- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Trinidad sy Tobago : Mivonona Amin'ny Taratasy Famaohana Ireo Mpijery Ny Fifaninana Mozika Soca Amin'Ity Taona Ity

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Mediam-bahoaka, Mozika, Zavakanto & Kolontsaina
Screen shot of a YouTube video of Pternsky's performance of 'Non Stop' at the International Soca Monarch Semi Final, 2016 [1]

Lahatsary tamin'ny YouTube-n'ny ‘Non Stop’ tamin'ny fampisehona nataon'ny Pternsky tamin'ny Ankatoky ny famaranana ny Soca Monarch Iraisam-pirenena, 2016.

Natao tao amin'ny toeram-pilanonan'ny Queen’s Park Savannah ao an-drenivohitr'i Trinidad sy Tobago tamin'ny 17 Janoary 2016 ny manasa-dàlan'ny fifaninanana Iraisam-pirenenan'ny [2] mozika Soca Monarch 2016. [3] Ny mahagaga ny mpijery maro, tsy nampihetsi-po ny ankamaroan'ny fampisehoana sady tsy mafana tahaka ny mahazatra. Ampahany nokianina ihany koa ny fitavozavozàna ara-teknika [4] teo amin'ny fandrakofana.

Ao anatin'ny fanarahana ny manasa-dàlana, dia afaka mifaninana hàka ny satroboninahitra na anaram-boninahitra aminà fifaninanana Soca Monarch Iraisam-pirenena roa sosona isan-taona, antsoina hoe Power Soca Monarch ( ny herin'ny Soca Monarch), (mihira hira mafana) sy Groovy Soca Monarch Iraisam-pirenena ( ho an'ny gadona miadana) ny mpandray anjara. Fantastic Friday (Zoma mahafinaritra) no iantsoana ny famaranana izay atao ao amin'ny Kianja Hasely Crawford amin'ny Carnival Friday (Zoma Fetibe). Nitontona ny 5 Febroary izany tamin'ity taona ity.

Avelao ireo mpisera amin'ny haino aman-jery sosialy no haneho ny fahatsapàny ny momba ireo mpanakanto tamin'ity taona ity, nanana olana tamin'ny fiarahana teny an-tsehatra ny sasany tamin'izy ireo.   Sary mihetsiketsika be, ratsy kalitao no tao amin'ny CNC3 TV [5] tamin'ny fandefasana mivantana ilay hetsika mozika soca, ka nahatonga resabe tamin'ny fampiasana ny tenifototra #IsmChubble ( fifangaroana avy tamin'ny fampiarahana ny anaran'ilay hetsika ara-mozika sy ny pejy iray fialamboly malaza, Wa Chubble Is Dis? [6] [ Inona ity olana ity ?]).

Nesoin'i Kejan Haynes,  mpisera amin'nyTwitter, ny kalitaon'ny fandefasana mivantana :

Lahatsary manokan'ilay lehilahy miandraikitra ny feo ao amin'ny CNC3

Tsy irery izy :

#IsmChubble [7] eny ry cnc3,  na dia ny fahitalavitra aza dia miteny ny hanajanonana ny fampijaliana ny mpanakanto !!!

Tsongaina manokana ny fihiran'i Princess Adana ny hira ‘Hit Meh’, tsapan'ny [13] mpisera amin'ny Facebook, Lichelle Hills, fa nisy fiantraikany ratsy tamin'ny fampisehoana nataon'ilay mpifaninana ny kalitao ratsin'ny feo :

Miala tsiny aho ry Adanna fa tena ratsy ny kalitao rn-n'ny @CNC3TV noho izany tsy naheno aho, na ianao no tsy nanao tsara  #IsmChubble

Nampian'i  [14]Denzel Chronixx Tidd :

Tena manao azafady amin'ireo mpitendry izay manohana ireo mpifaninana amin'ny ISM amin'ity taona ity aho… ‪#‎IsmChubble‬ [15]

Teo anelanelan'ny fampisehoana tsy nahafinaritra sy ny fandrakofana tsy nahafa-po, teny an-toerana nandritra ny tontolo andro [16] ireo mpisera amin'ny Twitter :

Mandeha ny fampitàna fa ny fanjelanjelatr'ireo kintana 5 avy amin'ny akanjon'i Akil no mahatonga ny fikorontanana amin'ny fangalàna ny sary sy ireo fandraisampeo teo akaiky, aza miala. #ISMChubble [17]

Nihevitra [19]ny mpisera iray amin'ny Facebook fa tsy dia tsara loatra ho entina manamarina ny fampiasàna ny taratasy famaohana ilay hetsika ( Hita tao amin'ilay fetibe fa nanipy taratasy famaohana mando teny amin'ny mpanakanto ny mpijery mba hanehoany ny tsy hafaliany tamin'ny zava-bitany teo) :

Fotoanan'ny taratasy famaohana azafady atombohy ny toraka  ‪#‎ismchubble [15]

