- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tari-dalana Twitter Vetivety Momba Ny Fifidianana Ao Oganda Amin'Ity Volana Ity

Sokajy: Afrika Mainty, Oganda, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika
Ugandan President Yoweri Museveni. Photo released under Creative Commons by Russell Watkins / Department for International Development, UK.

Ny filoha Ogandey Yoweri Museveni. Sary mivoaka ambany fifehezana Creative Commons avy amin'i Russell Watkins / Departemantan'ny Fampivoarana Iraisampirenena, UK.

Mankany amin'ny biraom-pifidianana i Oganda amin'ny alakamisy 18 febroary hifidy filoha ao anatin'ny fanahiana hisian'ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana [1]. Mitady fehim-potoam-piasana fahadimy ny filoha Yoweri Museveni, [2] izay efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny 1986. (Tsy misy fetrany ny fehim-potoam-piasan'ny filoha ao Ogandà.) Ireo kandidàn'ny fanoherana lehibe dia ny Dr. Kizza Besigye [3] avy amin'ny Forum for Democratic Change, izay faninefany izao no nifaninanany tamin'i Museveni, sy Amama Mbabazi, [4] kandidà mahaleotena avy amin'ny vondrona mpanandrateny GoForward. Samy mpira-dia tamin'i Museveni taloha avokoa izy mirahalahy ireo talohan'ny nialany (izay notaterina fa efa te-ho filoham-pirenena)

Ireo kandidà hafa kosa dia i Abed Bwanika [5], Benon Biraaro [6], Venansius Baryamureeba [7], Joseph Mabirizi [8], ary ny hany vehivavy nirotsaka ho filoham-pirenena dia i Maureen Kyalya [9].

Handrotsa-bato amin'ny fifidianana parlemantera sy ny anivon'ny vondrom-bahoaka ihany koa ny Ogandey amin'io andro io.

Indreto ambany ireto ny taridalana Twitter ahitanao ny fanavaozam-baovao, vaovao, fanadihadiana ary tatitra mifandraika amin'ny fifidianana ao Ogandà amin'ity volana ity:

Hashtags

Ireo diezy na tenifototra tsara arahina dia #UgandaDecides [10]#IChoosePeaceUG [11], #GoForward2016 [12], #UGDebate16 [13], # [14]SteadyProgress [15], ary #IPledgePeaceUG [16], izay nalefan'ny [17] Tambajotram-Pisantaran'Andraikitry ny Tanora Afrikana Mpitarika na Young African Leadership Initiative Network (YALI) miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Ogandà.

Mpisera Twitter

Vaovaon-gazety

Kandidà ho filoha

Vaomieran'ny Fifidianana ao Ogandà