- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Polisy Ao Albania Mampiasa Hery Amin'ireo Mpanao Fihetsehana Miaro Ny Hany Sisa Mba Kianja Maitso Tavela Ho An'ny Daholobe Ao An-drenivohitra

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Tontolo_iainana, Vaovao Mafana, Zon'olombelona
Citizens attempting to remove a fence in Tirana Lake Park, Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission. [1]

Olompirenena miezaka manaisotra ireo fefy tao amin'ny Tirana Lake Park, 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana.

Ny 21 Febroary, manodidina ny anjatony ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sivily nanao hetsika manohitra ilay drafitra iray an'ny fiadidiana ny tanàna ao Tirana [2] handrava ilay hany sisa toerana maitso manandanja tavela ao amin'ny renivohitr'i Albania, izay narovan'ny lalàna tany aloha tany.

Nampiasa herisetra ny polisy mba hanaparitahana ilay fihetsiketsehana ary nisambotra 12 tamin'ireo mpikatroka.

Ny Olompirenena hoan'ny Kianja (Qytetarët Për Parkun [3]) no nanohitra ilay drafitra hanoloana ilay hany kianja sisa eo an-tanàna ho lasa Zoro ‘vita simenitra’ ho an'ny ankizy.

Erion Veliaj, Ben'ny tanàna ao Tirana, sy ny lefiny Niko Peleshi, nilaza fa niafara amin'ny filàna ity lazaina ho zoro ity ny fampandrosoana tsizarizary ao Tirana, satria manomboka tsy mahita toerana hilalaovana ireo ankizy .

Prime Minister's decision changing the protected status of Tirana Lake Park. [4]

Ilay fanapahankevitry ny Praiminisitra hanaisotra ny sata maha-faritra arovana ny Tirana Lake Park.

Ireo mpikatroka no tena nisafoaka tamin'ny fanapahankevitry ny Praiminisitra Edi Rama’ [5]  hanaisotra ny sata maha-faritra arovana ilay kianja [6], andro efatra taorian'ny nanombohany ny asa teo amin'ilay zoro, tsy nisy fakàna ny hevitry ny vahoaka.

Lazain'ireo mpikatroka fa tsy tokony hatao sorona noho ny tsy nahavitàn'ny mpiadidy ny tanàna nanome tolotra sahaza ho an'ny vahoaka ao an-tanàna ilay fehikibo/faritra maitso.

Nezahan'ireo mpikarakara ny tsy nilaza ho fanta-bahoaka ny fisian'ilay hetsi-panoherana mba tsy hanararaotan'ireo antoko politika ilay hetsika.

Nitranga io tamin'ny hetsi-panoherana talohan'izao, rehefa nandrava ireo fefy nanodidina ilay kasaina ho toeram-panorenana ao amin'ny Tirana Lake Park ireo mpanao fihetsiketsehana.

Na teo aza ny porofo rehetra mifanohitra amin'izany, nolazain'ny Antoko Sosialista eo amin'ny fitondràna (SP) fa asatànan'ny Antoko Demokratika mpanohitra (DP) ilay hetsika.

Tsy nisy fifaninanana magarahara natao momba ny fanamboarana ny endriky ny ampahany amin'ny Tirana Lake Park, vao mainka mampihena ny fitokisana an'ireo andrim-panjakàna, izay asehon'ny fikarohana [7] sahady ho isan'ireo rambony indrindra ao Eoropa.

Ny tsy fahalavorarian'ny drafitra an-tanàndehbe ao amin'ny renivohitr'i Albania, misy vahoaka eo amin'ny 500.000 mahery eo, dia vokatry ny kolikoly ataon'ny governemanta eo amin'ny sehatra nasionaly sy iraisampirenena no tena antony betsaka.

Protest in Tirana Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission. [8]

Hetsi-panoherana tao Tirana 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana.

Ny Alahady 21 Febroary, niezaka nanongotra ireo fefy nanodidina ilay toeram-panorenana tao amin'ilay kianja ireo mpikatroka avy amin'ny fiarahamonim-pirenena sivily.

Azo sary teo am-pidarohana mpanao fihetsiketsehana ny manampahefana iray avy ao amin'ny polisy. Nanome baiko avy hatrany hampiatoana ilay manampahefana i Sajmir Tahiri, Minisitry ny Atitany.

Anisan'ny tao anatin'ireo polisy tonga teny an-toerana ireo manampahefana avy amin'ny andiany manokana Shqiponjat [9], izay amin'ny ankapobeny dia ny hetsika heloka bevava henjana no sahaniny. Fandranitana no nandraisan'ireo mpikatroky ny fiarahamonim-pirenena sivily ny fisian-dry zareo teo.

Shqiponjat Special Police Unit arresting protesters in Tirana Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission. [10]

Ny hery manokana Shqiponjat misambotra ireo mpanao hetsi-panoherana tao Tirana, 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana.

Protest in Tirana Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission. [11]

Hetsi-panoherana tao Tirana 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana.

Police arresting protesters in Tirana Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission.

Polisy misambotra mpanao fihetsiketsehana tao Tirana 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana.

Shqiponjat Special Police Unit arresting protesters in Tirana Feb 21, 2015. Photo by Qytetarët Për Parkun, used with permission. [12]

Ny hery manokana Shqiponjat misambotra ireo mpanao hetsi-panoherana tao Tirana, 21 Feb 2016. Sary an'i Qytetarët Për Parkun, nahazoana alàlana..

Samy naneho ny hatezerany daholo ireo mpikatroka, na ny teny an-kianja, na ireo tety anaty tambajotra sosialy, taorian'ny nandrahonan'ny iray tamin'ireo polisy azy ireo hoe “Hisy rà mandriaka eto!”

Nisy ny fanarahana ny fizotry ny hetsi-panoherana taorian'ny nisamborana ireo mpikatroka niisa 12, tany am-boalohany dia teo anoloan'ny Tranompokonolon'i Tirana, izay nametrahan'ireo mpanao hetsi-panoherana ireo fefy nongotany tary amin'ilay kianja.

Avy eo ilay hetsika nihisaka ho any amin'ny tobin'ny polisy izay mbola hakàn'ny polisy am-bavany ireo mpanao hetsi-panoherana hatramin'izao.

Toy ny fanohanana ny filazan'ireo mpanao hetsi-panoherana hoe nisy herisetra nandritra ny fisamborana ny lahatsary porofo [13] maro sy fijoroana vavolombelona mivezivezy ety anaty media sosialy.

Ny tanànan'i Tirana no manome faritra maitso [14] kely indrindra [15] isam-batan'olona miohatra amin'ny ankamaroan'ireo tanàndehibe ao Eoropa.