- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tafiditra Ao Amin'ny Google Translate Ny Fiteny Kyrgyz !

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kyrgyzstan, Fiteny, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka
Screenshot of Google Translate in Kyrgyz shared on Tilek Mamutov's Facebook page.

Pikantsarin'ny Google Translate ho amin'ny teny Kyrgyz nozaraina tao amin'ny pejy Facebook-n'i Tilek Mamutov.

Ny Google Translate dia efa azo jerena [1] amin'ny fiteny mihoatra ny 100, iray amin'izany ny fiteny Kyrgyz iresahana indrindra any amin'ny firenena be tendrombohitra Aziatika Afovoany ao Kyrgyzstan.

Notontosain'ny [2] mpisera Facebook sy ny media sosialy rosiana an-taonany maro ny tolona ampidirana ny Kyrgyz ho ao amin'ny Google Translate, saingy manana mpanandrateny tsy mety sasatra ao anatin'ilay goavan'ny teknolojia vaovao ihany koa ity fiteny mifanakaiky amin'ny tiorka iresahan'ny olona mihoatra ny 5 tapitrisa manerantany ity.

Nankalaza ny fahatongavan'ny Google Translate tao amin'ny lahatsoratra Facebook [3] iray tamin'ny 18 febroary i Tilek Mamutov, Kyrgyz iray Mpitantana ny Programa Ara-Teknika ao amin'ny Google izay monina ao amin'ny helodranon'i San Francisco amin'izao fotoana izao :

Кыргызский язык теперь в Google Translate!!!

Спасибо команде Google Translate, которые уже много лет работают над алгоритмами перевода и за работу, начатую годы назад, над кыргызским языком в частности.

Также хочу отметить носителей языка, которые внесли свой вклад в тренировку алгоритма! Огромный вклад внесла граппа под координацией Чоробека Сааданбекова. И хочу отметить внесших вклад через Айсок Кыргызстан за то, что подняли тему сотрудничества кыргызстанцев с Гуглом очень давно, поставили некоторые первые кирпичи в фундамент и вдохновили Гугл сделать глобальный инструмент принятия отзывов от сообществ. Спасибо всем кто помогал этим группам и тем кто вносил вклад индивидуально.

Приглашаю всех попробовать: http://translate.google.com/ [4] Только помните, пожалуйста, что это только первые шаги, и если вы увидите что какой-то перевод можно улучшить прошу нажать соответствующую кнопку.

Hita ao amin'ny Google Translate ankehitriny ny fiteny Kyrgyz !!!

Isaorana be dia be ny ekipan'ny Google Translate, izay efa nanomboka an-taonany maro ny algôrithma. Tiako homarihana ihany koa ireo mpampiasa ny teny nandray anjara tamin'ny algôrithma! Nisy ny fiovana lehibe vitan'ny vondrona iray notarihan'i Chorobek Saadanbekov.

Ary tiako homarihana ireo nandray anjara tamin'ny alalan'ny Aisok Kyrgyzstan, izay efa nametraka olana tamin'ny fiaraha-miasa teo amin'ny Google sy Kyrgyzstan hatry ny ela, ary nanampy ny Google hanangana fitaovana ankapobeny hanaiky ny tamberina avy amin'ny vondrom-piarahamonina isankarazany.

Isaorana ny rehetra nanampy ireo vondrona ireo sy ny mpandray anjara tsirairay.

Manasa ny rehetra aho hanandrana ny http://translate.google.com/ Tsarovy fotsiny, azafady, fa vao dingana voalohany fotsiny ireny, ary raha hitanao fa mila hatsaraina ny fandikanteny sasantsasany, tsindrio fotsiny ny bokotra mifanandrify amin'izany.

Ny mampihomehy dia tsy tamin'ny teny Kyrgyz ny hafatr'i Mamutov fa tamin'ny teny Rosiana, fiteny mbola manjaka ao amin'ny renivohitry ny firenena sôvietika teo aloha ao Bishkek ao.

