- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hita Namidy Tao amin'ny eBay Ny Filoha Ejipsiana Abdel Fattah El Sisi

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Ejipta, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna
The ebay entry for the sale of Egyptian president Abdel Fattah El Sisi. Source: @AishaEldorg/Twitter [1]

Ny iditra ebay amarotana ny filoha ejipsiana Abdel Fattah El Sisi. Loharano: @AishaEldorg [1]/Twitter

Nanambara ny filoha Ejipsiana Abdel Fattah Al Sisi fa hivarotra ny tenany hanampiana ny firenena hitolona ho an'ny firenena sy hanohanana ny Ejipsiana. Tao anatin'ny minitra vitsy dia nisy iditra nipoitra tao amin'ny eBay, manoloatra ny filoha ho amidy amin'izay mahasahy lafo indrindra.

Efa tsy hita intsony [2], io iditra io izay mivaky hoe:

For sale: Field Marshall and a Doctor of Philosophers, with a military background, used by a doctor

Amidy: Marosaly sy dokoteran'ny filôzôfia, tao amin'ny sehatra ara-miaramila, ampiasain'ny dokotera

Maneso ao amin'ny Twitter i Sherif Mansour:

Nitranga androany: raha azo namidy aho dia nanao, fa tsy azo. Vinanio hoe? Efa ao amin'ny Ebay izy. Manomboka amin'ny 1,5 dôlara monja. Iadiam-barotra

Nanamarika i Abdurrahman Ezz :

Amidy na ahofa: fanararaotra tsy hitranga intsony. [pimp] iray manana ny laharam-boninahitra Marosaly. Mitarika andian'olona izy amin'izao fotoana izao. Afaa mampihomehy olona an-tapitrisany ao anatin'ny fahantrany. Ny tolotra dia voafetra sy vonona hoan'izay tonga voalohany, mahazo mampiasa azy voalohany

Ary nanampy i Dalia Ezzat :

Famaliana ny kabary mampihetsimpo an'i Sisi izay nanamarihany fa vonona izy hivarotra ny tenany ho fanavotana an'i Ejipta: Sisi amin'ny vidiny iray dôlara ao amin'ny Ebay

Tsy miezaka ny tsikanikaniny ny ejipsiana fa manohy manara-maso akaiky ny tranonkalan-tolobarotra mandra-pamafana ilay tolotra nanomboka iray dôlara amerikana ka kintana mankany amin'ny 100.000 dôlara amerikana.

Dima S nisioka ny tolobarotra teo amin'ny atsasa-dalana:

Sisi Amidy ao amin'ny ebay amin'izao fotoana izao. Efa tonga 52.700 dôlara amerikanina ny vidiny amin'izao fotoana izao

Ary nihiaka ny blaogera Zeinobia :

Lehibe Andriamanitra (Allahu Akbar)! Nahatratra 100.000 ny tolobarotra!

Nanao fanamarihana i Sisi nandritra ny fikabariana tamin'ny fahitalavitra raha namboraka ny drafi-pampandrosoana ara-toekarenan'i Ejipta amin'ny taona 2030, ary tao ihany koa no nandrisihany ny Ejipsiana hihady lalindalina kokoa ao amin'ny poketrany ary hanome ho an'ny firenena amin'ny alalan'ny fampiasana hafatra lahatsoratra ao amin'ny finday. Niantso ny Ejpsiana tsirairay izy “hiteny fiarahabana maraina an'i Ejipta miaraka amin'ny [vola] livra iray,” izay adika hoe manoma livra iray an'i Ejipta isa-maraina, ka niteraka hehy ihany koa tao amin'ny media sosialy.

Nananihany i Hagar:

izaho: Manahoana ineny!
masr: nanaisotra livra iray isika

Ity mpisera Twitter iray ity nizara ny sarin'ny vola iray livra ejipsiana iray :

manahoana maraina i Ejipta 🙂

Ary farany niteny i Ayman Azzameg:

Ny firenena dia mandroso amin'ny alalan'ny siansa, indostria, fahalalahana, rariny, fitoviana, fampiharana ny lalàna ho an'ny rehetra ary ny ady amin'ny kolikoly fa tsy amin'ny [hatsembohan'ny] vahoaka.