- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpampianatra Mialokaloka Milaza Fa Manohintohina Ny Fianakaviany Ny Fitondrana Miaramila Ao Thailandy

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
Image from Prachatai, a content partner of Global Voices [1]

Sary avy amin'ny Prachatai, mpiara-miombon'antoka ara-botoaty amin'ny Global Voices

Taterin'ny vaovao ho tohintohinin'ny [2] miaramila ny fianakavian'ny mpampianatra ambony iray mpanohitra ny fitondrana miaramila lasa an-tsesitany ny tenany ao Bangkok, Thailandy.

Pavin Chachavalpongpun, profesoran'ny Oniversiten'i Kyoto sady mpampianatra teorika mandalo ny Oniversiten'i Cambridge amin'izao fotoana izao, no nanoratra tao amin'ny Facebook fa tsy mitsahatra ny mitsidika ny tranon'ny anabaviny ny miaramila mba tsy itenenany [profesora] manohitra ny governemanta tohanan'ny miaramila sy ny fitondram-panjaka tokana. Nanome ny antsipirihany bebe kokoa momba izany tao amin'ny lahatsorany [3] navoakan'ny gazetiboky an-tserasera The Diplomat izy:

Apart from sending officers to my home, the military also called up my sister at her workplace twice, ordering her to inform me that if I did not stop discussing the Thai monarchy, my family would have to “pay the price” for my activities outside Thailand. The military also demanded that my entire family in Bangkok report themselves to an army camp, and that, if they failed to do so, there would be another visit.

Ankoatra ny fandefasany manamboninahitra any an-tranoko, dia indroa niantso ny anabaviko tany amin'ny toera-piasany ihany koa ny miaramila, nibaiko azy hampahafantatra ahy fa raha tsy mijanona amin'ny firesahana fitondram-panjaka tokana Thailandey aho dia “handoa ny saran'ny” hetsika ataoko ivelan'i Thailandy ny fianakaviako. Niteny ihany koa ny miaramila ny itoloran'ny fianakaviako iray manontolo tena any amin'ny toby miaramila iray, fa raha tsy manao izany ry zareo dia hisy indray ny fitsidihana.

Pavin dia fanta-daza amin'ny fitsikerana ny fitondrana miaramila. Nikiry ihany koa izy ny hanandra-teny hanitsiana ny Lalànan'ny Lese Majeste (lalànam-panompana ny mpanjaka) izay handreseny lahatra fa anararaotana [4] [mg] hampanginana ny fanoherana. Nampianatra tany Japan i Pavin raha nandrombaka ny fahefana ny tafika tamin'ny 2014. Imbetsaka nantsoin'ny fitondrana miaramila izy hanaraka ‘fanitsiana toe-tsaina’ [5] [mg] saingy nandà tsy hanaraka ny didin'ny miaramila. Nofoanan'ny governemanta avy eo ny pasipaorony ka nahavoatery azy hialokaloka tao Japan.

Amin'ny maha-mpampianatra ambony azy dia afaka nanao valandresaka momba ny fanonganam-panjakana tao Thailandy tany amin'ny firenena maro i Pavin sy ny filàna tsindry iraisampirenena hamerenana amin'ny laoniny indray ny fitondrana sivily, ny fifidianana ary ireo andrim-panjakana demokratika ao amin'ny fireneny. Efa hiteny tao amin'ny Oniversiten'i Oxford izy tamin'ny 24 Febroary raha naharay ny hafatra avy amin'ny anabaviny momba ny fitsidihana tampoka nataon'ny miaramila sasany tao an-tranondry zareo.

Tsy vao sambany i Pavin no niteny fa miezaka ny manery ny fihetsiky ny olom-pirenena thailandey any ivelan'ny fireneny ny fitondrana miaramila. Tamin'ny herintaona dia nilaza i Pavin fa nampitandrina ireo Thailandey mpianatra ao Chicago sy Alemaina ny governemanta fa very ny vatsim-pianaran'izy ireo raha vao manatrika ny valandresak'ity mpampianatra mpialokaloka ity ry zareo.

Na dia teo aza ny antso vonjy iraisampirenena nataony noho ny paikadin'ny fitondrana miaramila dia nanoratra tao amin'ny Facebook i Pavin fa niverina [6] tao an-tranon'ny anabaviny ny miaramila:

You have punished me, hunt me (even when I did nothing wrong) — I already found this injustice unbearable. But to go after my family who had nothing to do with me — this is absolutely unacceptable. I will fight against this intimidation to the best of my ability. Don't push me further into the corner!

Efa nanasazy ahy ianareo, nihaza ahy (na dia tsy nanao zavatra tsy nety aza aho) — Efa hitako ho tsy zaka intsony izao tsy rariny izao. Fa dia mbola manenjika ny fianakaviako tsy miara-manao zavatra amiko ianareo — tsy azo ekena mihitsy izany toe-javatra izany. Hiady amin'izany fampihorohoroana izany araka izay tratrako aho. Aza atosika intsony hankeny an-jorom-bala aho!

Ny mpitondratenin'ny fitondrana miaramila ny Col. Winthai Suvaree anefa nitsipaka [7] ny fisian'izany fanohintohinana ny fianakavian'i Pavin izany:

I dont think it was done by our officers. I don’t think anyone was threatened. Why would we make any threat? It’s not like we’re going to arrest (the sisters)

Tsy mieritreritra aho fa ny manamboninahitray no nanao izany. Tsy mieritreritra aho fa misy ny voarahona. Nahoana izahay no handrahona? Tsy misy hoe hisambotra (ireo anabavy) izahay

Taorian'io fitsipahana io dia nandefa sary tamin'ny mpanao gazety iray ny anabavin'i Pavin hanporofoana fa nisy miaramila nitsidika ny tranony:

Minitra taorian'ny filazan'ny mpitondrateny fa tsy mahazo antoka amin'izay mety ho fisian'ny fitsidihana ny anabavin'i Pavin izy, dia nandefa sary taty amiko ny anabaviny.

Tamin'ny antsafa iray tany aloha tany, dia nilaza i Pavin fa maniry [1] ny hody an-tanindrazana ao Thailandy izy ary hanohy ny asa maha-mpamoianatra akademika azy:

I will continue what I do because it’s my role as an academic. I do hope to return to Thailand because my family is there. But if I have to close my ears and mouth, I’d rather stay outside.

Hotohizako ny ataoko satria izay no anjara asako amin'ny maha-akademika ahy. Tsy maintsy manantena ny hody ao Thailandy aho satria ao ny fianakaviako. Saingy raha tsy maintsy manampina ny sofiko sy ny vavako aho dia aleoko mijanona aty ivelany.