Mandingana Ny Rindrin'afo Gaovana Ireo Shinoa Mpikirakira Ny Aterineto Mba Hanarahan-dry Zareo Ireo Mandàla Ny Fizakantena Ao Taiwan

One common profile picture and emoji shared by mainland Chinese Jihadists. Screen capture image.

Sary iray mombamomba ny tena iraisana sy emoji nifampizaràn'ireo Shinoa mpampiasa ao amin'ny tanibe. Dikasarinà fàfana.

Tsy nampoizina ny fivadik'ilay lahatsary fialantsinin'ilay mpihira K-pop Taiwanaise Chou Tzuyu tamin'ilay lahatsary amin'ny aterineto teo aloha izay nitazonany ny sainan'ny Repoblika Shinoa ( anarana ahalalàna an'i Taiwan eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena). Haingana ny fivadihany ho hetsika tampotampoka nokarakarain'ireo Shinoa mpikirakira aterineto avy ao amin'ny tanibe Shina, tamin'ny alàlan'ny Facebook, nataony mba “handravàna ireo singa mpanohana ny fahaleovantenan'i Taiwan amin'ny alàlan'ireo fomban'ny fandrosoana” .

Satria efa niomana tamin'ny fitsidihan'izy ireo ny mpikirakira aterineto ao Taiwan, dia lasa nifarana tamin'ny adinà emoji ( sary kely) mampiala voly sy lesona iray amin'ny làlan'ny aterineto misokatra ho an'ireo Shinoa nandray anjara ilay ady masina.

Raha heverin'ny Taiwane fa niharan'ny antsojay nataon'ireo Shinoa mpikirakira aterineton'ny tanibe ilay tanora mpihira, ireo mpanakorontana kosa dia manamafy fa araraotin'ireo herin'ny mpomba ny fahaleovantena ilay zava-misy mba hamoronana fifanolanana ao amin'ilay helodrano ety. Tsy eken'i Shina ny fahaleovantena ho azy amin'izao ho an'i Taiwan, izay niverina any amin'ny faran'ny taona 1940, rehefa nisintaka nankao amin'ilay nosy ny tafika Kuomintang resy tamin'ny fiafaran'ny ady an-trano tany Shina.

Noho ny fahatsapany ho kivy, nanapaka hevitra hanetsika ireo mpikambana ao amin'ny vondrona misy azy ny mpitantana ny vovonana fifampiresahana malaza Baidu, ny Amperora Ba, mba handeha any amin'ny lasibatra telo ao amin'ny Facebook — ny E-television Sanlih, ny gazety Taiwan Apple Daily ary ny pejin'ny filoha voafidy farany Tsai Ling-Wen.

Manana mpikambana manodidina ny 20,5 tapitrisa ny Amperora Ba araka ny voarakitra ao amin'ny Baidu ; 23,4 tapitrisa ny mponina any Taiwan. Na fifandaminana sy fikarakaràna avy ao  anatiny aza ilay hetsika ary tsy maintsy mandingana ilay Rindrin'afo  Goavana ireo mpikambana mba hahafahan'izy ireo mitsidika ireo tranonkala voaràra, dia tsy tanteraka izany raha tsy nisy tosika avy amin'ireo manampahefana any amin'ny tanibe Shina.

‘Reseo lahatra ny rahalahy mba hody’

Napetraka ho ny 20 Janoary tamin'ny 7 ora hariva ny hetsika. Araka ny voalazan'ny mpandray anjara iray izay niresadresaka tamin'ny Pingwest dia namporisihan'ny ekipa mpandrindra ireo mpiady virtoaly mba hanao paikady “mahafinaritra”

尽量发吃的玩的,只骂“ 台独 ”不骂 “ 台湾同胞 ”,和外国人好好交流,不要带脏话,不要骂人。“我们是劝出走的兄弟回来的,不是赶别人分家的”。

Mandefasa hafatra mahaliana toy ny sakafo na toerana fizahantany, ireo mpiady ho an'ny fahaleovantena ihany ozonina, fa tsy ny Taiwane mpiray tanindrazana. Mahaiza miresaka amin'ny vahiny. ‘ Handresy lahatra ireo rahalahy mba hody isika, fa tsy hampisaraka ny fianakaviana’

Hatramin'ny ‘nandresen'ilay hetsika lahatra ireo rahalahy hody’, dia nanjary sakafo sy toeram-pizahantany ireo emoji namboarina, miaraka amin'ny Amperora Ba mitàna kôtleta amin'ny tànany havanana :

The touristic photos are meant to deliver the idea of "Welcome to China".

