Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tsy Azo Ifohana Sigara Azafady, Lehilahy Tiorka Izahay

Photo by Curran Kelleher. CC BY 2.0

Sary an'i Curran Kelleher. CC By 2.0

Hanana fotoana sarotra hifohana ireo ahiahiny ireo olompirenena Tiorka noho ny krizy ara-toekarena mikasika ny zavapisotro amin'ity taona ity, arahan'ny fanakànana mahomby ny fifohana sigara ao anatin'ilay fanjakàna mitokna-monina.

Na  talohan'ny famoretana farany indrindra tamin'ny Janoary aza, nahitàna ny fanjavonan'ireo sigara teny amin'ny toerampivarotana sy ireo fitsipika henjana mikasika ny fanamarinana ary ny fanafarana ireo sigara nampidirina, nisy ireo sakana mikasika ny dokambarotra sy ny fifohana eny amin'ireo toerana natao ho an'ny dahoaka.

Tamin'ny taona lasa, voalazan'ny Fikambanana misahana ny Fahasalama Erantany fa firenena ahitàna mpifoka sigara vitsy indrindra isam-batan'olona ao amin'ny faritra Eoropa sy Azia Afovoany ny firenena, fanasokajiana ara-jeografika ny mediam-panjakana nambara noho izany ho toy “ny tontolo”.

Nanome ireo vaovao sasany mikasika ny fanentanana farany ho fanoherana ny fifohana sigara ny Eurasianet.

Lasa lavitra ny fitompoana teny fantatra amin'ny fanoherana ny fifohana sigara eny anivon'ireo manampahefana.

Ilay filoha Saparmurat Niyazov efa nodimandry, maty noho ny aretin'ny fo nahazo azy tamin'ny taona 2006, no nanakana ny fifohana sigara eny amin'ireo toerana natao ho an'ny daholobe tamin'ny taona 2000. Tamin'ny zotom-pony maha-mpifoka sigara azy taloha no nanaovany an'io. Taorian'ny fandidiana azy noho ny olana tao amin'ny fo, noraràn'ireo mpitsabo izy mba tsy handray sigara intsony, izany dia nitranga fony izy nanapaka hevitra hanao ezaka sy hanitatra ny fandraràna eo amin'ireo olom-peheziny rehetra.

Toy izany koa, rehefa tonga teo amin'ny fitondrana i Berdymukhamedov, izy mihintsy no mpitarika goavana tao. Hatreo, niditra tamin'ny famolahantena / fampiasana vatana izay hita tena nampihena azy tokoa izy. Nanjary mpiandàny mavitrika hoan'ny fiainana salama izy.

Ny fahitalavi-panjakana tamin'ny 15 janoary nandefa ny fijery mahamenatra an'ireo diplaomaty, olobe eo amin'ny tanàna, ireo solontenan'ny media eo an-toerana ary ireo mpianatra misoroka amin'ny lapelina ireo zava-mahadomelina sy ireo antontan-tsigara ho ambony afon-kitay.

Talohan'ny nandefasany ilay asa vavolombelona, namoaka tati-baovao iray ny fahitalavi-panjakana, mikasika ny fisamborana andian'olona nampangaina ho nanondrana an-tsokosoko ireo sigara nankany Torkiomenistana. Nahitana mpandraharaha roa ilay vondrona, tompon'andraikitra iray eo amin'ny haban-tseranana ary solontenan'ny masoivohom-panjakana ny iray. Araka ny fanazavàn'ny tatitra, nividy ireo sigara moravidy sady ratsy kalitao any ivelany ireo mpandraharaha, raisin'ilay tompon'andraikitra eo amin'ny haban-tseranana ny tsolotra hijerena làlan-kafa ary ilay solontenan'ny masoivohom-panjakana no manome taratasy fanamarinana mba hahazoana antoka fa azo amidy eny amin'ny magazay ireo entana.

Fandraràna, fandraràna, ary fandraràna

Manana fahazarana hitsikera ireo fepetra fanoherana ny sigara ireo mpisera amin'ny aterineto avy ao amin'ireo firenena mpifanolo-bodirindrina toa an'i Rosia, izay efa nahita sahady fa lasa avo roa heny ny vidin'ireo sigara teny amin'ny varomaizina, araka ny tatitry ny Eurasianet.

Андрей Ростов nampitaha ny asan'ny Tiokmenistana amin'ny an'ireo fandraràna mikasika ny hasambarana ataon'ny governemanta ao  Rosia.

