Nahoana Ny Olona Ety Anaty Aterineto No Miantso An'i John Kerry Ho “Jiolahimboto” ?

US Secretary of State John Kerry Photoshopped as Hizbullah leader Hassan Nasrulla

Ny sekreteram-panjakana Amerikana, John Kerry, nampiasàna  Photoshop ho lasa toa an'i Hassan Nasrallah mpitarika ny Hezbollah

Niharan'ny kiana ety anaty aterineto i John Kerry, sekreteram-panjakana Amerikana, taorian'ny nilazàny fa Etazonia sy ireo mpiaradia aminy tsy “mikatsaka fiovam-pitondràna” ao Siria izany.

Al Shabeeh Kerry, na #KerryTheThug na #KerryJiolahimboto, no nialoha làlana ny kaonferansa Zeneva III natao ny 29 Janoary teo, izay nandrandraina hanavao ny resaka momba ny fandriampahalemana eo amin'ny fitondràna Siriana sy ireo vondrona mpanohitra samihafa. Ora vitsy taorian'ny nanombohan'ilay kaonferansa no nalefa ilay tenifototra, ary nampahatsiahy an'i Kerry ny fanambaràna nataony tany ampiandohan'ny Desambra, fony izy nilaza fa “Tsy mikatsaka ny lazaina fa fiovàm-pitondràna ao Siria izany i Etazonia sy ireo mpiaradia aminy”. Heverin'ireo mpandalina ho mety fiovàn'ny toerana noraisin'ny fitantànana amerikàna tany ampiandohana ilay fanambaràna, izay nangataka ny filoha Siriana Bashar Al Assad hiàla. Raha ny marina, ny filoha amerikàna mihitsy no nanao fanambaràna mifanohitra tany amin'ny fiafaràn'ilay kaonferansa famaranan-taona natao ho an'ny mpanao gazety, andro vitsy taorian'ireo fanambaràn'i Kerry, izay nilazàny hoe :

Heveriko fa tsy maintsy ho tonga amin'ny fametrahana fialàna i Assad mba hanakànana ny rà tsy handriaka ao amin'ny firenena ary mba hahafahan'ireo rehetra mpisehatra hiroso kokoa hankany amin'ny fomba tsy miandàny.

Fifanoherana? Fanjavozavoana iniana, sa politika fotsiny? Tsy mazava raha toa ny fitantànana amerikàna ka nanova ny fijeriny ofisialy na raha toa fotsiny mamilivily ao anatin'izay efa voaporofo fa fifampiraharahàna sarobahàna ary iarahan'ny maro.  Ho an'ny mpisera marobe, toa mibaribary io fa mora amin'ny fitantànana ao Etazonia ny manao tsindry amin'ny mpanohitra noho ny amin'ny fitondràn'i Assad, izay sady tohanan'i Iràna no tohanan'i Rosia.

Ireo Siriana sy Arabo mpampiasa Twitter dia samy naneho fisalasalàna tamin'ny alàlan'ny sary mahatsikaiky sy tenifototra, toy ny hoe #KerryTheThug, nampitahàna an'i Kerry amin'ireo jiolajilmboto sy tsy mpivadi-belirano amin'ny fitondràna Siriana, fantatra amin'ny fiten-jatovo Siriana hoe Shabeeha. Ny hafa indray nilalao Photoshop namadika an'i Kerry ho Hassan Nasrallah, mpitarika ilay vondrona milisy Libaney Hezbollah, izay manana andiany eny an-kianja ao Siria manohana ny hetsika ataon'ny tafika Siriana.

Ao amin'ny Twitter, Jasem AlObed, mizara ity sary mahatsikaiky ity :

A meme shared by Jasem AlObed on Twitter describing Kerry as a thug

Sary mahatsikaiky nozarain'i Jasem AlObed ao amin'ny Twitter namaritra an'i Kerry ho jiolahimboto

#Kerry_Jiolahimboto
Sary mahatsikaiky mivaky hoe: sary tsy fahita firy ahitàna an'i Kerry jiolahimboto miaraka amin'ireo jiolahimboto sisa tavela amin-dry Bassar (filoha Bashar Assad).
Eo amin'ny sandrin'i John Kerry : na Al Assad, na arehitray ny firenena.

Ary Mahmood avy any Siria mizara ity saripikan'i Al Assad ity, notolorana ny mariboninahitry ny maherifon'i Obama:

Obama manome voninahitra an'i Assad ao anatin'ity sary namboarina tamin'ny Photoshop ity, izay zaraina ety anaty aterineto

Mibitsika izy :

Hotafita ity revôlisiôna ity na eo aza ny ezaka rehetra ataonareo, ary noho ny sitrapon'i Allah

Andro vitsy nialoha ilay kaonferansa, nambaran'ireo tatitra tanaty fampahalalana vaovao fa nanao tsindry tamin'ny mpanohitra i Kerry mba hiditra tsy misy fepetra amin'ireo fifampidinihana. Tany amboalohany ny mpanohitra, eo ambany fiahian'ilay Kaomity Ambony Miadidy ny Fifampidinihana, izay ahitàna ny sasany amin'ireo hery politika sy miaramila, dia nametraka mazava fa ho avy hiatrika ny fifampidinihana ry zareo raha toa ny mpisehatra rehetra manaiky fampitsaharana poabasy. Ny fepetra sasany napetrany mialoha, dia tonga hatramin'ny famelàna ny fanampiana ho any amin'ireo faritra tratry ny fahirano.

