- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Rehefa Vazivazy Ny Fifidianana, Dia Mivazivazy Momba Ny Fifidianana Ny Olona

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Albania, Alemaina, Bolgaria, Bosnia Herzegovina, Kosovo, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Serbia, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika
"Pecko" caricature by Darko Markovic for Citizens for European Macedonia. Used with permission. [1]

Sariitatra “Pecko” nataon'i Darko Markovic ho an'ny Olompirenena Mankasitraka Ny Makedonia Eoropeana [2]. fampiasàna nahazoana alàlana.

Zavatra mahazatra hita ao anatin'ny fomba amam-panao Balkana ny vazivazy momba ny fifidianana sy ny hosoka mandritry ny fifidianana, taratry ny ahiahin'ny olompirenena manerana ny faritra. Tena olana be mihitsy ny momba ireo vatam-pifidianana tsy ara-dalàna ao anatin'ireo demaokrasia tanoran'i Montenegro, Makedonia ary Serbia, ary araka ilay fomba fiteniny hoe, ‘Raha tsy nihomehy aho, dia nitomany.’

Miparitaka ety anaty media sosialy sy eny anivon'ireo mpinamana ny ankamaroan'ireny vazivazy marikivy ireny. Matetika ireo tranonkala fanaovana dokambarotra izay miankina fotsiny amin'ny fakàna tàhaka no mampiditra azy ireny koa ho anatin'ireo fanambatambàrana goavana.

Ndeha hojerentsika ny vitsivitsy amin'ireny vazivazy avy ao amin'ny faritra ireny.

‘Miandry fotsiny ny raiko ho tonga sy hifidy aho’

Ity vazivazy manaraka avy any Montenegro [3] ity dia manondro ny fomba fanao miely patrana amin'ny tsy fanesorana ny mpifidy maty tsy ho ao anaty lisitry ny mpifidy [4]:

Došao Crnogorac na biračko mjesto kako bi glasao.
Nakon završenog glasanja, zatraži od ljudi iz komisije da mu daju stolicu da sjedne.
– Izvolite stolicu, je li Vam dobro, gospodine?
– Ma dobro mi je, samo ću da sačekam oca da dođe na glasanje.
– Pa doći će Vam otac kući poslije glasanja?
– On ne dolazi kući, evo ima već 10 godina jer je umro, ali redovno izlazi na izbore pa rekoh da ga vidim…

Mandeha ho any amin'ny birao fandatsahambato ity lehilahy Montenegràna iray .
Rehefa avy nifidy, nangatahany ny kaomity misahana ny fifidianana mba hanome seza hipetrahany.
– Ity ny sezanao, ramose. Tsy metimety angaha ianao?
– OK tsara aho ka, miandry fotsiny ny raiko ho tonga sy hifidy aho.
– Hay, tsy hody ihany ve ny rainao rehefa avy mifidy?
– Tsia, tsy hody izy. Efa 10 taona mahery izay no nahafatesany, saingy mifidy tsy tapaka izy isaky ny misy fifidianana, ka noho izany, mba hiezaka ny hahita azy aho…

Raha “nasiana marika” ho avy any Montenegro ity dika miavaka ity, misy kosa karazany azo jerena momba ireo firenena hafa.  Lahatsoratra iray tamin'ny 1998 [5] nosoratan'ny Britanika iray mpanoratra no manamarika dika hafa manondro fampielezankevitra iray tamin'ny 1948 tany Etazonia.

‘Ka tsy manan-janaka izahay eto an-tanàna e !’

Hita manerana ireo sehatra fanehoankevitra sy ny media sosialy manerana ny faritra ny karazany samihafa amin'ity vazivazy manaraka ity. Ireny dika manokana ireny dia avy aminà fantina iray ahitàna ireo vazivazy momba ny fifidianana [6] avy amin'ny tranonkala Serbiàna natao hialàna voly :

Kandidat za gradonačelnika u nekom selu drži govor, pa kaže:
– Do vašeg sela ćemo napraviti asfaltirani put! Napravit ćemo i vodovod! Izgradit ćemo i školu!
Netko iz mase:
– Ali u selu nema dece!
– I decu ćemo vam napraviti!

