Nanohitra Ny Fisamborana Ilay Ejipsiana Malaza Mpanao Sariitatra Islam Gawish Ireo Mpampihomehy Amin'ny Eso

Cartoonist Islam Gawish. Photograph from his Facebook page. Photograph by Mostafa Darwish.

Mpanao sariitatra Islam Gawish. Sariny tao amin'ny pejiny Facebook. Sary avy amin'ny Mostafa Darwish.

Tsy ampy tapa-bolana taorian'ny fahadimy taonan'ny revolisiona 25 janoary, tsy ahitana famantarana fivoarana amin'ny fifandraisany amin'ny mpanandra-tenin'ny zon'olombelona i Ejypta. Ny harivan'ny 31 Janoary, nitongavan'ny mpitandro ny filaminana ny toeram-piasan'ilay mpanesoeso sady mpanao sariitatra Islam Gawish.

Mpanao sariitatra malaza i Islam izay hita amin'ny haino aman-jery maro ny sangan'asany. Mikasika indrindra ny tranga ara-tsosialy ny sangan'asany manesoeso ary zara raha ahitana ara-politika. Nosamborina ity lehilahy 26 taona, mamoaka ny tantara an-tsariny ao amin'ny pejy Facebook antsoina hoe Elwarka, manana mpanjohy 1,75 tapitrisa ity rehefa nitongavan'ny polisy ny toeram-piasany, araka ny tatitra avy amin'ny albidayah:

وأوضح المصدر، في اتصال مع «البداية»، أنه جاري حاليا تحرير محضر ضد رسام الكاريكاتير بتهم إدارة موقع «أخبار مصر» بدون ترخيص، وإدارة صفحة «ورقة» بدون ترخيص، وبث بيانات على شبكة الانترنت على غير الحقيقة، وبدون الحصول على إذن من وزارة الاتصالات بالمخالفة لقانون الاتصالات 10 لسنة 2003، وحيازة برامج مقلدة ومنسوخة، بالمخالفة لقانون 82 لسنة 2002، وعرضه على النيابة.

ومن جانبه، قال محمد الزيات، زميل إسلام جاويش، في تصريحات لـ«البداية» إن قوة من مباحث المصنفات اقتحمت شركة أيجيبشن نتورك لتكنولوجيا المعلومات بأبراج الشرطة بمدينة نصر وقبضوا على إسلام.

Nanazava tao amin'ny albidaiah ny loharanom-baovao fa voampanga ho misahana tranonkala “Egypt News (Vaovaon'i Ejypta)” tsy manana fahazoan-dalana, mitantana ny “Elwarka” [pejy Facebook-n'ny sariitatrany] tsy misy fahazoan-dalana, mamoaka vaovao diso amin'ny aterineto sy mamoaka vaovao tsy misy fahazoan-dalana avy amin'ny ny Minisitry ny Fifandraisan-davitra izay manitsakitsaka ny Lalànan'ny Fifandraisana Lalàna laharana faha-10 tamin'ny 2003, mampiasa rindrambaiko tsy manana fahazoan-dalana izay manitsakitsaka ny lalàna 82 tamin'ny 2002 i Islam. Hoentina eo anatrehan'ny mpampanoa lalàna izy. Nilaza tamin'ny elbidaiah ny mpiara-miasa amin'i Islam,  Mohamed Alzayat fa nanafika ny biraon'ny Tambajotran'ny Teknolojia Ejypsiana ao an-tanànan'i Nasr ny vondrona manampahefana mpitsikilo ary nisambotra an'i Islam.

Efa ho 27 tapitrisa ny isan'ireo mpiserasera Facebook ao Ejipta ary tsy afaka manamafy izahay hoe firy amin'izy ireo no nahazo fahazoan-dalana, satria tsy misy ny fanambarana ampahibemaso fa tokony hanana fahazoan-dalana, ahoana ny fomba hahazoana izany fahazoan-dalana izany na aiza no hakana azy. Tsy nanadino anefa ireo mpanesoeso hafa ka nisioka ity sary namboarina misy ny “Fahazoan-dalana Misioka”, izay mamela azy hampiasa aterineto ity ny kaonty mampihomehy hantarisha :

The Tweeting license

Ny fahazoan-dalana misioka

Thank God I have a license
[Photoshopped image says: licensed to change the avatar and tweet no more than 6 political tweets a day]

Misaotra an'Andriamanitra fa manana fahazoan-dalana aho
[Hoy ny sary namboarina: nahazo alalana mba hanova ny sary famantarana ary misioka tsy mihoatra ny sioka ara-politika 6 isan'andro]

Mailaka avy hatrany ireo mpanao sariitatra nanohitra ny fisamborana ny namany, ary manolotra firaisankina ao amin'ny media sosialy. Anisan'ireo vaovao nivezivezy nandritra ny fitànana an'i Gawish ny fisamborana azy noho ny famazivaziana ny filoha Ejipsiana Abdel Fattah El Sisi tamin'ny sariitatrany – fiampangana nambara tamin’ i Gawish tamin'izy nosamborina saingy nofafana rehefa nisy ny fanoherana ny fisamborana azy tao amin'ny media sosialy.

