Ambin-tsakafo Tsy Nohanina Mandritra ny Lanonana Ao Arzantina Alaina Hozaraina Indray

Mpilatsaka an-tsitrapo miaraka amin'ny Proyecto Plato Lleno. Nahazoana alalana.
Fisantarana andraikitry ny mpilatsaka an-tsitrapo ao Arzantina ny Proyecto Plato Lleno (Tetikasa Lovia Feno) izay maka ireo ambin-tsakafo tsy nohanina any amin'ny hetsika, lanonana, sy fety samihafa izay matetika miafara any anaty fanariam-pako ireo sakafo. Efa nahangona sakafo milanja 24 000 kilao sahady ny vondrona, izay nahavita nameno lovia 48.000 sy kibo noana mitovy isa amin'izany.
Karajia teo amin'ny mpinamana roa no niandohan'ny tetikasa. Nahita i Alexis Vidal, mpandravaka lanonana sy Paula Martino, izay miasa amina orinasa mpikarakara hetsika maharitra fa marobe loatra ireo sakafo tsy nohanina ariana rehefa tapitra ny lanonana, ka nanapa-kevitra hanao zavatra mifandraika izany izy ireo. Ny Tetikasa Lovia Feno no naterak'izany, tetikasa noforonina tamin'ny 2013..
Hoy ny pejy Facebook-n'ny tetikasa:
El proyecto surge como consecuencia de una alianza […] para organizar eventos con enfoque sustentable, ante la pregunta “¿Qué podríamos hacer con la comida que no se llega a consumir en los eventos -que es muchísima- y que termina siempre en la basura?”
Poco a poco fueron dando forma a este Proyecto de carácter 100% solidario para que la comida elaborada que no llega a consumirse en cada evento pueda ser destinada a Hogares, Comedores, Instituciones, etc, la clave para lograrlo era…VOLUNTAD!
Vokatry ny firaisankina ny tetikasa […] mba hikarakarana hetsika amin'ny fomba maharitra, manoloana ny fanontaniana hoe: ‘Inona no azontsika atao amin'ny sakafo tsy misy mihinana mandritra ny lanonana (izay tena marobe) izay matetika miafara any anaty fanariam-pako? “
Teraka tsikelikely ity tetikasan'ny mpirotsaka an-tsitrapo 100 isan-jato ity, ka azo nalefa any amin'ireo fikambanana, fisakafoanana sy ny sisa ireo sakafo nokarakaraina izay tsy nohanina tany amin'ireo lanonana samihafa. Ny fahombiazana amin'izany dia ny … NY FAHAVONONANA HANAO IZANY!

Nofonosina alohan'ny hizarana azy. Nahazoana alalana.
Araka ny nolazain'izy ireo tamin'ny gazety Arzantina La Nación, “tonga mandritra ny fety ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ka fonosiny ireo sakafo nohandroana nefa tsy nohanina, ary mitondra izany mivantana any amin'ireo fikambanana ara-tsosialy mba hozaraina faran'izay haingana na hampangatsiahina raha tara tara vao hozaraina.”
Ankoatra an'i Buenos Aires, dia mavitrika ao Mendoza, La Plata sy Posadas ihany koa ny tetikasa. Nanomboka niasa tamin'ny volana Oktobra ny vondrona Mendoza, raha nahare momba ny tetikasa natomboka tao an-drenivohitr'i Arzantina ny olona efatra, ary nanapa-kevitra ny hitondra izany ao amin'ny faritanin'izy ireo. Tamin'ny asa an-tsitrapo voalohany indrindra nataon'izy ireo tamin'ny alina, naavotra sakafo 30 kilao (66 kilao) izy ireo izay nanampy namahanana olona 60 tao anatin'ny ora vitsy monja.
Solontenan'ny tetikasa nilaza tamin'ny tranokalam-baovao Elsol hoe:
El grupo […] se presenta en un evento y realizan un operativo en el que el cuidado de la comida es el factor principal. Los voluntarios llevan la vestimenta apropiada para la tarea (cofias, barbijos, etcétera) y los platos son envasados al vacío para que luego se los deposite en una conservadora. Luego, la comida se entrega a un comedor previamente contactado por Plato Lleno.
Mipoitra any amin'ny lanonana iray ny vondrona […] ary manatontosa hetsika izay ny fikarakarana sakafo no anton-draharaha voalohany. Mitafy akanjo sahaza amin'ny lanonana (satroka, saron-tava, sy ny sisa) ireo mpilatsaka an-tsitrapo, fonosina ny lovia banga ary ampidirina ao anaty vata fampangatsiahana. Avy eo alefa any amin'ny lakozia efa nifampiresahana mialoha tamin'ny tetikasa ireo sakafo.
Hentitra ny dingana famonosana izay sakafo rehetra voaangona, araka ny hitanao ao amin'ny bokikelin'ny tetikasa “ny Fitsipiky ny Famonosana”:

[1. Hanaovana ny satroka, ny sarom-bava. ary ny fanamiana. 2. Mamantatra, mamafa .ary manadio ny toeram-piasana. 3. Apetraho eo amin'ny toeram-piasanao ny fitaovana rehetra. 4. Sasao ny tanana. 5. Ampidiro ny fonon-tanana. 6. Atomboy am-pitandremana ny dingana famonosana voalohany ireo sakafo. 7. Ataovy ny famonosana farany. 8. Fatory ny baoritra ary hoento any anaty fiara. 9. Esory ny fonon-tanana sy ny sarom-bava. 10. Sasao ny tanana.] Nahazoana alalana.
Mampiasa Twitter ihany koa ny tetikasa amin'ny asa sy ny hetsika ataony:
¿Nos ayudas a que @PlatoLleno pueda seguir trabajando?#LaComidaNoSeTira pic.twitter.com/FNCbaLXSI9
— ProyectoPlatoLleno (@PlatoLleno) febrero 2, 2016
Miaraha aminay!
Afaka miaraka aminay toy ny mpanavotra sakafo miaraka amin'ny karatry ny bankinao ianao ankehitriny!!!
Afaka manavotra isam-bolana ianao: 1 kilao/$24; 2 kilao/$48; 5 kilao/$120.
Tsotra fotsiny: alefaso mailaka aminay ao amin'ny proyectoplatolleno@gmail.com ny mombamomba anao amin'ny bankinao sy ny lanja amin'ny kilao tianao havotana.
Miala ho azy amin'ny kaontinao ny vola avy eo.
Misaotra!
—————-
Afaka manampy anay ve ianao ka afaka manohy ny asany hatrany ny Lovia Feno?
¿Tenés un Restaurante y no sabés que hacer con la comida que no llega a servirse? Te contamos que podés colaborar… https://t.co/R1lihYrIAS
— Plato Lleno Mendoza (@platolleno_mza) febrero 2, 2016
Manana toeram-pisakafoanana ve ianao ary tsy fantatrao izay atao amin'ireo sakafo tsy nohanina. Te hilaza aminao izahay fa afaka miara-miasa isika.
#LaComidaNoSeTira #PlatoLleno pic.twitter.com/jbpVhIoWIV
— ProyectoPlatoLleno (@PlatoLleno) enero 30, 2016
Hetsika fanohanana tontosain'ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny Tetikasa Lovia Feno, ka ny hisorohana ny fanariana ireo sakafo tsy nohanina mandritra ny lanonana no tanjona amin'izany.
Ny tanjonay dia miezaka mizara ireo ambin-tsakafo tsy nohanina izay mety hiafara any anaty fanariam-pako!
——————–
Aza ariana ny sakafo.
#LaComidaNoSeTira Mendocinos rescatan alimentos para ayudar a comedores https://t.co/mR8t6ZSywE pic.twitter.com/PrpswFUU4s
— ElSol .com.ar (@elsolonline) febrero 3, 2016
Ao Mendoza, manangona sakafo hanampiana fampisakafoanana ny hafa ny olona.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...