Mikabary ny mpifaninana iray, tao aminà tanàna kely iray:
– Ho rakofanay tàra ny arabe rehetra eto amin'ny tanànanareo! Hanao lakandrano izahay ary hampidiranay rano any an-tranonanareo. Hanangananay sekoly ianareo!
Mihiaka ny olompirenena iray avy ao anaty vahoaka ao :
– Ka tsy manan-janaka izahay eto an-tanàna e!
– Ho anamboaranay zaza vitsivitsy koa ianareo!

Akaninjaza sy fonja

Toy ireo vazivazy maro hafa ihany, nahasarika ny maro erantany ihany koa ity manaraka ity, na dia natao ho anà firenena iray manokana aza :

Dođe premijer Srbije u posetu vrtiću. Gleda malo decu kako se igraju i kaže svom ministru finansija:
– Daj piši ček na 5.000 eura za poboljšanje životnih standarda u vrtićima!
I ovaj napiše ček, i idu dalje te dođu u zatvor. I gleda malo zatvorenike kako robuju i kaže:
– Daj piši ček na 500.000 eura za poboljšanje životnih uslova u zatvoru!
– Pa kako za decu 5.000, a za ove zločince i razbojnike 500.000? – kaže ministar finansija.
A, premijer će njemu: – A šta ti, misliš da ćeš ići u vrtić posle sledećih izbora?

Mitsidika akaninjaza ny praiministra Serbiàna. Eo am-pijerena ireo ankizy nilalao, miteny amin'ny ministry ny fitantanambola izy :
– Manokàna 5.000 euros amin'ny tetibola hanatsaràna ny fepetra iainana ety anaty akaninjaza!
Manaiky ilay minisitry ny fitantanambola. Avy eo izy roalahy mitsidika fonja. Taorian'ny nijereny elaela ireo mpifonja, miteny ny praiminisitra :
– Manokàna 500.000 euros amin'ny tetibola hanatsaràna ny fepetra iainana ety am-ponja!
– Nahoana no 5.000 ho an'ny ankizy, ary 500.000 ho an'ny mpandroba sy mpanao heloka bevava? – hoy ny fanontanian'ilay minisitry ny fitantanambola.
Mamaly ny praiminisitra :
– Heverinao ve fa aorian'ny fifidianana manaraka, any amin'ny akaninjaza no handefasana antsika?

98% mifanandrina amin'ny 2%

Ny fampiasàna miparitaka be ny vokatr'ireo fitsapankevitra mampiahiahy ho fitaovana fampielezankevitra no anton-dresaka ato anatin'ity vazivazy nangonin'ny [7]Serbiana iray bilaogera ity.

Političar se obratio agenciji za ispitivanje javnog mišljenja:
– Imam osećaj da bi 98% građana ove zemlje glasalo za mene. Da li bi mogli to proveriti?
Dva meseca kasnije dobio je izveštaj:
– Gospodine, anketirali smo 10.000 ljudi i svi pripadaju onom malom postotku od 2% građana koji su protiv vas.

Mangataka amin'ny masoivoho iray mpanao fitsapankevitra ny politisiana iray mba hanao fanadihadiana ho azy :
– Tsapako fa 98% amin'ny olompirenena eto aminìity firenena ity no mety hifidy ahy. Mba azonareo hamarinina ve izany?
Roa volana taty aoriana, azony ny tatitra:
– Ramose, 10.000 ireo olona nanaovanay fanadihadiana ary izy rehetra ireo dia samy ao anatin'ilay 2% kely amin'ireo olompirenena manohitra anao avokoa.

‘Ry zanakolahy, ampio aho azafady, adinoko ny solomasoko’

Tamin'ny 2011, nanontanian'ny gazety mpiseho isanandro “Nova Makedonija” ireo Makedoniana mpanao politika [8] mba hilaza izay vazivazy tena ankafiziny. Ilay mpikambana avy amin'ny Parlemantera mpanohitra, Vesna Bendevska, nandray anjara tamin'ity manaraka ity:

Бабичка оди на гласање.
– Синко, помогни ми, те молам, ги заборавив очилата.
– Нема проблем, госпоѓо – вели еден новопечен административец и го заокружува лавчето на листот.
– Може ли да знам за кого гласав, синко?
– Не може, госпоѓо, изборите се тајни!