Ny sarin'ny fizahantany dia midika fanomezan-kevitra hoe “Tongasoa eto Shina”.

Nozaraina ho ekipa enina ireo mpandray anjara : ny Tarika eny Ambava-ady, ny Tarika mpikaroka ny Fahavalo, ny Tarika  mpampiditra mpikambana, ny Tarika misahana ny fitaovam-piadiana ( fanehoan-kevitra manaraka fenitra sy ny emoji), ny Tarika mpandika teny, ny Tarika Mpanao tatitra sy Mpanohana ( Mitoroka ireo tatitry ny fahavalo any amin'ny Facebook ary manao ‘tia’ ny namana).

Ireto manaraka ireto ny torolàlana amin'ny antsipirihany  (avy amin'ny Facebook-n'ny Initium Media):

參戰須知:1不要罵人 2表情上的「中華人民共和國專用」改為「打台獨專用」 3避免用習大大做表情包,以免對方改圖 4評論不要速度太快。避免封號。如果號掛了某寶有賣 5 開vpn時候不要登陸自己重要賬號,不安全 6 帝吧出征,寸草不生,腦殘不死,聖戰不止。

Torolàlana fomba fiady :  1. Tsy manozona ; 2. Tsy mampiasa ny hoe ‘Repoblikan'i Shina’ amin'ny emoji, ampiasao ny ‘ reseo ireo mpiady ho an'ny fahaleovantenan'i Taiwan’ ; 3. tandremo mampiasa ny “Dadatoa Xi” [ny filoha Shinoa Xi Jinping no tiany holazaina] amin'ny emoji, azon-dry zareo ovàna photoshop ny sary ; 4. Aza maika loatra mandefa ny fanehoankevitraoa, mety hihantona ny kaonty ; 5. Raha nahantona ny kaonty, mividiana kaonty hafa amin'ny Txxbxx ; 6. Aza mampiasa ny mailaka fampiasa rehefa manokatra ny VPN [Virtual Private Network], tsy azo antoka ireny ; 6. ny iraky ny Amperora Ba, tsy maintsy dorana ny bozaka rehetra, tsy hijanona ny ady masina raha tsy maty ireo simba atidoha rehetra.

Ny borigady “mavokely”

Adika amin'ny fiteny maro ireo hafatra lehibe alefa any ambadiky ny Rindrin'afo Goavana. Ity ambany ity ny ny iray amin'ireo hafatra voadika (avy amin'ny Pingwest):

Ekena ny hanofahofa ny saina Taiwane. Ekena ny filazàny fa tsy Shinoa izy fa Taiwane. Mbola ekena ihany koa ny fiheveran-dry zareo fa firenena mahaleotena i Taiwan. ( Fa aza lazaina fa any amin'ny tanin'i Shina, misoratra eo amin'ny fonon'ny pasipaorony ny teny hoe ‘Repoblikan'i Shina’ . Raha toa ka firenena mahaleotena i Taiwan dia asehoy anay ny sainam-pireneny any amin'ny Firenena Mikambana. Samy hafa ny fanabeazana any amin'ny tanibe sy Taiwan. Na dia izany aza, mazava sy azo ekena tsara ny fahasamihafana misy eo amin'ny vahoakan'ny tanibe sy ny vahoakan'i Taiwan. Fa izay te-hahazo vola any amin'ny taniben'i Shina dia tsy maintsy manaja ny firenena. Afaka mifidy ny hijanona eto Taiwan izy, manao sy miteny izay rehetra tiany, izay tsy misy ifandraisany aminay. Ankoatra izay, ny manahirana anay, tanora vao erotrerony izy ary tsy mahamenatra ny namany ny manery azy hanao fialantsiny. Tsy ny governemanta Shinoa na ny haino aman-jery no nanery azy hanao ireny na nisavika azy hivoaka any ivelany.

