- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nahatezitra Mafy Ny Espaniôla Ilay Mpitolona Omby Nitàna Zazakely Teny An-kianja

Sokajy: Espaina, Fanabeazana, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Vaovao Mafana, Zavakanto & Kolontsaina
La foto de la polémica. Publicada por eldiario.es con licencia (CC BY-SA 3.0) [1]

Ilay sarin'i Fran Rivera niteraka resabe, sady nitolona omby no mitrotro an-janany vavy. Navoakan'ny eldiario.es teo ambany lisansa CC BY-SA 3.0.

Vao avy nanofahofa ny lamba mena teo anoloan'ireo media sôsialy i Fran Rivera, malaza amin'ny tolona omby,  tamin'ny namoahany  tao amin'ny kaontiny Instagram [2] [efa navadika ho an'ny tenany manokana ilay kaonty izao] ny sariny eo ampitolomana ombivavy kely iray, amin'ny tànany ilany, ary mitàna ny zanany vavikely dimy volana kosa amin'ny ilany.

Narahan'ity fanehoankevitra ity ilay sary :

Debut de Carmen, es la 5 generación que torea en nuestra familia. Mi abuelo toreo así con mi padre. Mi padre toreo así conmigo, y yo lo he hecho con mis hijas Cayetana y ahora con Carmen

Ny fanombohan'i Carmen : andian-taranaka fahadimy mitolona omby ato anatin'ny fianakavianay. Nitolona omby tahaka izao niaraka tamin'ny raiko ny raibeko, ary dia nataoko niaraka tamin'ireo zanako vavy koa izany, Cayetana ary i Carmen indray izao.

Tao anatin'ny ora vitsy, an-tapitrisa ny ‘tia’ azon'ilay sary (efa ho 14 tapitrisa tamin'ny fotoana namoahana ity lahatsoratra ity) ary fanehoankevitra an'arivony mampiseho ny fifankahalàna misy amin'ireo mpanohitra sy mpitia ny tolona omby ao Espaina.

Araka izany, nahita kianja tety anaty tambajotra sosialy mba hanehoany ny hafanampony manohitra izay lazain'ny sasany ho taokanto, ary fampijaliana kosa ho an'ny hafa ireo “mpanohitra-ombimanga” izay nangina nandritry taona marobe noho ny fiarovanaazon'ny hazakazaka ombimanga nomen'ireo andrim-panjakana ofisialy azy.

patry_yuma [3] Desde luego los argumentos pro taurinos son rídiculos!! Criar a un ser vivo con todo lujo de detalles para desp torturarlos… reconocer que soys unos putos sádicos… ño que hay que oir… gracias a dios el mundo se esta concienciando y ojala deje de existir esta carniceria.

Mazava loatra fa hafahafa ireo tohankevitra miaro ny tolona omby !! Miompy zavamanan'aina amin'ny fomba raitra rehetra mba ho ampijaliana avy eo…Ekeo fa olona tsy misy dikany sy mahatsiravina ianareo…tsy ilaina henonareo akory…isaorana andriamanitra fa tonga saina izao tontolo izao ary azo atao ny manantena fa hitsahatra tsy hisy intsony io fandripahana io.

Alexvam76 [4]  Al que no le gusten los toros que respete los gustos de los demás. Es una foto de un padre con su hija .Mostrandole sus raíces.

Ianareo  izay tsy tia ombimanga, hajao ny fitiavan'ny sasany. Sarin'ny raim-pianakaviana iray miaraka amin'ny zanany vavy io. Izay mampiseho aminy ny fàka niaviany.

amparo_lopez_24 [5] Ole tu f.r.paquirri y a los k no les gusta k luchen mas por detener el ambre en el mundo y dejen de meterse en algo k lleva toda la vida siendo una cultura española

Ole, Francisco Rivera Paquirri ! Aoka ireo izay tsy faly amin'io mba hiady hanafoana ny hanoanana manerana ny tany fa tsy hiditra amin-javatra izay efa hatrizay no toa anaty kolontsaina espaniôla.

niceguy_rob87 [6] Adala mampalahelo. Lalaovinao miaraka aminà biby tsy voafolaka ho fitaiza an-trano akory ny ain'ny zanakao vavy!!!  Tsy mendrika ny hiteraka ianao !

Vetivety dia tonga tany amin'ny Twitter ilay saritaka, ny “Fran Rivera” no lohalaharana tamin'ireo nironana tao tamin'ny 25 Janoary. Toy ny mahazatra, feno eso ireo bitsika tao :

Tsy menatra ianao. Hoe manaja ny zig, fomba fanao izay fampijaliana ireo biby misy tandroka, dia nefa eny an-tànana ihany ny zanaka. Ampy izay ry lery e !

Te-hanan-janaka aho izany, mba halefa ho homboina amin'ny hazo fijaliana. — Andriamanitra ô!

Atoa. Rivera, Afaka mivoaka milalao ve i Carmen ?

Nihoatra ny sisintany mihitsy aza ilay resaka, araka ny asehon'ity bitsika ity, avy amin'i Ricky Gervais, [11]ilay britanika mpilalao sarimihetsika sady mpiaro ny fiadanan'ireo biby :

Kaondrana, mitera-doza no sady olon-doza be. Na misy na tsy misy zazakely miaraka aminy.