Namely indray tao amin'ny Facebook nizara sariitatra avy amin'ireo mpanao sariitatra hafa naneho hevitra mikasika ny fisamborana an'i Gawish tamin'ny alalan'ny fanaovana sariitatra maro mampiseho an'i El Sisi ilay mpanao gazety Hossam Alsokari.

‫#‏نصيحة‬.. إغلط في أي حد بس تجنب رسامي الكاريكاتير..
شارك بوضع رسوم أو روابط في التعليقات وسيتم تحديث البوست دوريا
(رسم أنديل من مدى مصر، وعبده البرماوي وهشام رحمة ومهاب من زائد 18، وأيضا صورة عمرو نوهان الذي حوكم عسكريا وحوكم عليه بالسجني سنتين)

Fanambaran'ny Sampandraharaham-Bahoaka: Afaka migidraka ny hafa ankoatra ny mpanao sariitatra ianao. Hita ao ireo sariitatra avy amin'i Andeel tany amin'i Mada Masr, Abda Elbermawi, Hesham Rahma sy Mohab avy amin'ny mihoatra ny 18. Ary koa sary nataon'i Amr Nohan [mampiseho ny filoha Sisi mitondra ny sofin'i Mickey Mouse mg=amin'ny teny malagasy ny rohy], izay notsaraina tamin'ny fitsarana miaramila ary nahazo sazy roa taona an-tranomaizina.

Cartoon by Andeel from Mada Masr. The cartoon shows Egyptian president Abdel Fattah El Sisi covering his face and saying: "I don't like to be drawn." The comment below reads: "Islam Gawish was arrested and accused of drawing the president."

Sariitatra avy amin'i Andeel tany amin'i Mada Masr. Sariitatra mampiseho ny filoha Ejipsiana Abdel Fattah El Sisi manakona ny tavany sy milaza hoe: “Tsy tiako atao sary aho.” Hoy ny vakin'ny soratra eo ambany: “Nosamborina i Islam Gawish ary voampanga ho nanao ny sarin'ny filoha.”

 

Cartoon by Hisham Rahma, which also features El Sisi. The caption reads: "Ban all laughter!"

Sariitatra avy amin'i Hisham Rahma, mampiseho an'i El Sisi ihany koa. Hoy ny vakin'ny soratra: “Voaràra ny fihomezana rehetra!”

Egyptian Facebook user Amr Nohan was sentenced to three years in prison by a military court for adding Mickey Mouse ears to President Abdel Fattah El-Sisi's image.

Ejipsiana mpisera Facebook Amr Nohan nahazo sazy telo taona an-tranomaizina avy amin'ny fitsarana miaramila noho ny fametahana ny sofin'ny Mickey Mouse teo amin'ny sarin'ny filoha Abdel Fattah El-Sisi.

Nitarika ireo mpikatroka malaza hiditra Twitter ny fisamborana an'i Islam, Bassem Youssef, mpanesoeso sady mpanolotra fandaharana nahazo loka Emmy vao haingana, nisioka hoe:

Raha nanodinkodina vola 37 tapitrisa i Islam, mety efa nihavana taminy izy ireo ary nandefa azy hody any an-trano. Tena ampy izay [Leo tanteraka]

Nalaza ny tantaran'i Islam:

Malaza manerantany i Islam Gawish

Rehefa avy natao famotorana sy nanontanian'ny Mpampanoa Lalàna i Gaish dia navotsotra ary noesorina ireo fiampangana rehetra. Tao amin'ny pejiny Facebook, mampanantena hanohy hanao izay ankafiziny indrindra – ny fanaovana sariitatra – i Islam:

عمومًا هفضل أرسم أفكاري.. مش هأبطل رسم، وهكمل اللي أنا حابه وهفضل شغال فيه، وأنا لا بطبّل لحد ولا بشتم حد، ولا منحاز فكريًا لحد وليا أرائي سواء الفكرية أو السياسية الخاصة، ولا متطرف في الحوار ولا بدعي البطولة والمثالية
وبشكركم جميعًا..

Hanohy hanao an-tsary ny hevitro aho. Tsy hijanona amin'ny fanaovana sary aho. Ary hanohy hanao izay tiako sy hanohy hiasa ho amin'izany. Tsy mampifalifaly ny rehetra aho, na manevateva olona. Ary tsy mitanila aho na ho an'iza na ho an'iza. Manana ny hevitro manokana aho, na ara-tsaina na ara-politika ary tsy olona mahery fihetsika amin'ny hevitro aho ary tsy milaza tena fa mahery fo sy modely amin'ny asa. Misaotra anareo rehetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.