Tovovavy Pakistane Iray Manantena Fa Ho Aingam-panahy Ho An'ny Hafa Ny Fitetezana Ataony Amin'ny Kodiarandroa

Zenith Irfan defied Pakistani social boundaries and set off to honor her father's legacy by taking a motorcycle trip across Pakistan from Lahore to Kashmir. She hopes her blog and videos will inspire future adventurers who aspire to end gender stereotypes in Pakistan. Credit: 1 Girl 2 Wheels/FB

Nitsipaka ireo sàkana ara-tsosialy pakistaney i Zenith ary niainga mba hanome voninahitra ny lova navelan-drainy amin'ny alalan'ny fandehanana kodiarandroa manerana an'i Pakistàna, manomboka eo Lahore ka hatrany Kashmir. Manantena izy fa ny bilaogy sy ireo lahatsariny dia hitondra aingam-panahy ho an'ireo mpivenjy amin'ny hoavy izay maniry ny hampitsaharana ireo fitsaratsaram-poana ny vehivavy ao Pakistàna. Sary: Ankizivavy 1 koidiarana 2 /FB

Nipoitra voalohany tamin'ny  PRI.org ho an'ny ny The World ny 4 febroary 2015 teo, ity lahatsoratr'i David Leveille ity, ary navoaka teto indray ho ampahany amin'ny fifampizaràna vontoaty.

Ireto misy hevitra samihafa momba ny atao hoe fahalalahana:

Fa farafaharatsiny, ny fandraisana kodiarandroa no zavatra iray tsotra — mandeha tsy misy tanjona — mandeha mafy araka izay itiavan'ny fonao atao.

Milaza ny tenany ho “Zanakosy, 21 taona manao fitetezana an-kodiarandroa mirakitra tantara manerana ny tanin'i Pakistàna, tsy manana n'inon'inona afa-tsy ny fo amam-panahiny malalaka” i Zenith Irfan. Tamin'ny lohataona lasa teo izy no nanatanteraka io fitetezana io. Tamin'ireo zavatra vitsy nentiny, anisany ny mba hahalasa ny tantarany ho mpisava làlana an'ireo ho vehivavy mpivenjy rahatrizay izay maniry ny hamàrana ireo fitsaratsaràm-poana ny vehivavy ao Pakistàna.

Lazain'i Zenith fa ny rainy, izay maty tanora, no aingam-panahiny nanosika azy hanaovany ilay fitetezana.

“12 taona aho tamin'izany, nijery ireo sary maromaro izaho sy ny reniko, sarim-pianakaviana, ary nilaza tamiko ny reniko fa ‘naniry ny hitsangatsangana tamin'ny kodiarandroa eran'izao tontolo izao ny raiko’ ary nolazainy tamiko fa izany no nofinofiny saingy tsy afaka nanatanteraka izany izy satria maty tanora. Ary nanana io hevitra adaladala io koa ny reniko fa tokony hotohizako io nofinofy io mba ho an-draiko ary handray an'io kodiarandroa io ho toy ny lovako avy aminy aho… satria ao anatin'ny kolontsainay dia voafehy be loatra amin'ireo fameperana sasantsasany izahay, sahala amin'ny tsy famelàn'ireo ray amandreny ny zanany mba handeha hitsangatsangana na hiala voly noho ireo kolontsaina manodidina anay. Tena kolontsaina hentitra loatra io.”

Amin'ny fanitsahana ireny sisintanin'ny kolontsaina ireny, sy ampaherezin'ny reniny ary ny anadahiny, nanavatsava an'i Pakistàna tamin'ny kodiarandroa i Zenith nandritra ny volana Aogositra sy Septambra 2015.

 In the city, where children are caught up in the artificial world of gadgets and games. There exists, ambitious souls in the mountains of Kashmir. These little angels walk 2-3 miles daily, just to read a few alphabets. Indeed, those who have less, are spiritually privileged, than those who have more. Credit: 1 Girl 2 Wheels

Ao an-tanàna, voasariky ny tontolo artifisialin'ireo fitaovana sy lalao ny ankizy. Misy ihany koa ireo fanahy feno fahasahiana, ao antendrombohitr'i Kashmir. Manao dia an-tongotra in-2 na 3 maily (3 n 4 km) isan'andro ireto anjely ireto, mba hamaky litera vitsivitsy monja. Izany indrindra, ireo izay manana kely, dia manana tombony manokana ara-panahy, noho ireo izay manana betsaka. Sary : Ankizivavy 1 kodiarana 2

“Rehefa nandalo ny lembalemban'i Khunjerab aho, lembalemba izay mampitohy an'i Pakistàna amin'i Shina, nisy lehilahy izay teo akaikin'ny birao fisavàna nilaza tamiko ny tsy tokony hitaingenako kodiarandroa sady tokony hiverina hody. Dia nitsikiako fotsiny izy, toy ny hoe tsy noraharahaiko ny tsikerany. Io irery no tsikera manakiana azoko. Tsy nahazo fandrahonana mihitsy aho.”

“Nitantara ny Mpaminany Muhammad hoe ‘Aza lazaina amiko hoe hatraiza ny fahaizana anananao, fa lazao ahy impiry ianao no nandehandeha’. Nandona ny foko io fitenenana io. Ny fahalalàna norantovintsika tamin'ireo boky sy fanononan-teny dia mety manokatra ny  fisainantsika, saingy tsy manokatra ny varavaran'ny fampiharana. Manokatra ireo taovan'ny fahatsapantsika ny fandehanana, fihanihana hazo sy fisamborana lolo. Ny fanokoana resaka kely amin'ny olona mpiray tanàna, fangoronana ireo vovondandihazo eny an-tsaha fotsy manjopika dia manokatra ny varavarankelin'ny fahalalàna sy fampiharana, ka avy aminy no ianarantsika ny kolontsaina sy ny tantara, ireo tantara izay tsy voarakitra ho  an-dahatsoratra mihintsy.”

“Iray amin'ireo fitaterana hita ho mampidi-doza indrindra ny kodiarandroa. Noho izany, ankehitriny tiako kokoa ny olona mba handeha amin'ny kodiarandroa fa tsy fiarakodia, satria manome fahitàna 360 degre amin'ireo zavatra manodidina anao ny kodiarandoa. Afaka mifoka rivotra ianao, ny masoandro ary afaka manavatsava ara-bakiteny eny rehetra eny sy manao fampiharana ara-batana, ara-tsaina ary ara-panahy ianao. Noho izany, mandrisika ny olona rehetra aho mba hanaiky ny kodiarandroa ho namana amin'ny fandehandehanana.”

Jereo eto ny lahatsary tao amin'ny Facebook mikasika ny sasany tamin'ireo fitsangatsanganan'i Zenith:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.