Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tari-dalana Twitter Vetivety Momba Ny Fifidianana Ao Oganda Amin'Ity Volana Ity

Ugandan President Yoweri Museveni. Photo released under Creative Commons by Russell Watkins / Department for International Development, UK.

Ny filoha Ogandey Yoweri Museveni. Sary mivoaka ambany fifehezana Creative Commons avy amin'i Russell Watkins / Departemantan'ny Fampivoarana Iraisampirenena, UK.

Mankany amin'ny biraom-pifidianana i Oganda amin'ny alakamisy 18 febroary hifidy filoha ao anatin'ny fanahiana hisian'ny herisetra mifandraika amin'ny fifidianana. Mitady fehim-potoam-piasana fahadimy ny filoha Yoweri Museveni, izay efa teo amin'ny fahefana hatramin'ny 1986. (Tsy misy fetrany ny fehim-potoam-piasan'ny filoha ao Ogandà.) Ireo kandidàn'ny fanoherana lehibe dia ny Dr. Kizza Besigye avy amin'ny Forum for Democratic Change, izay faninefany izao no nifaninanany tamin'i Museveni, sy Amama Mbabazi, kandidà mahaleotena avy amin'ny vondrona mpanandrateny GoForward. Samy mpira-dia tamin'i Museveni taloha avokoa izy mirahalahy ireo talohan'ny nialany (izay notaterina fa efa te-ho filoham-pirenena)

Ireo kandidà hafa kosa dia i Abed Bwanika, Benon Biraaro, Venansius Baryamureeba, Joseph Mabirizi, ary ny hany vehivavy nirotsaka ho filoham-pirenena dia i Maureen Kyalya.

Handrotsa-bato amin'ny fifidianana parlemantera sy ny anivon'ny vondrom-bahoaka ihany koa ny Ogandey amin'io andro io.

Indreto ambany ireto ny taridalana Twitter ahitanao ny fanavaozam-baovao, vaovao, fanadihadiana ary tatitra mifandraika amin'ny fifidianana ao Ogandà amin'ity volana ity:

Hashtags

Ireo diezy na tenifototra tsara arahina dia #UgandaDecides#IChoosePeaceUG, #GoForward2016, #UGDebate16, #SteadyProgress, ary #IPledgePeaceUG, izay nalefan'ny Tambajotram-Pisantaran'Andraikitry ny Tanora Afrikana Mpitarika na Young African Leadership Initiative Network (YALI) miaraka amin'ny fanohanana avy amin'ny Masoivohon'i Etazonia ao Ogandà.

Mpisera Twitter

Vaovaon-gazety

Kandidà ho filoha

Vaomieran'ny Fifidianana ao Ogandà

  • ECUganda, kaonty Twitter ofisialin'ny vaomieran'ny fifidianana
  • Jotham Taremwa, Mpitondratenin'ny Vaomieran'ny Fifidianana ao Ogandà

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.