny.”

Raisin'ireo manampahaizana sy ny fitsaràna ho “media ho an'ny daholobe” ireny pejin'ny media sosialy miaty “antso mivantana hanao hetsika” ireny satria misy vahoaka ao, ary tsy azo ferana ny isan'ny olona afaka miditra mijery azy. Namoaka didy ny fitsaràna hoe nampiasaina ireny pejy ireny ho fitaovana entina hitsinjaràna vaovao ho an'ny daholobe araka ny voalaza amin'ny antsipirihany ao amin'ny Artikla 1 amin'ny lalàna Okrainiana “momba ny Fifandraisandavitra [6]” (toko 47, 55 ampahany 1) sy ny Artikla 22 amin'ny lalàna “momba ny Fampahalalàna Vaovao [7].”

Na efa lasa mahazatra [8] aza ny fanenjehana mpisera amin'ny aterineto noho ny vontoaty nalefa tamin'ny media sosialy ao Rosia, izao vao manomboka tsapan'ny mpampihatra lalàna Okrainiana ny fomba hiatrehana ireo zavatra manohintohina azy zaraina ety anaty aterineto. Miahiahy noho ny tranga Sumy ireo Okrainiana mpisera, ary matahotra sao ho lasa savalàlana hankany amin'ny famoretana bebe kokoa io.

Artyom Afyan, Okrainiana mpisolovava, mpiara-miombona antoka ao amin'ny fikambanana miresaka lalàna “Juscutum”, nilaza [9] tamin'ny tranonkala AIN.UA fa tsy heveriny ny hoe ho lasa mpisavalàlana amin'ny didy mitovitovy amin'izany io fanapahan'ny fitsaràna io.

Высказывания в интернете могут иметь правовые последствия, в том числе и уголовные. Призывы к применению оружия против представителей власти также никогда не были законны. Но существует тонкая грань между свободой высказывания и наказанием за призывы.

Mety hisy fiantraikany amin'ny resaka lalàna ny zavatra tenenina ety anaty serasera, hatramin'ny heloka bevava. Ny antso handray fiadiana hamelezana ny solontenan'ny fitondràna koa dia tsy ara-dalàna velively. Saingy misy tsipika kely ihany manasaraka ny fahalalahana miteny sy ny famaizana noho ny antso hanao hetsika.

Lazain'i Afyan fa ilay tranga dia taratry ny tsy fahampiana mazava tamin'ny asan'ny mpiaro : toa samy naka ny fomba tsotra kokoa, na ny fitsaràna, na ny toriana, nifanaiky hankany amin'ny fandoavana sazy ara-bola fa tsy ny hanadihady ny mety ho vokatr'izany amin'ny fitenenana ety anaty serasera sy ny vokany andrasana. Ity tsy fahampian'ny fahazavan'ny dingana natao ity, hoy i Afyan, dia mahatonga io tranga io hitovitovy amin'ny fomba fitsaràna fanaon'ny Rosiana, izay tsy azo veroka mihitsy ny elanelana misy eo amin'ny didy navoaka sy ny ho tena loza aterany eo amin'ny fiarahamonina.

Mba hanondroana ny pejy media sosialy ho “media ho an'ny daholobe”, mino ilay Okrainiana mpisolovava fa marefo ny fototra araka ny lalàna amin'io ka tsy tokony ho ampiasaina ho lasa mpisavalàlana ho an'ireo tranga hoavy, saingy mijery lavitra ireo ho vokany goavana araka ny lalàna amin'ny fandehanana amin'ny zotra fampitoviana olompirenena amin'ireo media mahazatra.

Регистрация блогеров в РФ – это все оттуда. В Украине рано или поздно должна была начаться судебная практика на эту тематику. Мы еще только на пороге того, чтобы юридически соотнести СМИ и страничку в социальной сети.

Ny fisoratana anarana ataon'ireo bilaogera ao anatin'ny Federasiona Rosiana—any no fototr'ity tantara ity. Na ho ela na ho haingana, mety hanomboka ny fomba fanao ara-pitsaràna Okrainiana momba io olana io. Mbola vao eo amin'ny teboka fampitahàna araka ny lalàna ny media famoahana vaovao ho an'ny daholobe sy ny pejy media sosialy isika izao.

Mitombo an'isa ireo raharaha fanenjehana amin'ny resaka heloka bevava nateraky ny zavatra natao tety anaty media sosialy, tao anatin'ny fihenjanan'ny fifandraisana teo amin'i Okraina sy Rosia, narehitry ny fifandonana novolavolain'ny Rosiana tany atsinanan'i Okraina. Ny 2014, mponina iray avy ao Dnipropetrovsk any atsinanan'i Okrainiana no nosamborina sy nampangain'ireo Okrainiana manampahefana fa hoe niantso fisaraham-bazana [10] tety anaty tambajotra sosialy. Mbola eny amin'ny fitsaràna ilay raharaha, ary miatrika sazy famonjana henjana ilay mpampiasa, telo hatramin'ny dimy taona, raha hita fa meloka tamin'ny fandikàna ny Artikla 110 amin'ny lalàna Okrainiana momba ny heloka bevava (fanohintohinana ny maha-firenena iray tsy mivaky an’ Okraina). Okrainiana iray hafa, mpampiasa avy ao Kirovohrad, any atsimon'ny firenena, no voampanga tamin'ny [11]2014 ho nanao antso tao amin'ny media sosialy hanonganana ny fitondràna, saingy nahazo sazy miantona roa taona, rehefa niaiky ny helony sy naneho fiarahana miasa tamin'ny fanaovana fanadihadiana.