- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Deus Vadin'i Poutine Fahiny

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Image edited by Kevin Rothrock. Original photo by Jamie Sanford, July 15, 2006. CC 2.0. [1]

Sary nafangaron'i Kevin Rothrock. Sary niandohana, an'i Jamie Sanford, 15 Jolay 2006. CC 2.0.

Araka ny tranonkalam-baovao [2] Rosiana sy ireo biloagera marobe (isan'izany ireo mpikatroka manohitra ny kolikoly [3] mifandray amin'ilay mpitsongodian'ny RuNet malaza be Alexey Navalny), dia niverina nanambady i Lyudmila, vadin'i Vladimir Poutine fahiny. Tsy iza ilay tsara vintana nandrian'ny fony fa i Artur Ocheretnyi, 37 taona, zandriny roapolo taona ary zandrin'i Poutine ampahefatra taonjato iray. Mitantana trano fanontàna i Ocheretnyi sady filoha mitarika ny fikambanana antsoina hoe Ivontoerana Ho Fampivoarana ny Fifandraisan'ny Samy Olona.

Tsy hoe fotsiny ny rakitra an-tsoratra teo am-pela-tànany [4] no niaingàn'ireo bilaogera tamin'ny hoe niverina nanambady i Lyudmila (naka ny anaram-pianakavian'i Ocheretnyi), fa hitan'izy ireo ihany koa ny kaonty Facebook-ndramatoa [5], sy ny an'ilay vadiny vaovao.

Heveriko fa sarotra be ny hiheverana an'ity ho hosoka

Manana namana 168 [8] (izay samy afaka hitan'ny olona rehetra daholo) ny kaontin'i Lyudmila , isan'ireny i Ocheretnyi. Ao anatin'ireo namany ao amin'ny Facebook, tsy dia misy loatra endrika manintona ny maso amin'ny raharaham-pirenena. Tsy afaka atao intsony ny ‘manampy’ ny kaontiny, na dia amin'ny alàlan'ny ‘fangatahana hiditra ho namana’ aza, na aminà fisoratana. (Natao tsy ho azo ampiasaina ireny bokotra ireny.) Ny kaonty lazaina fa an'i Ocheretnyi dia mizara namana marobe iraisana .

[9]

Sary : Ludmila Putina / Facebook

Misy marika maro manondro ny maha-tena izy ilay kaonty. Tsy vao haingana no noforonina ilay kaontin'i Lyudmila. Efatra taona lasa izay no nakarina ny sary voalohany tao, tamin'ny 2012. Nandritry ny taona maro, nanome ireo zavatra andrasan'ny ankamaroan'ny mpampiasa Facebook fa tokony hatolotry ny raiamandreny lehibe iray ilay kaonty : lahatsarinà saka, tanisa manainga fanahy sy vavaka, lisitra kely madinidinika sy ankamantatra. Tamin'ny Oktobra 2015, nilaza ho taitra i Lyudmila rehefa nahazo ‘tia’ niisa 47 ny sary mombamomba azy. “Tsy azoko mihitsy hoe ahoana aho no tafakatra tampoka teo ery antampony ery sy nahazo domberina miabo betsaka tahaka izao. Sady tsy mampahazo aina na izany aza,” hoy izy nanoratra [9] tamin'izany fotoana izany.

Tamin'ny faran'ny May 2015, nanoratra [10]  i Lyudmila hideràny boky iray mitondra ny lohateny hoe “Ny Abidin'ny Fihetsehampo,” natontan'ny vondron'i Ocheretnyi, ny Ivontoerana Ho Fampivoarana ny Fifandraisan'ny Samy Olona. (ilay boky— izay miresaka ny psikolojian'ny ankizy—dia nivoaka voalohany tamin'ny 2009, saingy tamin'ny taona lasa ny trano fanontàn'i Ocheretnyi no namerina namoaka azy [11] tanaty andiany vaovao.) Ilay kaonty Facebook inoana ho an'i Ocheretnyi dia nanoratra fanehoankevitra roa tao amin'io sata nalefany io, nampanantena fa “mbola hisy tetikasa betsaka tsy ampoizina ho avy.”

Na iza na iza mitantana ilay kaonty Facebook, tsy dia niraika loatra tamin'ny resaka politika i “Lyudmila Putina”. Ny iray tamin'ireo sata vao haingana mba niaty resaka politika izao dia zavatra iray nakarina tao amin'ny Youtube tamin'y 21 Novambra 2015, rehefa nizara [12] lahatsary iray ilay kaonty, nampiseho miaramila Rosiana manoratra eo ambony baomba hamelezana lasibatra any Siria, ireto soratra ireto “Ho an'ireo bandikelinay ary ho an'i Parisy!”

Ho an'ny maro, mety tsy hanaiky ny rohy iray nozarainy [13] tamin'ny 7 Novambra 2015 ny sasany amin'ireo Rosiana mpifikitra amin'ny nentindrazana : “Folo amin'ireo Hevitr'i Stephen Fry Momba ny Fitiavana, Rarintsaina, ary ny Dikan'ny Fiainana.” (Fry dia mpanohana mavitrika ny zon'ireo LGBT ary fahiny dia feo mpanakiana ny lalàna Rosiana manao ny fampielezankevitry ny pelaka ho tsy ara-dalàna.)

Raha misy mpanao gazety ao Maosko manapaka hevitra ny hanontany ny ao Kremlin momba ny fiverenan'i Lyudmila manambady indray, tsy hahita valiny — ankoatry ny hoe tsy hahazo fanamafisana. Hatramin'ny andro voalohany nandraisany fitondrana dia niaro fatratra ny fiainana manokan'ny fianakaviany i Vladimir Poutine. Ny Janoary 2015, ny masoivohom-baovao Reuters nilaza fa nahita porofo ny maha-zanaka faravavin'i Poutine an'i Katerina Tikhonova, ilay mpitantana orinasa fanorenan-trano. Tao aminà tafa ho an'ny mpanao gazety, 11 volana taty aoriana, hentitra i Poutine nanambara [14] hoe Tsy niresaka velively momba ny fianakaviako aho, ary tsy ankehitriny aho no ndeha hanao izany.”