Ny mifanohitra amin'izay, niditra tamin'ny fiarovana azy ireo mpitolona omby mpiara-misehatra amin'i Rivera tamin'ny fandefasany ny sarin'izy ireo mitolona omby miaraka aminà zazakely eny an-tànany avy, araka ity bitsika eto ambany avy amin'i Paula Zorita ity :

Inona no mba fantatr'ireo tsy tia amin'izay fàka ara-kolontsaina sy ny soatoavina ! Ho ahy, maharavo ahy ireny sary ireny… #EnyMiarakaAminJazakelyEnyAnkianja

Noho ireny bitsika ireny, maro tamin'ireo mpisera anaty aterineto no gaga nahita fomba fanao toa efa mahazatra ataon'ireo mpitolona omby, izay mahatonga azy ireny hametraka sary mampivarahontsana ety anaty serasera, toy ilay nalefan'i Antonio Martin, mpitolona omby efa misotro ronono :

Nankafy tanteraka ihany koa ny zanako lahy teny an-tsandriko rehefa nitolona omby aho, ho ela velona ny fitolomana omby

Tao amin'ny eldiario.es [19], namela ity fanehoankevitra manaraka ity i BorisVian ho an'i Rivera:

Tu tontería, te ha puesto a ti y a los compañeros en el punto de mira del mundo entero (siendo noticia y no de las buenas en varios diarios punteros internacionales). Creo que todavía no sabes hasta donde has metido la pata.

Nahatonga anao sy ireo namanao ho lasibatr'izao tonolo izao ny hadalànao (tamin'ny fanolorana vaovao, nefa tsy ny tsara, teny anaty gazety isankarazany sangany manerantany). Heveriko fa tsy mbola takatrao foana hoe hatraiza ny tsy fahombiazanao.

Sady izao, nivoaka tany anatin'ny gazety manerana izao tontolo izao [20] ilay vaovao, izay nampifotetaka be ny tsy maha-tomponandraikitra ireo mpitolona omby.

Susana Parra Becerril [21] anefa niaro an'i Rivera :

A mi me encantan los toros y la Fiesta. Lo que pasa es que en España, en vez de sentirnos orgullos de nosotros y de nuestras costumbres, somos unos acomplejados que nos parece mejor todo lo de fuera. No son más irresponsables los padres que beben y se ponen al volante? Y las armas en EEUU? O la violencia machista?

Tiako ny ombimanga sy ny Fiesta. Izay mitranga, dia manana toetsaina manambany tena isika aty Espaina raha tokony hahatsapa fireharehana amin'ny maha-isika antsika sy ny kolontsaintsika, manoloana ireo zavatra rehetra tonga avy any ivelany. Ireo ray sy reny misotro nefa mbola mandray familiana ve tsy olona tomponandraikitra bebe kokoa ? Ary ireo fitaovampiadiana any Etanozia ? Na ny herisetra ataon'ny lehilahy ?

Ao amin'ny  eldiario.es, [1]Virgilio27 mampitaha an'i Espaina sy ny ombimanga :

(…) El problema es que los toros huelen a España y eso a los antiEspañoles les jode. Una sociedad cada vez más hipócrita y falsa donde la gente se acojone por ver un animal ensangrentado es una sociedad enferma que no sabe lo que es la vida ni el valor de esta. Poner a los animales a la altura del ser humano es cuanto menos de ignorantes.

(…) Ny olana dia mahatsapa an'i Espaina ireo ombimanga ary manorisory ireo mpankahala an'i Espaina izany. Ny fiarahamonina iray mpihatsara ivelantsihy hatrizay sy diso, izay fanimpanina ny olona ao aminy vantany vao mahita biby mivoa-drà, dia fiarahamonina marary tsy mahafantatra akory ny atao hoe aina sy ny sandan'izany. Ny kely indrindra amin'ny tsy fahalàlana tsotra izao ny fametrahana ny biby hitovy laharana amin'ny olombelona.

 Nitondra ny raharaha ho fantatry ny [22] mpampanoa lalàna tao Séville ny Mpiaro ny Zaza Tsy Ampy Taona ao  Andalousie– toerana onenan'ilay mpitolona omby — ary nangataka azy hihevitra ilay sary ho fitaratry ny “toedraharaha iray tsy misy firaharahiana hampididoza ho an'ilay ankizivavy kely”.

Nanokatra antontan-taratasy “fiarovana ny tsy ampy taona” ny tao amin'ny fitsaràna, raha nanasa ilay mpitolona omby mba hisaina tsara kosa” [23] i Alfonso Alonso, ministry ny Fahasalamàna, ny asa sosialy sy ny fitoviana, tamin'ny fanohanana ny hoe “tsy mendrika mihitsy, na amin'ny fotoana inona, na amin'ny fotoana inona, ny fanaovana izay hampididoza ny ain'ireo tsy ampy taona”.

Na izany aza, tsy noheverin'Ing. Alonso hoe ilaina ny manasazy an'Ing. Rivera.

Ny “Parti Populaire” eo amin'ny fitondràna, izay misy ny minisitra Alonso, mijanona mifikitra fatratra amin'ny fiarovana mafy ny fitolomana omby, hetsika iray nambara fa “tena ara-kolontsaina” tamin'ny 2013 [24], izay nahafahany nahazo fanohanana ara-bola misimisy kokoa tao anatin'ny fanaovana lalàna vaomarika manokana tamin'ny fanaovana politikam-pitsitsiana sy ny fanapatapahana tetibola, izay raha araka ireo fitsapankevitra, latsaky ny Espaniôla iray amin'ny dimy no manome rariny an'ilay tetibolam-panjakana ho an'ny fetiben'ny fitolomana omby.

Tsy maintsy marihana ihany fa mpitolona omby tena mahatsapa tsara ny loza ateraky ny adin'ny ombimanga i Fran Rivera, satria na izy tenany aza efa naratra mafy voan'ny tandroka [25] teny am-panatanterahana ny asany. Mbola kely i Riviera dia efa kamboty ray, i Paquirri [26], ilay malaza amin'ny tolona omby maty tamin'ny Septambra 1984 rehefa voatoton'ny tandroky ny ombimanga iray.