Porto Rico : Vehivavy Dominikàna Mampiaina Indray Ny Vohitr'i Santurce Ao San Juan

Salón de belleza en Santurce, barrio de San Juan, Puerto Rico.

Trano fikoloana bika ao Santurce, vohitra iray ao San Juan, Porto Rico.

Ara-tantara dia mifamatotra amin'ny vohitr'i Santurce ny vondrom-piarahamonina Dominikàna, iray amin'ireo vohitra isan'ny tena malaza indrindra ao San Juan, renivohitr'i  Porto Rico. Na dia zara raha misy mpahalala aza ny zavatra entin'ireo Dominikàna amin'ny fampivoarana an'i Porto Rico.

Hanoherana an'izany, Ernesto Beltrán, izay nanoratra tao amin'ny El Post Antillano, dia mampitaha ny vehivavy dominikàna amin'ireo mpisava làlana, niasa ho amin'ny fanarenana ny tanànan'i Santurce tao anatinà fotoana iray izay tsy nisy mihitsy zavatra nahaliana hanosika amin'ny fanavotana ity toerana ity:

Raharaham-barotra nahavita niatrika ny fahasamihafàna nisy sy natrehan'ny faritr'i Santurce ireo trano fikoloana bika. Asan'ireo vehivavy mponina tao ihany izy ireny. Ireny vehivavy dominikàna mpisava làlana ireny, mety tsy ho nieritreritra an'izany akory aza, dia nandray anjara tamin'ny fanavotana an'i Santurce. Ireo maherifon'i Santurce dia ireo vehivavy dominikàna nanokan-tena ho amin'ny fikarakarana volo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.