Ity lahatsoratra ity dia nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'i Juan Arellano “Globalizado.”
Ao amin'ny foibe ara-tantaran'i Lima, efa ho roapolo taona no niasa tao anatin'ny fandrahonana fandroahana ireo mpivaro-boky ao amin'ny lalana “Boulevard de la Cultura Quilca”. Ny marainan'ny 14 Janoary, nanjary mihoatra noho ny fandrahonana tsotra fotsiny izany, raha tonga maro dia maro handroaka ireo mpivaro-boky miisa 60 eo ho eo ny polisy, nanohitra izany ny mpivaroboky sasany fa tsy nisy ny korontana.
Talohan'ny namindran'ny mpampihatra lalàna azy ireo, nibodo ny toerana ireo mpivaro-boky nanomboka ny taona 1997, raha nafindran'ny Kaominina Lima niala tao an-tanàna ho ao amin'io faritra io izy ireo (toerana fijanonan'ny fiara taloha izay an'ny Arsidiosezin'ny tanàna). Tamin'ny 2008, nanapa-kevitra tsy hanavao ny fifanarahany amin'ireo mpivaro-boky ny Arsidiosezy fa nanomboka dingana ara-pitsarana handroaka azy ireo.
Na dia teo aza ireo fifampiraharahana marobe momba ny Boulevard de la Cultura Quilca, tsy nisy ny fifanarahana nivoaka tamin'izany.
@sociedad_ECpe @Latina_pe @noticiAmerica Desalojan a libreros del jirones Quilca 265. La Policía custodia el local. pic.twitter.com/7FvsWjNH60
— ARTURO ANDRES (@arturo83_) January 14, 2016
Fandroahana mpivaro-boky ao amin'ny lalana Quilca 265. Miambina ny faritra ny polisy.
Y así terminó Quilca y sus libreros. Se cerró la puerta del Bulevar, no se permite ya el ingreso. Termino todo. pic.twitter.com/yYsyT9JsMF
— VeJota (@otros_dias) January 14, 2016
Ary tahaka izao no niafaran'i Quilca sy ireo mpivaro-bokiny. Mikatona ny varavaran'i Bolivar, tsy mahazo idirana intsony. Tapitra tanteraka.
Por orden del arzobispado desalojaron a libreros de Quilca. Una pena. Ojalá no suceda lo mismo con Amazonas.
— cecilia niezen (@cniezen) January 14, 2016
Noho ny baikon'ny arsidiosezy, noroahana ireo mpivaroboky ao Quilca. Mahamenatra. Antenaina fa tsy hitranga ao amin'ny lalana Amazonas izao.
Na dia tsy toerana tokana natokana ivarotana boky ao amin'ny faritra aza ny lalana Quilca (misy fivarotam-boky maro hafa isan-karazany azo isafidianana sy fivarotana tahaka izany manodidina azy, ao amin'ny lalana Camaná), azo antoka fa hampihena betsaka ny fifantenana boky azo vidiana misy ao afovoan'i Lima ny fanakatonana ny Quilca.
Nanazava tao amin'ny vohikalam-baovao La Mula i Paulo César fa tsy tahaka ny “fivarotam-boky mahazatra[…] izay manaraka ny fironan'ny tsena famoaham-boky,” ny ao amin'ny lalana Quilca dia mora ahitana boky taloha efa tsy fahita intsony. Nilaza koa izy fa hafa mihitsy ny fahavitrihan'ny fivarotana :
Como aficionado a la lectura puedo decir que en Quilca uno podrá encontrar ciertas librerías, ciertos libreros, con los cuales establecer una sólida empatía en materia de temas o gustos compartidos. La constancia lleva a la confianza. El ‘casero’ toma cuerpo y, quién sabe, con algo de tiempo se puede convertir en el amigo. Lo que, por cierto, se condensa en descuentos mucho más generosos o, también, en la opción de guardar un libro por unos días extras, hasta que la liquidez del bolsillo lo permita adquirir sin problemas.
Amin'ny maha mpankafy boky ahy, afaka milaza aho fa afaka mahita fivarotam-boky sasany, mpivaro-boky sasany, izay ahafahana mifampizara fahalianana sy fahalianana ny ao Quilca. Mitondra fifampitokisana amin'ny ankapobeny. Manjary olona mahafatra-po ianao, ary iza no mahalala, mandeha ny fotoana mety ho naman'ny [mpivaro-boky] mihitsy angamba. Miteraka fihenam-bidy bebe kokoa izany na koa mety ahafahana mihazona boky mandritra ny fotoana elaela na dia mbola tsy manam-bola hividianana azy eo noho eo aza ianao mandra-panananao vola ahafahanao mividy izany.