Omar Madaniah maneho hevitra hoe :

Norahonan'i Kerry hotapahana ny fanampiana ny mpanohitra mitam-piadiana raha toa ry zareo tsy milefitra amin'io fepetra tsy ara-drariny io .. izany ilay atao hoe #Kerry_Jiolahimboto

Ary ampian'i Dr Ahmed Muaffaq hoe :

Mahazatra anay ny mandre ireo jiolahimboton'i Assad mikiaka amin'ireo gadra politika hoe “te-hanana fahalalahana ianareo?” Ankehitriny toa tsapa ho ireo jiolahimboto rehetra mpitarika iraisampirenena no mihiaka ety amin'ny tavanay hoe ‘te-hanana fahalalàna ianareo? #Kerry_Jiolahimboto #Hama_Tsy_Hanadino_Velively_Zahay

Tenifototra hafa ampiasain'ny olona ny  #UNAssadAlly na hoe Mpiaradia amin'i Assad ny Firenena Mikambana, mba hanakianana ny Firenena Mikambana amin'ny tsy fahampian'ny hetsika mavitrika ataony manoloana ireo zavadoza manjo ny maha-olombelona ao Siria. Ny tsy nahavitan'ilay fikambanana nitàna ny toerana tsy mitanila tamin'ireo dingana politika, na hitazona ireo mpisehatra tafiditra amin'io ho tomponandraikitra, no niteraka kiana tety anaty aterineto sy teny an-kianja avy amin'ireo Siriana mpikatroky ny fiarahamonim-pirenena sivily, izay nampitovy ny andraikitry ny Firenena Mikambana tamin'ny fanampiana mahomby ho an'ny fitondràn'i Assad. Ny iraka manokan'ny Firenena Mikambana ao Siria, Staffan de Mistura, nanambàra fa hatsahatra ireo fifampidinihana hatramin'ny andro faran'ity volana ity. Ireo hery mpanohitra nanakiana ny tsy fahafahan'ny Firenena Mikambana nitàna andraikitra tsy miandany sy mavitrika mba farafaharatsiny hanakànana ny daroka baomba, amin'ny fampiharana ny fanambaràna faha-2254 ao aminy, izay miantso  ny mpifanandrina rehetra hampitsahatra ny fanafihana atao amin'ny olontsotra.

Ity mpampiasa Twitter ity dia mizara sarimiaina mba hampitàny ny fijeriny :

Ny Firenena Mikambana: Tsy hitanay ny fisian'ny milisy ao #Siria na ady an-trano any #UnAssadAlly

@q7atah manontany tena ny amin'izay mbola andrasan'izao tontolo izao :

Rava i Siria, vonoina sy afindra toerana ny vahoaka, atao matin'ny hanoanana ireo vehivavy, ankizy ary zokiolona ao aminy. Ka mbola inona izany no andrasanareo? #UnAssadAlly

Ahmed Abazeid manazava :

Taorian'ny fivoaran-draharaha farany tao Aleppo, natao hialoha làlana ny fisintahan'ny Delegasionan'ny Kaomisera Ambony amin'ilay fifampidinihana ilay filazàna nataon'ny De Mistura hampiato ny  #Geneva3. Tsy misy fetra ny hakanosàn'i De Mistura sy  ny Firenena Mikambana

Ziad Ababneh manampy hoe :

Lazain-dry zareo fa manatsiny an'i #Rosia i #Etazonia tamin'ny nanemorana ny  #Geneva3 noho ny firongatry ny hetsika ara-tafika eny an-kianja. Fanontaniana: Oviana tato anatin'ny taona dimy farany no mba nilamina ny raharaha teny an-kianja ao Siria?

Ary i “Don't Be Like Bashar” mizara ity sary mahatsikaiky ity :

#Geneva_Oath (Voadin'i Zeneva) #De_Mistura #Geneva3
Sary mahatsikaiky mivaky hoe: Mianiana amin'Andriamnitra Mahefa Ny Zavatra Rehetra aho fa tsy hivadi-belirano amin'ny fitondràn'i Al Assad regime, hanohana ny tombontsoan'ny Rosiana sy ny Iraniàna ary hiantoka ny fanarahana an'i Assad sy ireo andrin'ny fitondràny, ary koa hitolona ho fanatontosàna ireo tanjon'ny kaonferansan'i Zeneva ho fanaparitahana ireo Siriana mpanohitra sy hamotika ny fanantenan'ny vahoaka Siriana hanana fahalalahana, ary ny fanavotana avy amin'ny fitondràna.

Azo jerena ato ireo dikanteny mismisy kokoa avy amin'ireo bitsik'i Meedan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.