Hihaona Any Portiogaly Hifanakalo Hevitra Momba Ny Media Azo Atao Safidy ireo Fikambanan'ny Media Iberiana

An-dàlana ny fikarakarana Fihaonana momba ny Vaovao azo atao safidy hatao ao Coimbra, Portiogaly, hampivondrona miaraka mandritry ny roa andro ireo tetikasanà media isankarazany avy any amin'ny Saikinosy Iberiana, hifanakalozan'ireo fikambanana sy hifampizaràny ny fomba fanao manodidina ny fampahalalana vaovao.

The Alternative Information Meet-up will take place in Coimbra on February 25-26, 2016. #InfoAltCoimbra

Hatao ao Coimbra ny 25-26 Febroary 2016 ny Fihaonana momba ny Vaovao azo atao safidy. #InfoAltCoimbra

Manomboka ny 25 Febroary 2015 ny fihaonana, izay hisy fihaonana an-databatra hanasongadinana ireo mpikambana avy amin'ireo tetikasanà media azo atao fanolo  avy any Portogaly (Indymedia.pt, Jornal Mapa, Portal Anarquista sy Guilhotina.info) ary Espaina (Periódico Diagonal sy Radio Vallekas avy ao Madrid, ary ny gazety Katalàna La Directa).

Ny andro manaraka io, atrikasa atolotry ny iray amin'ireo tetikasa nitsidika — Radio Vallekas, “Madrid ira mpifanolobodirindrina mitolona” — hiresahana momba ny fampielezampeo FM sy ety anaty aterineto, ny fomba hananganana fandaharana ary ny lanjan'ny fifandraisana amin'ny vondrom-piarahamonina sy ny hetsika sosialy.

Ny Rede de Informação Alternativa avy any Portiogaly, tambajotran'ireo famoaham-baovao azo atao safidy, izay vao haingana no napetraky ny vondrona iray manohitra ny tsy refesi-mandidy, fikambanana manohitra ny kapitalista, izay “mahatsapa fa ilaina ny mampiroborobo ny adihevitra mivelatra momba ny toerana misy ny media” no nikarakara ny fihaonana:

Num mundo onde grande parte do fluxo de informação é dominado por uma televisão e uma imprensa nas mãos de grandes conglomerados de media, é urgente encontrar outras formas de comunicar e de fazer e transmitir informação. Sentimos a necessidade de desconstruir os discursos hegemónicos através de projectos de comunicação horizontais e independentes, comprometidos com as comunidades e as ruas, bem como com as lutas e os processos que aí se desenvolvem. Na mesma medida, concebemos projectos de informação que não estejam comprometidos com o discurso das grandes empresas, nem dos grandes grupos económicos, nem dos partidos políticos.

Ao anaty tontolo iray izay anaovan'ny TV ampihimamba ny vaovao betsaka mivezivezy sy itazonan'ireo voaiben'ny fampahalalam-baovao amin'ny tànany mahery ny asa fanaovana gazety, tena maika ny hiadiavantsika làlana hifandraisana sy hamokarana ary hampitàna ny torohay/vaovao. Tsapanay ny filàna fandravàna ireo kabary fibodoana tanteraka amin'ny alàlan'ireo tetikasanà media marindrano sy tsy miankina, mirotsaka eny anivon'ny vondrom-piarahamonina sy ny arabe, hatramin'ireo tolona sy dingana izay novokarina avy ao anatiny. Anatin'izany fepetra izany ihany, mamorona izahay tetikasa fampahalalana vaovao izay tsy miditra amin'ny kabarin'ireo orinasa goavana, na ireo vondrona antoko politika na toekarena goavana.

Ao Ateneu de Coimbra no hatny fihaonana. Misokatra sy malalaka ny hetsika fandraisana anjara atao amin'ny fiteny Portiogey, Espaniola — ho an'ireo izay tsy afaka ny hanatrika izany mivantana, mety hisy ny fampitàna mivantana ho atao. Tsidiho ny pejy Facebook-n'ny hetsika ary ny tenifototra #InfoaltCoimbra ao amin'ny Twitter hanarahanao ny fanavaozana ny vaovao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.