Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

21 Febroary 2016

Tantara tamin'ny 21 Febroary 2016

Polisim-Pivavahana Saodiana 30 Mianatra Taranja Feno Iadiana Amin'ny Mazia Mainty

Mpikambana telopolo ao amin'ny Vaomieran'ny Fiarovana ny Hasina sy Fisorohana Ny Ditra no nanatontosa fianarana dimy andro amin'ny fomba fiadiana amin'ny mazia mainty, famantarana ny mpamosavy eny fa na dia amin'ny fanakanana ny teny fanonony aza.

Bilaogy LGBT Iray Naato Fa Niresaka Tobin'Asa An-terivozona Tao Kiobà Nandritra Ny Taompolo 1960

GV Mpisolovava

"Nihevitra aho fa olana ara-teknika izany...tsy fantatro hoe nahoana no 'manala-baraka ny Revolisiona izany,' araka ny nambaran'ny didim-pitsarana taminay." hoy ny bilaogy voasivana.

Fantaro I Fish, Mponina Ao Amin'ny Tobim-Pialokalofana Lehibe Indrindra Eto An-Tany

Rehefa 23 taona tao amin'ny tobin'i Dadaab, dia nandositra tao i Abdullah "Fish" Hassan noho ny herisetra, saingy mbola mpialokaloka ao ny zananivavy.

Fotoam-pitsaràna Iray Manantantara Ho An'ireo Vehivavy Ao Goatemalà

Ao Goatemalà, ezaka ataon'ireo vehivavy maya-q'eqchie's ny hanamelohana ireo miaramila tomponandraikitra tamin'ny herisetra ara-nofo sy ny fitondra tsy mendrika ny maha-olona, feno habibiana ary manetry nanjo azy ireo teo anelanelan'ny 1982 sy 1983, nandritry ny ady anatiny mitam-piadiana tao amin'ny fireneny.

Faha-50 Taonan'ny Nidabohan'ireo Baomba Nokleary Amerikàna Tao Espaina

Ny 17 Janoary lasa teo, nankalazaina ny faha-50 taonan'ny tranga iray tsy dia misy mahafantatra loatra ivelan'i Espaina.

Mandingana Ny Rindrin'afo Gaovana Ireo Shinoa Mpikirakira Ny Aterineto Mba Hanarahan-dry Zareo Ireo Mandàla Ny Fizakantena Ao Taiwan

Nanjary lasa adinà emoji manala voly sy lesona teknolojia amin'ny fianihana ny 'Rindrin'afo Lehiben'i Shina' ny fitadiavan'ireo Shinoa mpikirakira aterineton'ny tanibe hampangina ny mpomba ny fahaleovantenan'i Taiwan amin'ny alàlan'ny 'fomban'ny fandrosoana'.

Miparitaka Any Atsimon'i Venezoela Ireo Kilasy Fianarana Tsy Misy Mpampianatra

Na tian'izy ireo aza ny asany, an-jatony ireo mpampianatra nametraka fialàna any Gran Sabana, Venezoela, niala ny toerana fampianarany mba hitady karama tsaratsara kokoa any amin'ireo indostria hafa.