Filohan'i Zimbaboe, Antitra indrindra Erantany, Feno 92 Taona

Zimbabwe's president Robert Mugabe turned 92 this month. Public Domain photo by the U.S. Air Force.

Feno 92 taona amin'ity volana ity i Robert Mugabe filohan'i Zimbaboe. Sary ho an'ny sehatry ny daholobe, avy amin'ny U.S. Air Force.

Feno 92 tamin'ny 21 Febroary teo i Robert Mugabe, filohan'i Zimbaboe, nomena ny solonanarana hoe ‘Dadatoa Bob’. Izy no filoha antitra indrindra eto an-tany, mbola amperinasa hatramin'ny 1987. Tsy voafetran'ny 30 taona naha-filoha azy ny fotoana naha-teo amin'ny fitondràna faratampony azy ao Zimbaboe; efa praiminisitra tao Zimbaboe ihany koa izy tamin'ny 1980 hatramin'ny 1987.

Araka ny voalazan'ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona, toy ny “Amnesty International” sy ny “Human Rights Watch”, matetika ny governemantan'ingahy Mugabe no ratsy fitondra ireo politisiana mpanohitra azy, hatramin'ny mpanohana sy ny mpanao gazety, ireo mpikatroky ny fiarahamonim-pirenena sivily ary ireo mpiaro zon'olombelona.

Ny tatitra 2015 avy amin'ny “Human Rights Watch” dia nanamarika fa, “Nanohy nanitsakitsaka ny zon'olombelona ny governemantan'ny filoha Robert Mugabe tamin'ny 2014, tsy nisy fijerena mihitsy ny fiarovana voalazan'ny lalampanorenana vaovao tao amin'ny fireneny. Tsy nivadika ho zavatra mivaingana velively ireo rafitra mpanao lalàna sy ireo lalàna vaovao na nasiana fanovàna mba nandrandraina hitondra fanavaozana ny resaka zon'olombelona tao anatin'ny lalàm-panorenana.”

Nampangain'ny mpanohitra ao Zimbaboe sy ny fiombonambe iraisampirenena ihany koa i Mugabe ho nanao hosoka tamin'ny rafi-pifidianana.

Ety anaty aterineto, nifampizaràn'ireo mpampiasa ny Twitter ny zavanisy mikasika izany sy ireo fitanisàna avy amin'ny lehilahy iray fantatra amin'ny fahaizany mikabary, fanandratan-tena fatratra ary fivazivaziana, fankahalàna ireo mitovy taovam-pananahana nefa mfanambady, ary ny tsy fitiavany ny tandrefana.

“Efa im-betsaka aho no maty. Efa resiko Jesosy Kristy satria izy indray mandeha ihany no maty”. Robert Mugabe. Arahaba nahatratra ny tsingerintaona ry dadatoa.

Tamin'ny fankalazany ny faha-88 taonany i Mugabe no nanao itsy fanehoankevitra etsy ambony itsy, nentiny nilaza ireo honohono tsy nitsahatra momba ny fahafatesany.

“Tsy izay rehetra fotsy dia ho hazaintsika, ny tanintsika fotsiny no alaintsika” Filoha Robert Mugabe

Ampahany tamin'ny fanavaozany ny resaka fananantany sy fandaharanasa fanomezana risika ny mainty no nandroahan'i Mugabe ireo Zimbaboeiana fotsy hoditra mpamboly hiala ny firenena tamin'ny taona 2000. Nitontaly 4.000 ireo fotsy hoditra namoy ny toerana famboleny.

Mbola hanohy aho mandra-piantson'Andriamanitra hoe avia, hoy ny Fil Robert Mugabe tamin'ny faha-92 taonany

Nanao fanamarihana i Mugabe taorian'ny nilazan'ny filohan'ny Firenena Mikambana , Ban Ki-moon, tamin'ireo filoha Afrikàna mba tsy hamikotra amin'ny fitondràna.