Koa satria ny paikady “malefaka” sy “fifampiresahana” no nofinidin'ireo mpikarakara ity ezaka ity, ireo mpikirakira aterneto any amin'ny tanibe izay tsy nandray anjara kosa dia nilaza azy ireo ho toy ny  ” little pink” (mavokely bitika) mifanohitra amin'ny “mena” tia tanindrazana. Ito misy ohatra iray amin'ny karazana fanehoankevitra izay nanome vahana ilay trangan-javatra  :

对这次小粉红事件,俺只有一句话:太监出宫。突然跑到猪圈外不停地告诉别人阉了有多好,然后扭头又回到圈内,继续做他们的帝都梦。

Manana fanehoankevitra iray momba ity tranga little pink ity aho : mivoaka ny Lapam-panjakana ireo tandapa. Mivoaka haingana avy ao amin'ny trano fiompiana kisoa ry zareo mba handresy lahatra ny hafa mba ho vosirina. Niverina nody ry zareo avy eo ary nanohy ny nofinofim-panjakàny.

Nahita ny lafiny mampihomehy ry zareo Taiwane

Koa satria efa niparitaka iray andro nialoha ny nanombohana azy tany Taiwan ny momba ilay ady masina, dia efa vonona tsara ny haneso ireo mpanakorontana avy amin'ny tanibe Shinoa ny taiwane.

Noraisin'ny E-Television Sanlih izy ireny, taminà lisitra lavabe-nà teny voarara toy ny hoe :  Falungong, 4 Jona Tiananmen, antoko demokratikan'i Shina, Xi Jin-ping boriky adala, fahaleovantenan'i Taiwan, fahaleovantenan'i Tibet, 1989, Dalai Lama, Fahaleovantenan'i Xinjiang, jadon'ny antoko tokana, ary fanehoankevitra 9 momba ny CCP, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo vitsivitsy ireo.

Nizara ny sarin'ireo olona manofahofa ny sainan'ny Repoblikan'i Shina ny mpitantana ny pejy, tahaka izany ihany koa ireo vaovao izay mampiady hevitra ny mpitsidika azy ireo, toy ny fangatahana izay manery ny fitondrana britanika mba hankatò ny maha-firenena an'i Taiwan.

Ireo Taiwane sasany dia mitendry amin'ny fiteny shinoa tsotra ary nilaza fa rahalahin'i Tsai Ing-Wen ny mpanao politika momba ny fampiraisana Tsai Cheng-Yuan, mba hamitàhana ireo mpanakorontana any amin'ny tanibe Shinoa amin'ny fandefasana ompa ao amin'ny pejy Facebook-ny.

Ny sasany dia nandefa ny rohibe mankany amin'ireo tranonkalanà sary vetaveta sy vaovao voaràra, amin'ny filazana fa nifandrohy tamin'ny kaonty Facebook-n'ireo mpiaro ny fahaleovantenan'i Taiwan izy ireo

Izy roa ireo, ny tanibe Shinoa sy Taiwan, dia samy nilaza fandresena tamin'ity adinà emoji amin'ny Facebook ity. Mandresy na resy, fara-faharatsiny nankafy ny ady sy niala voly izy roa tonta.

Mianatra ny fomba “fandinganana ilay rindrina”

Angamba ny onjan'ny fiantraikany lehibe indrindra tamin'ny fanentanana iray manontolo dia maro amin'ireo Shinoa mpikirakira aterineto any amin'ny tanibe no nianatra ny fomba fampiasana ny VPN mba handinganana ilay rindrin'afo lehibe — ary ankoatry ny fijerena Facebook fotsiny, dia nanao zavatra amboniny izy– toy ny fanarahana ny feon'ny mpanohitra ao amin'ny Twitter. Nahazo mpanaradia vaovao 490 i @wentommy tao anatin'ny andro iray monja :

Fantatry ny ao amin'ny sampana mikarakara ny fampielezankevitra ihany koa ireo vokatra ireo — nalefa tamin'ny haino aman-jery mahazatra sy naparitaka tamin'ny haino aman-jery sosialy ny filazana iray momba ilay hetsika :

‘Ady Masin'ny Emperora Ba ‘. Mihasarotra ny raharaha. Tsy maintsy ampitoniana ny haino aman-jery eto an-toerana, aza ankalazaina ho lohahevitra mafàna io. Fantaro ary vonoy ireo fanehoankevitra miiba mampiasa ilay tranga mba hanakorontanana ny rafitry ny firenena, ny fifandraisan'ny eo amin'ny helodrano ety. Ambonin'izay, ajanony ny fizaràna ny vaovao manafintohina momba ny ” fandinganana ny rindrina” mba tsy hiparitaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.