Filma 16mm Mahavalalanina Avy Tao Japan, Hong Kong Ary Azia Tamin'ny Taonjato Lasa Teo

Pathé News

“Ranomandry tao Japan tamin'ny 1916″ — Pathé News. Pikantsary avy amin'ny Fantsona YouTube-n'i Michael Rogge

Namoaka andian-draki-dahatsary mitantara ny fiainana andavanandro tao Japan sy ny faritra hafa tao Azia, ahitana an'i Hong Kong, Malayzia ary Indonezia nandritra ny Taonjato faharoapolo ny mpisera YouTube Michael Rogge.

Ny sasany tamin'ireo lahatsary ireo dia izy ihany no naka azy tamin'izy nanori-ponenana tao Hong Kong sy Japan nandritra ny taompolo 1960. Ny lahatsary hafa ao amin'ny angon-dahatsary ao amin'ny YouTube-n'i Rogge dia ahitana fandaharana fahitalavitra sy fanangonam-baovao fohy voaavotra, navadika ho nomerika ary dia navoaka tamin'ny aterineto.

Ohatra amin'izany ny namoahan'i Rogge ity Pathé News mitantara ny fiainana tao Japan amin'ny fotoanan'ny ranomandry tamin'ny 1916 ity :

Anjatony ny sombin-dahatsary navoakan'i Hogge, ary anisan'izany ity sombim-baovao fitarihana hazo an-drano tao Japan ho an'i Alemaina talohan'ny Ady [Lehibe] ity:

Araka ny lazain'ny fitantaram-piainana an-tserasera nosoratany ihany dia teraka tao Amsterdam tamin'ny 1929 i Rogge.

Nahazo asa tao amin'ny banky iray tao Hong Kong izy tamin'ny 1949, ary nanomboka nandrakitra avy hatrany ny fiainany andavanandro tao. Maro ny sary tamin'io fotoana io no navoaka tao amin'ny kaonty Flickr an'i Michael Rogge.

Tamin'ny antsafa iray navoaka indray tamin'ny 2012 tao amin'ny Konsilàn'i Hôlandy tao Hong Kong no nilazan'i Rogge hoe :  “Ny zavatra tsy tsapako tamin'izany fotoana izany dia saika tsy nisy ny olona naka ireny fotoana amin'ny fiainana andavanandro ireny an-tsary.

Tena nankafy naka sary sy lahatsary mihitsy aho tamin'izany fotoana izany ary nihabetsaka aza ny nataoko ho fahafinaretako kokoa fa tsy hoe hojeren'ny fianakaviana loatra. Lasa fahavitan-javatra teo amin'ny fiainako izy io.”

Rogge dia nonina tao Japan taona maro nandritra ny taompolon'ny 1950.

Indro ny filma fohy nataon'i Rogge ho an'ny fianakaviany hitantarany ny fiainany tamin'izy tao Kobe tamin'ny 1958.

Nandany enintaona tao Hong Kong izy ary nifindra tao Japan, izay niainany nanomboka ny taona 1955 ka hatramin'ny taona 1960. Niverina tao Hôlandy izy tamin'ny taona 1961.

Ny sarin'i Rogge sy ny sarimihetsika notontosainy tao an-trano tao Hong Kong hatreto no tena nahasarika ny maro.

Nanamarika ny Bilaogera David Derrick:

Seeing film of Asian cities as they were one or two generations ago is enthralling if you know them now, because it requires less effort to imagine them as they were a century ago than as they were in 1950, ’60, ’70 or ’80. I first saw Hong Kong in early ’84 and went there about fifty times between then and 1997. Since the handover, I have been back only twice or three times. I first saw Singapore in ’84 and must have been there twenty-five times.

Manaitra ny maso ny mijery filma ny tanàna aziatika avy amin'ny taranaka iray na roa talohantsika raha mahafantatra ireo tanàna ireo ianao amin'izao fotoana, satria tsy dia mila ezaka loatra ny mametraka an-tsaina azy ireo tamin'ny 1950, ’60, ’70 na ’80 noho ny tamin'ny tamin'ny taonjato iray lasa izay. Tamin'ny taona 1984 no nahitako an'i Hong Kong voalohany ary nankany efa ho in-50 aho nanomboka teo ka hatramin'ny taona 1997. Hatramin'ny namerenana azy [ho an'i Shina] dia in-droa na in-telo ihany aho no niverina tao. Tamin'ny taona 1984 no nahitako voalohany an'i Singapaoro ary tokotokony ho in-25 aho no niserantserana tao.

I Michael Rogge moa hatramin'izao dia mbola mavitrika ao amin'ny Flickr, YouTube ary ao amin'ny tranonkalany manokana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.