Vyskub niteny tamin'ny tranonkala TJournal.ru fa nahazo hevitra hanao ilay tetikasa izy raha nijery saripikan'ireo vatosanga nihofaka mampahatsiahy azy endrika tabilaon'antontanisa. Nanampy azy ny namany hahazoany ireo mpamandrika voalohany, sy nizara “tantara saro-takarina” ao amin'ny vondrona Vkontakte misy azy ireo. Nahazo olona ny hevitra, ary misy fikambanana sasany ao amin'ny habaka manana mpanjohy an-tapitrisany nanomboka nizara ny asany (izay matetika tsy nahazo fankatoavana akory).
Na dia tsy tononina anarana matetika aza ny asan'ny vondrona misy azy, dia nisavoana haingana dia haingana ny lazany. Ny tsanganana voalohany tao amin'ny vondron'i Vyskub dia voamarika datin'ny 9 febroary. Tao anatin'ny roa herinandro monja dia mihoatra ny 16.000 ny mpamandrika. Afa-mamoaka sary na misy na tsy misy tolo-kevitra “tantara” ny mpikambana ary fenoin'ny Vyskub tolotra mbola mila itadiavana heviny ny rakitsary iray.
Tsy ny “Tantara Saro-Takarina” irery no vondrom-piarahamonina natsangan'i Vyskub ao amin'ny VKontakte. Manangana tetikasantsary iray hafa antsoina hoe“Bus Stops,” izay anangonany sarim-piatoan'ny fiara fitaterana manerana an'i Rosia. Nilaza izy fa tsy manampikasana ny hamadika ho fahazoam-bola ireo vondrom-piarahamonina roa ireo (amin'ny famarotana dokambarotra, ohatra). Ireo tetikasa roa ireo dia “asam-pitiavana,” hoy izy tamin'ny TJournal.

Ny sokina anaty zavona. (Filazana sompirana ny sarimiaina sovietikan'i Yuriy Norsheteyn nahazo loka tamin'ny 1975.) Saripika: Tantara Saro-Takarina / Vkontakte
Raha hijery sary maro hafa avy amin'ny “tantara saro-takarina,” tsidiho ato ny vondrom-piarahamonina Vkontakte misy azy.