Na dia maro aza no mitsikera ny Arsidiosezy, na raha hitarina, ny Eglizy Katolika, noho ny tsy fisian'ny fitiavana ny kolontsain'ny tanàna, manizingizina kosa ny hafa fa manan-jo hitantana ny fananany araka izay tiany izy. Araka ny tatitra, mikasa hanorina fiantsonana ambanin'ny tany, biraon'ny fandraharahana sy tranobe ao amin'ny taniny ny arsidiosezy.
La iglesia desaloja a los libreros de Quilca, ¿Se puede creer en Dios? https://t.co/wPrYyCEPlk
— Susel Paredes Piqué (@suselparedes) January 15, 2016
Noroahan'ny fiangonana ireo mpivaro-boky ao Quilca. Afaka matoky an'Andriamanitra ve isika?
Libreros del jirón Quilca desalojados. La Iglesica católica vs. la cultura. https://t.co/p6V8EIHboY
— Yohanna Navarrete (@impresiva) January 15, 2016
Voaraoka ireo mpivaro-boky ao amin'ny lalana Quilca. Fiangonana katolika mifanandrina amin'ny kolontsaina.
Etsy andaniny, nanasongadina ny sasany fa tsy “mahafinaritra” avokoa ny zava-drehetra amin'ireo mpivaro-boky ny Quilca
Los libreros de Quilca,con la plata que han ganado vendiendo bien caro sus libros,incluso más que en librerías d prestigio,que busquen local
— Patricio Anticona (@tinosaulo1) January 14, 2016
Afaka mampiasa ny vola azon'izy ireo tamin'ny fivarotana ny boky lafo dia lafo azy ireo ny mpivaro-boky ao Quilca, izay lafo kokoa noho ny fivarotam-boky malaza, mba hitadiavany toerana vaovao [tany]
#Socialconfusos: “Debemos combatir la informalidad en nuestro país!” » Llora por los libreros informales pirateadores de libros de Quilca.
— Quentin Quiroga (@Iraqundo) January 15, 2016
“Tsy maintsy hiady amin'ny tsy ara-dalàna ao amin'ny firenentsika isika”! Ranomaso ho an'ireo mpivaro-boky tsy ara-dalàna mpandika lalàna ao Quilca
Nanohitra kosa ny hafa fa nanjary fifandirana teo amin'ny ankavia ara-politika sy ny Fiangonana Katolika ny lohahevitra, ary maro koa ireo tezitra mba isehoana ho mahafinaritra fotsiny na koa noho ny tsy fahafantarana momba ireo toeran-kafa hividianana boky ao an-tanàna
Caviares y rojos se indignan por desalojo de libreros de Quilca, no dicen que el alquiler venció el 97, todo x atacar a la Iglesia Católica.
— Valdo Escobar M. (@vldesco) January 15, 2016
Tsy hanaiky ireo tezitra tamin'ny fandroahana ny mpivaro-boky ao Quilca fa ny fiakaran'ny hofan-tany no nandroaka azy ireo. Mba hanaratsiana ny fiangonana katolika no anton'izany rehetra izany
Hace años que los libreros de la cultura de Quilca se habian aburguesado. Vayan a buscar sus libros, caminen, no sean flojos. Poseros.
— Carlos (@DanBrownie) January 17, 2016
Nanjary nampiadan-tena ireo mpivarobokin'i Quilca nandritra ny taona maro taona lasa. Mandehana ary tadiavo ny bokinareo, aza kamo …
Na izany aza, tsy very ny rehetra satria nanolo-kevitra hamindrana toerana ireo mpivaro-boky ao amin'ny toerana feheziny tsirairay avy ny distrika roa ao Lima, Rímac sy Los Olivos. Raha mahomby amin'ny adivarotra ny iray amin'izy ireo, dia midika fisokafana amin'ny sehatra vaovao ara-kolontsaina ao amin'ny faritra izay tsy mahazatra ny fahitana fivarotam-boky ao aminy izany, ary ho dingana lehibe mankany amin'ny fanapariahana ny toerana ara-kolontsaina ao Lima.
Vakiboky hafa momba ireo mpivaro-boky ao Quilca (mankany amin'ny teny Espaniola avokoa ny rohy rehetra)
- Tantaran'ny Mpivaro-boky
- Bohemiana sy ny Zanaka lahin'i Quilca ara-kolontsaina
- Fiangonana miady amin'ny Kolontsaina
- Lalana Quilca: Toro-lalana momba ny tantarany sy ny maha-zava-dehibe azy
- Lalana Quilca: lalan'ny majika
Nivoaka voalohany tao amin'ny bilaogin'i Juan Arellano “Globalizado” ity lahatsoratra ity.