Ну, Горбачёв тоже боролся с алкоголизмом и вводил “сухой закон”.
Ваш нейтральный и независимый перзидент уже уничтожил в Ашхабаде зелёные насаждения, запретил открывать окна в домах в центре города (ему гадалка нагадала, что его убьют из окна, когда он будет ехать на работу)…”(с) уничтожает спутниковые антенны и кондиционеры. Доллары запретил, теперь за сигареты взялся. Скоро будете перенимать передовой российский опыт, вы будете сжигать еду.

Eny, niady tamin'ny fisotroantoaka sy nampiditra ny ‘lalàna maina’ koa i Gorbachev. Ilay filohanareo tsy momba ny atsy sy aroa sady mahaleotena efa namotika sahady ireo hazo maitso tao Ashgabat, nametraka fandraràna tsy hanokafana ireo varavarankely tao afovoan-tanàna (nisy mpijery ny hoavy nilaza taminy fa avy eny am-baravarankely no hahafaty azy eny an-dalana hiasa)… nopotehiny ny sahafaben'ny zanabolana sy ny fandrindràna rivotra. Voaràra ny [fivarotana] vola dolara, ankehitriny anjaran'ireo sigara indray. Atsy ho atsy, ho hitanareo ny fombn'i Rosia mandoro sakafo.

Nampian'ny olona iray mpaneho hevitra tsy mitonona anarana  fa:

Запреты, запреты и запреты. Люди уже ничего не могут самостоятельно делать.

Fandraràna, fandraràn ary fandraràna. Tsy afaka manao n'inon'inona araka ny sitrapony ny olona tato ho ato.

‘Mipololotra sahala amin'ny lohamasinina’

Ireo mpitsidika ny tambajotra mpanohitra Chrono-tm dia naneho fanohanana an'ireo fepetra vaovao, na izany aza, sady nilaza fa mankasitraka ny fiainana ara-pahasalamana. Fironana iray mitovotovy amin'izany no hita tao amin'ny faritra natao ho an'ny tsikera tamin'ny tatitra iray ao amin'ny YouTube.

Сигареты — это такая гадость! Правильно, что их убирают из продажи.

Maharikoriko ny sigara! Rariny fotsiny izao raha raràna ny fivarotana azy.

Говорят, что будут продавать по три пачки в месяц на человека. Ну как с долларами.

Milaza ny olona fa hanome alàlana ny olona hahazo sigara amin'ny tranony 3 isam-bolana ry zareo. Tahaka izay ataony amin'ny vola dolara.

*Talohan'ny fandraràna ny fivarotana dolara, voafetra habetsaky ny vola vahiny azon'ny olom-pirenena vidiana.

Давно пора! Сами травятся и окружающих травят. Если на западе существует культура потребления (зоны для курящих и некурящих, ограничение в продаже несовершеннолетним, и т.д.), то в ТМ этого нет, пыхтят как паровоз где попало.

Efa tara! Mamono ny tenany ihany sy ireo manodidina azy ireo mpifoka. Raha kolontsain'ny fanjifàna no misy any tamin'ny tany Tandrefana (faritra natokana ho an'ireo mpifoka sy ireo tsy mifoka, ny famerana ny varotra tsy ho an'ireo zaza tsy ampy taona, sy ny sisa), tsy nisy sahala amin'io [tany ampiandohana] tany Tiokmenistana, mipololotra toy ireo lohamasinina eny rehetra eny.[ny olona].

List of smoking banks in the world. Source: https://en.wikipedia.org/wiki/List_of_smoking_bans

Sarintany mampiseho ny fepetra fandraràna tsy hifoka sigara eto an-tany, tao amin'ny Wikipedia.

Saingy mpitsikera iray no nanamafy fa mety ho tsara kokoa raha toa ireo tompon'andraikitra nanaitra ny faniriana mba ho ela velona sy fahasalamana tsaratsara kokoa teny amin'ny vahoaka fa tsy hametraka fepetra betsaka sy fandraràna fotsiny.

Думается, что запрещать что-либо — это полный бред. Люди так устроены, что все равно будут жить вопреки запрету. Если байствующий главарь хочет сохранить здоровье, так пусть создаст такие условия, что бы хотелось жить долго и счастливо. Тогда богатые, довольные своей жизнью люди сами избавятся от вредных привычек ради удлинения своей счастливой жизни

Tena tsy misy dikany ny fandraràna zavatra iray. Natao toy io fomba io ny olona dia hiaina aminny fanitsakitsahana ireo fandraràna azy ireo. Raha toa ka naniry fomba fiainana salama ny mpitarika, tokony ho namorona ireo fepetra izay irin'ireo olona hiainana ela sy ho sambatra kokoa izy. Rehefa manankarena sy afa-po eo amin'ny fiainany ireo olona ireo, hanary mora foana ireo fahazarany tsy mahasalama izy ireo mba hanalavàny ny fiainany ho feno hasambarana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.