- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpilatro Tsetsenina Nahazo Tsikera Noho Ny Fiarahamiasany Amin'ny Pelaka

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Akon'ny RuNet
Bisultanova. Image: Youtube / Wedding RU [1]

Ilona Bisultanova. Sary: Youtube / Wedding RU

Mpilatro maro no manonofy mba halaina sary ho an'ny Dolce & Gabbana. Tanteraka ny nofin'i Ilona Bisultanova, 17 taona tamin'ny volana lasa, raha nokaramaina halaina sary miaraka amin'ny fehin-doha vaovao namboarin'i Stefano Gabbana izy, ary avy eo nozarain'i Stefano tao amin'ny kaontiny Instagram manana mpanjohy maherin'ny 707.000 ny sary.

Raha tafaverina tao Chechnya izy dia tsy nankasitraka loatra ny fiarahamiasany ampahibemaso tamin'ny olona pelaka ny mpiray tanindrazana amin'i Bisultanova. Feno fanehoan-kevitra tezitra avy eo no kaontin'i Gabbana, mitabataba amin'i Bisultanova noho izy niara-niasa taminy. Nanakiana azy koa ireo mpankahala noho izy tsy Silamo tsara, sy noho izy (toa) manatevina ny molony amin'ny sary, na amin'ny fandokoan-tava ataony na amin'ny famontora-molotra.

Niaro an'i Bisultanova kosa ny fanehoan-kevitra sasany avy amin'ireo mpisera Instagram Tsetsenina, miarahaba azy amin'ny fisoloan-tena an'i Chechnya amin'ny sehatra iraisampirenena, saingy mazava ho azy fa vitsy an'isa ireo mpiarahaba azy.

Noho ny tabataba, nafenin'i Bisultanova ho rindrina ho azy manokana ny kaontiny Instagram [2]. Manana mpanjohy mihoatra ny 75.000 izy.

@ilona1998amir #dgwoman ❤️❤️❤️❤️#dgfamily [3]

A photo posted by stefanogabbana (@stefanogabbana) on

Ahitana ireto fanamarihana ireto ny sasany amin'ireo fanehoan-kevitra:

Истинная мусульманка, у которой иман, чтобы так покрыться, не допустила бы, чтобы ее фотки публиковал на своей странице среди всяких других себе подобных всемирно известный гей.

Ny tena vehivavy Silamo manana iman [finoana tena izy] mandrakotra ny tenany tahaka izao dia tsy mba hamela pelaka malaza manerantany mihitsy hamoaka ny sariny ao amin'ny pejiny, miaraka amin'ireo hafa mitovy karazana aminy.

Зачем одевать хиджаб преступая все запреты и указания Аллаха!!! Если хиджаб одет не из-за любви и страха перед Творцом!!! То какой смысл в этом!!! Щас я говорю в целом о состоянии дел мусульман.

Nahoana no misy olona manao hijab kanefa manitsakitsaka ny fandraràna rehetra sy ny tari-dalan'i Allah !!! Raha manao hijab izy, dia tsy noho ny fitiavana sy ny tahotra ny Mpamorona !!! Ka inona no hevitra amin'izany !!! Miresaka momba ny olan'ny Silamo amin'ny ankapobeny aho ankehitriny.

Это ее натуральная красота. А все завидуют. Илона очень красива МашаАллах, и умна и красива и талантлива.

Hatsaran-tarehiny voajanahary io [milaza ny molony]. Mialona ny olona. Tsara tarehy i Ilona – Izay no sitrak'i Allah. Marani-tsaina sy mahafatifaty ary manan-talenta [izy].

Iray amin'ireo endriky ny lamaody hijab sy abayas vaovao an'ny Dolce & Gabbana i Bisultanova, ireo olona mpitafy lamaody lafo vidy eo amin'ny tontolon'ny Silamo no kendrena hividy izany. Jereo ny sary [4] ary ahoana ny hevitrao, mifanaraka amin'ny anjara toeran'i Bisultanova ve izany?.

عبايات دولشي جابانا حبييييت #dolcegabbanaabayawear#dolcegabbanaabaya [5]

A photo posted by accessories7alamza (@7alamza) on

‏بعد ‎@dolcegabbana ، ما هي محلات الموضة التي تود أن تراها تطلق تشكيلة عبايات؟ اذكر اختياراتك! After @dolcegabbana, which fashion house should launch an abaya collection? Name your pick! #dolcegabbana #dolcegabbanaabaya #shopping #middleeast #mena #fashion #❤ #dgabaya #dgwomen [6]

A photo posted by Bahrain World Trade Center (@moda_mall) on

Araka ny televiziona tsy miankina Dozhd, dia vao haingana [7]i Bisultanova no nijanona niasa tao amin'ny tranon-damaody Firdaws ao Grozny, tantanin'i Medni, vadin'i Ramzan Kadyrov. Herinandro maromaro lasa izay, nanomboka ny sehatra lamaodiny manokana i Bisultanova, “Masterskaya an'i Ilona Bisultanova [8].” “Navadika sehatra an-takonana ho an'ny tena manokana ihany koa ny kaonty Instagraman'ny orinasany izay manana mpanjohy maherin'ny 21.000.)

Malaza amin'ny fitsikerana fahapelahana i Ramzan Kadyrov, mpitarika mahery setran'ny Repoblika Tsetsenina ao Rosia, tsy lazaina intsony ny zon'ny pelaka. Tamin'ny 2009, nilaza [9]izy fa olana goavana ankehitriny ao Rosia ny fahapelahana, ny fivarotan-tena, ary ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ny ilain'ny firenena hoy izy dia “miaramila — mpiaro ny Tanindrazana. Izany no mahatonga an'i Tsetsenina ho lohalaharana hatrany. “