- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Swasthani Vrata Katha An-Tsary: Fetim-Pifadian-Kanina Sy Fivavahana Maharitra Iray Volana Hoan'ny Mahasoa Ny Mpivady Ao Nepal

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fivavahana, Foko sy Fiaviana, Mediam-bahoaka, Saripika, Teratany, Vehivavy sy Miralenta, Zavakanto & Kolontsaina
Nepalese Hindu devotees offer prayers before taking holy dips at Hanumante River during Madhav Narayan festival in Bhaktapur, Nepal. Nepalese Hindu women observe a fast and pray Goddess Swasthani and God Madhav Narayan for longevity of their husbands and family prosperity during the month-long festival. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Nepaley Haindò manolotra vavaka mialoha ny idirana amin'ny renirano Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Ny Swasthani Vrata Katha [1]dia fetibe haindò maharitra iray volana izay ifadian'ny vehivavy hanina sy mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani mangataka fikarakarana sy fanambinana hoan'ny vadiny sy ny ankohonana. Ny tanora vavy kosa mifady hanina sy mivavaka hahazoana vady tsara.

Ny fombam-pivavahana dia manomboka amin'ny andro diavolan'ny Poush ary mifarana amin'ny andro diavolan'ny Magh (ny volana fahafolo amin'ny fanisanandro Nepali), izay nanomboka ny 22 febroary [2].

Mandritra ny fetibe ny mpivavaka dia mamerimberina ny soratra avy amin'ny Swasthani Vrata Katha (boky tantaran'ny andriamanibavy Swasthani). Tononina indray isan'andro ny toko [3] iray hafa mandritra ny 31 andro. Mifoha maraina ny vehivavy, mandro, ary mivavaka amin'i Mahadev [4], iray amin'ny andriamanitra lehibe telon'ny Hindoisma, ny folakandro, isan'andro mandritra ny volana.

Fandroana masin'ny vehivavy Nepaley ao amin'ny Tempolin'i Pashupathinath amin'ny volana fetiben'ny Swasthani Bratakatha andriamanibavy Swasthani Kathmandu

Misy aza ny vehivavy sasany mifady hanina mandritra ny iray volana. Nisioka i Shiwani Neupane, mpanoratra:

Omaly ny zavatra mianganongano. Nahita vehivavy iray aho manao ny volana fifadiana Swasthani ao amin'ny lavabato iray.

Ity fomba ity dia nolazaina fa nanomboka [10] rehefa nangataka hanambady an'i Mahadev [4] izay notiaviny hatramin'ny fahazazany ka nandaniany volana iray ifadian-kanina sy ivavahana amin'ny andriamanibavy Swashtani, ny zanakavavin'ny Mpanjakan'i Himalaya Parvati [11], andriamanibavin'ny fitiavana, ny fahalonaka ary ny fanokana-tena. Tsy kisendrasendra ny fitiavany — i Parvati no fisehoana ara-batan'ny vadin'i Mahadev voalohany antsoina hoe Sati Devi, izay teraka indray rehefa nandoro tena ho faty [12].

Isisihan'ny mpivavaka ny toerana voatonona ao amin'ny Katha [13]: Guheswari, Gokarna, Alan'i Sleshmantak, Gaurighat, Renirano Bagmati, ary ny Shali Nadi (Renirano).

Ao Sankhu [14] sy Bhaktapur, dia samy mifehy na ny lahy na ny vavy, mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani sy amin'ny andriamanitra Madhav Narayan [15]. Mandray anjara amin'ny fombafombam-pivavahana amin'ny alalan'ny fandroana ny olona rehefa manatontosa ny fetibe Madhav Narayan, [16] izay mitovy andro fanombohana sy famaranana amin'ny Swasthani Vrata Katha.

Raha mivavaka amin'ny andriamanibavy Swasthani ny sasany mitady ny mahasoa ny vadiny sy ny ankohonana, dia misy kosa ireo sasany tsy faly amin'ny tsy fitovian-danjan'ny lahy sy ny vavy amin'ny fombafomba.

Ao amin'ny sombim-pamoahan-kevitra [17]iray i Manju Thapa manoratra hoe:

कथाले पति भनेका मालिक हुन् भने पत्नी भनेका पतिको सेवा र चाकडी गर्ने सेवक हुन् भन्नेजस्ता पति—पत्नीको अत्यन्तै असन्तुलित अन्तरसम्बन्ध देखाइएको छ, जुन महिलामैत्री छैन ।

Milaza ny tantara fa lahy no tompo ary ny vavy no mpanompon'ny vadiny. Tsy mety amin'ny vehivavy izany noho ny fitongilanan'ny fifandraisana eo amin'ny lahy sy ny vavy ao amin'ny fanambadiana.