Mandeha mifidy ny bebe iray :
– Ry zanakolahy, ampio aho azafady, adinoko ny solomasoko.
– Tsy olana, madama – hoy ilay mpiasam-panjakana vao nandray ny asany avy amin'ny kaomity misahana ny fifidianana, sady nasiany boribory ny vatom-pifidianana mifanandrify amin'ny an'ny mpifaninana an'ny antoko eo amin'ny fitondràna.
– Azonao lazaina ve hoe iza no nofidiako teo, ry zanakolahy?
– Tsy azoko atao izany, madama, fanitsakitsahana ny maha-tsiambaratelo ny fifidianana izany.

‘Merkel miantso an-telefaona an'i Gruevski …’

Ity vazivazy [9] manaraka ity dia azo adika ho fanesoana ilay lazaina ho fanohanana azon'ireo antokon'ny elatra havanana ao Balkàna avy amin'ireo “antoko rahavaviny” ao anatin'ny Antokom-bahoaka Eoropeana [10], antoko politika iray ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana. “Fanaporofoana” amin'ny mpifidy fa mazàna ny fisian'ny fanohanan'ny “vahiny” azon'ny mpirotsaka iray dia fanalahidy hakàna ny vaton'ireo mpifidy mbola misalasala. Ao anatinà kisary irain'ny fifanoloan-toerana, Nikola Gruevski, mpitarika ny antoko eo amin'ny fitondràna, VMRO-DPMNE [11] avy ao Macedonia, manampy an'i Angela Merkel, ‘chancelière’ Alemàna ary mpitarika ny Antoko Demaokraty Kristianina [12] avy ao Alemàna.

i Mile ilay mpilalao ao anatin'ny vazivazy dia manondro an'i Mile Janakieski, minisitra fahiny tao amin'ny governemanta [13] ary tanànkavanan'i Gruevski, izay anaovana fanadihadiana ankehitriny [14] amin'ny maha-olona ahiahiana voalohany azy taminà raharaha tsikombakomba bevava hanaovana hosoka tamin'ny fifidianana.

Му ѕвони Ангела Меркел на Груевски:
– Никола, пријателе, ми треба помош од тебе. Во Германија ќе има избори и многу ми е тешко.
– Ангела, ако помогнеш да влеземе во ЕУ, нема проблем. Што да направам за тебе?
– Никола, ако можеш, испрати ми некој искусен стратег да ми помага!
– Нема проблем, Ангела, ќе ти го испратам Миле.
Поминале изборите и Груевски и ѕвони н Меркел:
– Ангела, што бидна, победивте ли?
– Не, завршивме на второ место и ги изгубивме изборите.
– Како така, а кој победи тогаш?
– ВМРО…

Merkel miantso an-telefaona an'i Gruevski :
– Nikola, ry namako, mila ny fanampianao aho. Manao fifidianana izahay aty Alemàna ary dia mandalo fotoan-tsarotra ny mety handreseko.
– Angela, raha manampy anay ho tafiditra ao anatin'ny Fiombonambe Eoropeana ianao, tsy olana. Inona no azoko atao ho anao?
– Hayy, toa maharesy amin'ny fotoana rehetra mantsy ianao. Raha azonao atao, mba andefaso mpahay tetikady maromaro ampy traikefa tsara hanampy ahy!
– Tsy olana izany, Angela, alefako i Mile.
Taorian'ny fifidianana, Gruevski miantso an-telefaona an'i Merkel :
– Angela, nanao ahoana izy tao, naninona ianao no dia tsy niantso nisaotra ahy akory?
– Ka tsy nandresy izahay kooo, ny laharana faharoa no azonay.
– Fa ahoana, iza izany no nandresy ?
– ny VMRO…

"Forward to Europe!" A "Pecko" caricature by Darko Markovic, made for Citizens for European Macedonia. Used with permission. [1]

“Roso izao ho any Europe!”, sariitatra “Pecko” iray an'i Darko Markovic, natao ho an'ny Olompirenena Mankasitraka Ny Makedonia Eoropeana [2]. Fampiasàna nahazoana alàlana.