Aleo aloha ianao halaiko ho vady, raha toa aho tianao hanaiky ny fifanambadian'ny mitovy taovam-pananahana eto amin'ny fireneko” hoy Robert Mugabe tamin'i Barack Obama

Voalaza fa taorian'ny niantsoan'ny Filohan'i Etazonia, Barack Obama, ireo governemanta afrikàna mba hanome zo mitovy ho an'ireo mitovy taovam-pananahana nefa mifanambady, no nanaovan'i Mugabe ilay fanambaràna. Tamin'ny 2011,  notondroin'i Mugabe ho “ratsy indrindra noho ny alika sy ny kisoa” ireo pelaka.

“Olompirenena laharana faharoa ny fotsy hoditra eto. Ny hany lehilahy fotsy hoditra sisa azonao itokiana dia ny fotsy iray maty”, hoy Robert Mugabe

Lazain'ny loharano marobe ety anaty aterineto fa azy ilay tanisa, isan'izany ny lahatsoratra iray tamin'ny 2015 avy amin'ny Ben'ny Tanànan'ny Londona, Boris Johnson.

“Diso toerana raha ny tena marina ny Foiben-toeran'ny Firehena Mikambana” Feno 92 taona androany i Robert Mugabe

Tamin'ny fandraisany fitenanana tamin'ny fanokafana ny Vovonamben'ny Fianakaviambe Afrikàna tao Addis Ababa, Etiopia, tamin'ny volana lasa, nolazain'i Mogabe fa tokony ho any amin'izay tany be mponina indrindra, toa an'i Shina, India, na i Afrika, no hisy ny foiben-toeran'ny Firenena Mikambana.

“Araka izany ry Blair, i Angleteranao karakaraina dia avelao aho hikarakara ny Zimbaboe-ko” – Robert Mugabe

Nanao ity fanehoankevitra eto ambany ity i Mugabe tao amin'ny Vovonan'ny Tany raha namaly ny fanakianan'ilay mpitarika fahiny tao Angletera ny politikany momba ny fanavaozana ny fananantany.

Tsy maiintsy mametraka ny Fitsarana Iraisampirenena ny Heloka Bevava azy manokana i Afrika mba hitsaràna ireo Eoropeana, hoy i Robert Mugabe

Raha niatrika ireo mpanao gazety tao amin'ny seranampiaramanidina iraisampirenena ao Harare, nilaza i Mugabe hoe “Nanao heloka bevava, heloka bevava tamin'ny fanjanahantany ry zareo [mpitarika Tandrefana] – fanaovana vono moka ny vahoakantsika ary izao fampidirana am-ponja rehetra izao… Manana raharaha iray aho, nahoana aho no fonjaina 11 taona? Avelantsika ny helok'izy ireo, saingy angamba tsy vitantsika ny nanao izay rariny ho antsika manokana… Natsanganareo ny Fitsarana Heloka Bevava Iraisampirenena – ICC [International Criminal Court], atsanganay ny ICC-nay hitsaràna ireo Eoropeana, hitsaràna an'Ing [George] Bush sy Ing [Tony] Blair.”

Zavamisy mahatsikaiky: Fony teraka i Robert Mugabe,mbola nisy teo ny Kalifà Ottoman. Mbola eo amin'ny fitondràna ihany izy, nihoatra taona 6 amin'ny niainan'i Steve Biko

Ny Kalifà Ottoman no kalifà Sionita islamika farany indrindra tamin'ny Fahagola sy ny fiandohan'ny vanim-potoana maoderina. Noravàn'ny Antenimieram-Pirenena Tiorka ny kalifà Ottoman tamin'ny Martsa 1924. Mpikatroka tsy mpomba ny (apartheid) fanavakavahana tao Afrika Atsimo i Steve Biko izay nodimandry tamin'ny 1977 teo amin'ny faha-30 taonany.

Robert Mugabe no filoha manana mariboninahitra akademika be indrindra eto an-tany. Tsy misy filoha eto amin'izao tontolo izao manana diplaoma maro noho izy

Fito ireo diplaoman'i Mugabe. Manana diplaoma bakalaoreà momba ny taokanto izy, avy tamin'ny Anjerimanontolo Fort Hare, Afrika Atsimo, talohan'ny nahazoany diplaoma bakalaoreà efatra hafa ary ‘masters’ roa avy amin'ny fianarana ampitain-davitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.