Mbola mitohy ny fomba na dia eo aza ny kiaka vitsy toy izany. Manoratra amim-panesoana ao amin'ny Twitter i atmiya_nepali :

Ny fandrosoana ve mba nahavita nampangina ny raki-tantaran'i “Shree Swasthani Vrata Katha” izay tena manavakava-behivavy tokoa?

Raha mitohy ny adihevitra dia andao hijery topimaso ny fetiben'ny Swasthani Vrata Katha sy ny fetiben'ny Madhav Narayan amin'ny alalan'ny mazon'ireo mpakasary Sunil Sharma sy Archana Shrestha.

Nepalese Hindu devotees taking bath in the Bagmati River at the premises of Pashupatinath Temple during the Swastahni Vrata Katha. Image by Archana Shrestha. Used with permission.

Haindò Nepaley mpivavaka mandro ao amin'ny reniranon'i Bagmati ao amin'ny toerana misy ny tempolin’ Pashupatinath mandritra ny Swasthani Vrata Katha. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotees take holy water from the Bagmati River during the Swastahni Vrata Katha. Image by Archana Shrestha. Used with permission.

Haindò Nepaley mandray ny rano masina avy amin'ny reniranon'i Bagmati mandritra ny Swasthani Vrata Katha. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotees offer prayers at the bank of Hanumante River during Madhav Narayan festival in Bhaktapur, Nepal. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Haindò Nepaley manolotra vavaka eo amoron'ny reniranon'i Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu women warm themelves after taking holy dips at the Hanumante River during Madhav Narayan festival in Bhaktapur, Nepal. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Vehivavy Haindò Nepaley manafana tena rehefa avy nandray ny fandomana masina tao amin'ny reniranon'i Hanumante mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Bhaktapur, Nepal. Sary avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotees offer prayers before taking holy dips at Sali Nadi (River) during Madhav Narayan festival in Sankhu, Nepal. Nepalese Hindu women observe a fast and pray to Goddess Swasthani and God Madhav Narayan for longevity of their husbands and family prosperity during the month-long festival. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Mpivavaka haindò Nepaley manolotra vavaka mialoha ny handraisana ny fandombana masina ao amin'ny (reniranon'i Sali Nadi mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Ny vehivavy haindò Nepaley dia mitadrina ny fifadiana sy ny vavaka ho an'andriamanibavy Swasthani sy ho an'andriamanitra Madhav Narayan ho amin'ny fahaelavelon'ny vadiny sy ny fanambinan'ny fianakaviana mandritra ny fetibe maharitra iray volana. Saripikan'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotee offers prayer before taking holy dip in Sali Nadi (River) during Madhav Narayan festival in Sankhu, Nepal. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Mpivavaka handò Nepaley manolotra vavaka mialoha ny handraisana fandombana masina ao amin'ny reniranon'i Sali Nadi mandritra ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Saripika avy amin'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotees at Sali Nadi (River) observing Swasthani Vrata Katha and Madhav Narayan festival in Sankhu, Nepal. Image by Sunil Sharma. Used with permission.

Mpivavaka haindò Nepaley ao amin'ny reniranon'i Sali Nadi mitandrina ny Swasthani Vrata Katha sy ny Madhav Narayan ao Sankhu, Nepal. Saripikan'i Sunil Sharma. Nahazoana alalana.

Nepalese Hindu devotees carry oil lamps on their body parts during the Madhav Narayan festival celebrations in Thecho, Lalitpur, Nepal. Image by Archana Shrestha. Used with permission.

Mpivavaka Haindò Nepaley mitondra fanilon-tsolika amin'ny faritry ny vatany mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

A Nepalese Hindu devotee participates in traditional rituals during the Madhav Narayan festival celebration in Thecho, Lalitpur, Nepal. Image by Archana Shrestha. Used with permission.

Mpivavaka haindò Nepaley iray mandray anjara amin'ny fomafombam-pivavahana mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.

 

A Nepalese Hindu boy portraying as God Madhav Narayan blessed with holy water participating in traditional rituals during the Madhav Narayan festival celebration in Thecho, Lalitpur, Nepal. Image by Archana Shrestha. Used with permission.

Zazalahy haindò nepaley iray natao haka ny endriky ny andriamanitra Madhav Narayan, voatahy amin'ny rano masina, mandray anjara amin'ny fombafombam-pivavahana tontosaina mandritra ny fankalazana ny fetiben'ny Madhav Narayan ao Thecho, Lalitpur, Nepal. Saripikan'i Archana Shrestha. Nahazoana alalana.