Mpanao Gazety Notoriana Ho Manendrikendrika Ny Praiminisitra Ao Timor Leste Ho Manao Kolikoly

Timorese journalist Raimundo Oki. Photo: AJTL/Facebook

Ny mpanao gazety Timorey Raimundo Oki. Saripika: AJTL/Facebook

Nitory mpanao gazety iray ho manao fanalam-baraka ny praiminisitr'i Timor Leste, tamin'ny volana lasa teo no nahafantaran'ilay mpanao gazety ny fitoriana azy.

Tamin'ny 10 Novambra 2015 ny mpanao gazety zokiolona Raimundo Oki no nanoratra hoan'ny gazety Timor Post fa ny Praiminisitra Rui de Araujo no “nandrisika ny fahazoana tetikasa iray ividianana sy ametrahana fampitaovana ara-tsolosaina maromaro ho an'ny trano vaovaon'ny minisiteran'ny tetibola tamin'ny 2014,″ araka ny nolazain'ny Southeast Asian Press Alliance. Tamin'izany fotoana izany i Araujo dia mpanolo-tsainan'ny Minisitry ny tetibola.

Nitatitra ny SEAPA fa efa namoaka ny valintenin'i Araujo tamin'izany filazana izany teo amin'ny fonon'ny gazety izy fito andro taty aoriana, araka ny zo hamaly iantohan'ny andininy faha-34 amin'ny Lalànan'ny Fanaovan-gazety, nolaniana tamin'ny 2014.

Na dia teo aza izany dia mbola nametraka fitoriana an'i Oki ihany ny praiminisitra. Raha meloka i Oki dia mety higadra hatramin'ny telo taona any am-ponja noho ny fanalam-baraka sy fanendrikendrehana voalazan'ny Andininy faha-285 (1) amin'ny Fehezan-dalàna Ady Heloka Bevava ao Timor Leste.

Nandrisika ny mpitarika hanaja ny asan'ny sehatry ny fampitam-baovao i Felipe Belo, filohan'ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Timor Leste (AJTL) :

The Prime Minister should lead by example on how to respect the country's Press Law by recognizing that such reporting is part of the work of journalists.

If Oki made an error in reporting, it should be dealt with under the Press Law…The lawsuit is an act of criminalization of the work of journalists.

Tokony hanao ohatra amin'ny fanajana ny lalànan'ny fanaovan-gazety amin'ny fankatoavana fa anisan'ny asan'ny mpanao gazety ny fitateram-baovao tahaka izany ny Praiminisitra.

Raha nanao fahadisoana tamin'ny fitateram-baovao i Oki dia tokony ny lalànan'ny fanaovan-gazety no ampiharina aminy… Fametrahana ho heloka bevava ny asan'ny mpanao gazety ny fanaovana fitoriana eny amin'ny fitsarana.

Tsy sambany no nisy fitoriana mpanao gazety tany amin'ny fitsarana tao Timor noho ny famoahana filazana fisian-kolikoly. Notandindonin'ny fanagadrana i Oki sy ny mpanao gazety iray hafa tamin'ny 2013 raha nanoratra fisian-kolikoly tao amin'ny rafi-pitsarana. Notsipahan'ny fitsarana ny fiampangana ireo mpanao gazety roa ireo.

Tamin'ny maha-mpanao gazety an'i Oki no nanatrehany ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana Fahatsiarovana an'i Reham Al-Farra tao amin'ny Foiben'ny Firenena Mikambana tao New York tamin'ny volana Septambra lasa teo, namita ny programa niaraka tamin'ny mpanao gazety namana avy amin'ny firenena 15 hafa izy. Ao amin'ity lahatsary ity i Oki dia nanaovana antsafa momba ny anjara toeran'ny Global Goals [Tanjona Ankapobeny] nankatoavin'ny Firenena Mikambana amin'ny fampiroboroboana ny fanambinana ao Timor Leste:

Niezaka ny Global Voices hifampiresaka amin'i Oki sy ny biraon'ny praiminisitra hahazoana fanampim-baovao bebe kokoa momba ity raharaha ity saingy tsy nahazo valiny. Tamin'ny 9 Febroary i Oki dia namoaka ity sary sy soratra momba ny fanaovan-gazety ity tao amin'ny pejy Facebook-ny :

journalism

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.