Tsy afa-niala tamin'izany ihany koa ilay mpanjakavavin'ny Soca, Patrice Roberts, hany vehivavy tafakatra amin'ny famaranana. Nahasorena ny tamberina tamin'ny nihiràny ny  [20] ‘Money Done’ , raha tsy hiteny afa-tsy izay :

Naneho hevitra [21] ny mpisera amin'ny Facebook, Janine Charles-Farray :

Tsy azoko ny antony niheveran-dRtoa Roberts fa mifanentana amin'ny fihemorana ara-toekarena nambara vao haingana ity hira ity. Noho izany tsy mahatsiaro ho tompon'andraikitra amin'ny lafiny ara-bola. *snobface* Feo miraondraona tsy mazava toy ny any am-piangonana tamin'ny ‘REHETRA’ no natolony antsika. Eisy e! ry tadim-peo.  ‪#‎ISMChubble [15]‬ P.S. CNC3, mila averina afantoka ilay resadresaka tamin'ny fakàntsary, ny haavon'ny fampanjavozavoana!

Raha toa ka nihamarobe ny fanehoankevitra manakiana, ny mpisera amin'ny Twitter Sophie Wight kosa dia tena faly tamin'ilay mpanakanto vaovao, Voice (Aaron St Louis), izay tafita koa ho amin'ny famaranana :

M(n)ampihetsika ny vahoaka i Voice. Vitany ny nampihira azy ireo. Nanome ho an'ny mpakasary (cameraman) ny  voalohany indrindra amin'ny sary akaiky misy azy roa mpandresy

Nanana olana ara-pahasalamana ilay tranainy amin'ny filalaovana mozika Soca The Mighty Sparrow [23],  tsy afaka niaka-tsehatra tamin'ilay fampisehoana A1 ary nesoina tao amin'ny rindrin'ny [24] Facebook-n'i Nigel Tyrell P. Reid [24] saingy narovan'i Isoke Efia Edwards  i Sparrow :

‘Fandravàna ny trano izay tsy maintsy hitoeranareo anio alina ny fanesoana ny zokinareo.’ Tsara kokoa noho i Nigel. Iray amin'ireo Mpanjakantsika i Shadow… ny zokintsika mijanona ho Feon'Andriamanitra. Tsy ny zava-drehetra no nanato hihomehezana.

Noheverin'ny mpisera amin'ny Facebook, Abeo Jackson, fa tokony ho matotra kokoa no andraisana ny fifaninanana, ary nanome sosokevitra vitsivitsy [25] ho an'ny hoavy izy :

Ry ISM malala sy ireo fetibe Calypso sy fifaninanana Soca hafa rehetra :
Inty misy hevitra. Maimaimpoana. Hevero ho toy ny fanomezana.
Ny Fetibe rehetra misy fiakarana an-tsehatra dia tokony ho toerana fampiroboroboana ny mpanakanto sy ny talentany. Lazainareo fa tahaka izany ianareo, fa maneke, tsia, tsy izany ianareo.
Tokony ho nisy atrikasa nandritra ny taona nampian'ireo matihanina sy ireo mpampianatra momba io taranja io ireny fifaninanana lehibe ireny. Izany hoe.'Ndao atomboka amin'ny :

1. fanaovana atrikasa ho an'ny mpiantsehatra mba ahafantarana ny tena, ahafantarana ny sehatra, ny sakana fototra, ny famakafakàna ny toetra sy ny teny ho lazaina ( ny tononkiranareo no teninareo, ny teninareo no Baibolinareo), aseho amin'ny fomba fisehoana samy hafa.

2. Atrikasa ho an'ny dihy/fomba fihetsika, izany hoe ny fanatanjahantena fototra sy ny fanatsarana bika ary ny fivelaran'ny fahatsapantena, ny fikarakaràna ny vatana mba hanampy amin'ny fampitomboana ny faharetana sy ny fahalalàna ary fandresena ny fetran'ny herin'ny tena,

3. Atrikasan'ny fanamboarana ny fitafiana sy ny endrika ivelany,

4. Atrikasan'ny tantaran'ny fetibe sy ny fampisehoana.

Tokony hifandrimbonan'ireny fifaninananaireny sy ny ministera ireo atrikasa rehetra ireo. Amin'izay vao hisy dikany ny zavatra atao.

18 [26] fotsiny tamin'ireo mpanakanto 70 mpiangaly ny soca no tafakatra tamin'ny famaranana, [26] isan'izany i Olatunji [27], izay hiaro ny anaram-boninahitra azony tamin'ny Groovy Soca Monarch iraisam-pirenena tamin'ny 2015.

Angamba hizotra tsara tsy misy tomika ny zava-drehetra amin'ny volana ambony aorian'ny fiomanan'ny mpikarakara ho amin'ny fotoana manandanjan'ny fifaninanana, fa tsy resy lahatra amin'izany ny The New Renaissance Movement , hetsika  [28]ao amin'ny pejy [28]Facebook :

Velona soa aman-tsara ny soca, saingy maty ny soca monarch.  ‪#‎ismchubble‬