Ny ankamaroan'ny sehatra .kg ao amin'ny aterineto ao amin'ny firenena dia mbola voakaonty ao amin'ny tranonkala miteny rosiana.

Tamin'ny fampiasana ny Google Translate handikana ny vaovao amin'ny fiteny Rosiana momba an'i Kyrgyzstan, ohatra, dia nisy nahita fa ny volan'ny firenena, ny som, dia lasa ‘trondro-saka’, raha ny Bolot, anarana Kyrgyz mahazatra, dia lasa ‘honahona’.

Hanoka-baravarana ho amin'ny fiteny Kyrzyz vitsy mpitao saingy ho teny amin'ny aterineto ny Google Translate, na dia araka torohevitr'i Mamutov, dia tsy maintsy tratran'ny fahadisoana ny fandikanteny amin'ny lafiny sasany indraindray.

Kyrgyz beside a traditional nomadic dwelling in the early 20th century. From the archives of the state registry.

Kyrgyz anilan'ny tranon-drazana fitondra mifindrafindra tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-20. Avy amin'ny rejisi-panjakana.

Misy miteny Kyrgyz ivelan'i Kyrgyzstan, indrindra fa ao Rosia, izay mahatratra iray tapitrisa ny Kyrgyz mpifindramonina monina sy miasa ao, sy ao Tajikistan, izay misy fokonolona Kyrgyz maromaro monina manaraka ny tomandavan-tendrombohitr'i Pamir.

Ao Afghanistan, mihoatra ny 1000 ny Kyrgyz monina amin'ny Lalatsaran'i Wakhan [lemaka anelanelan-tendrombohitra], iray amin'ny faritra [be] kizo indrindra eto ambonin'ny tany.

Ny ankizy dia mianatra amin'ny teny Dari, saingy ny tandroka mifandray amin'ny zanabolana mipetaka amin'ny yurts (fonenan'ny mpifindramonina) no ahafahan'ny fokonolona manara-baovao momba an'i Kyrgyzstan amin'ny fiteny Kyrgyz.

A Wakhan Kyrgyz. Screenshot from video uploaded by Jeff Waalkes.

Kyrgyz iray any Wakhan. Pikantsary avy amin'ny lahatsary navoakan'i Jeff Waalkes.

Tonga ao amin'ny Google Translate ny teny Kyrgyz.

Ara-Dalampanorenana dia mitoetra ho tenim-panjakana ny Kyrgyz ao Kyrgyzstan, miaraka amin'ny teny Rosiana ho fiteny ‘ofisialy’ izay fampiasa mahazatra amin'ny tahirin-kevitry ny governemanta.

Ny fanabeazam-panjakana ao amin'ny firenena dia amin'ny teny Kyrgyz, Rosiana ary Uzbek, na dia vao nanaisotra ny fiteny Uzbek vao haingana amin'ny fitsapana idirana oniversite aza ny governemanta noho ny faneren'ny nasionalista.

Vasoka haingana ny fifehezana teny Rosiana raha vao mivoaka an'i Bishkek, rehefa aleon'ny tanora Kyrgyz mianatra teny Mandarin [shinoa], sy Anglisy, mba ahafahana mahazo tombony amin'ny fahazoan'asa mifandraika amin'ny fampiasambolan'i Shina ao amin'ny faritra.

 Sixty-year-old Ainysa and her grandson. All of her children work in Russia. Chek village, Batken oblast, Kyrgyzstan.

Ainysa enimpolo taona miaraka amin'ny zafikeliny. Miasa any Rosia avokoa ny zanany rehetra. tanàna kely Chek, Batken oblast. Saripika nalain'i Eylor Nematov ary nahazoana alalana.

Ela ny ela! Anisan'ny Google Translate ihany ny fiteny Kyrgyz!

kyrgyzstan-australia-tp-12

Tanora Kyrgyz iray mijery amin'ny masolavitra eo ivelan'ny kianjabe filalaovana football ao amin'ny firenena. Saripikan'i Tamas Paczai nahazoana alalana.