Drafitr'i Hong Kong Mba Hamongorana Tsikelikely Ny Varotra Vangin'elefanta Amin'ny Tsena Anatiny

Andro iray nialoha ny fanambaràna ny politikan'ny governemantan'i Hong Kong, nanangona sonia niisa 66.159 sy nampiseho izany tamin'ny filoha mpanatanteraka ireo vondrona mpiaro ny fiainan'ireo bibidia any amin'ny toerany natoraly, nangataka ny fandraràna ny varotra vqngin'elefanta ao amin'ny tsena anatiny. Sary: WildAid HK / Twitter
Nanambara ny drafitra hametrahana fandraràna ny fanafàrana sy fanondrànana ny vokatry ny haza elefanta ireo manampahefana an'i Hong Kong, manafoana tsikelikely tanteraka ny varotra vangin'elefanta amin'ny tsena anatiny.
Ny taona 1990, taorian'ny fandraràna iraisampirenena ny varotra vangin'elefanta, nandrara ny fividianana sy famarotana avy any ivelany ny vangin'elefanta i Hong Kong, na mbola nanohy namela ny varotra nahazoana alàlana amin'ireo vokatra azo avy amin'ny vangin'elefanta ao amin'ny tsena anatina aza. Ny taona 2014, mbola nisy tsena sy toeran'ny mpanao asa tànana nanana fahazoandàlana niisa 447 nikirakira ny vangin'elefanta ihany.
Ho fanampin'ny varotra anatiny ara-dalàna, misy tsena maizina lehibe tsy ara-dalàna momba ny vangin'elefanta. Ny taona 2013 monja izao, nahatratra sy nitazona 8.041 kilao (maherin'ny 17.700 pounds) anà vangin'elefanta nampidirina an-tsokosoko nalefa tany Hong Kong ny sampandraharahan'ny fadintseranana. Araka ny antontan-taratasin'ny Filankevitry ny Lalàna, eo amin'ny 60 isanjaton'ny vangin'elefanta tsy ara-dalàna ampidirina an-tsokosoko any Hong Kong no mifarana any amin'ny taniben'i Shina. Ny sasany amin'ny vangin'elefanta tsy ara-dalàna ihany koa mandeha any amin'ny tsena antsinjarany ao anatiny, izay misy mpanjifa maro ho an'ireo vokatra lafo vidy ho an'ireo mpizahatany any amin'ny tanibe.
Taorian'ny fanambaran'i Shina hoe hanao fibahanana tanteraka ny vangin'elefanta izy, nampiditra drafitra hampandehanana haingana ny lalàna mandrara ny fanafarana sy fanondranana avy any ivelany ny vokatra azo amin'ny fihazana elefanta ny Filoha Mpanatanterak'i Hong Kong, Leung. Nilaza ihany koa izy fa hokarohan'ny fanjakana amin'ny fomba mavitrika ireo fepetra hafa entina hanafoana miandàlana ny varotra vangin'elefanta ao anatiny.
Iaraha-mahalàla ny toeran'i Hong Kong hoe tsena lehibe indrindra manerantany amin'ny varotra vangin'elefanta, ary ny sehatra ivezivezen'ny varotra tsy ara-dalàna amin'ny vangin'elefanta ao amin'ny taniben'i Shina, maro ireo vondrona mpiaro ny zavaboahary tsy ompiana, miantso ilay fampanantenana vaovao nataon'ny governemanta ho toy ny savalàlana. Iray amin'ireo fikambanana ireo izay tena naneho ny feony ny WildAid tamin'ny fiezahana hamadihana ilay fandraràna ny varotra vangin'elefanta ho lasa tena misy any Hong Kong. Mankalaza ilay vaovao izy:
Fantastic news out of Hong Kong today! Much work 2 do but a hopeful sign of things to come, via @wildaidHK https://t.co/03CSkZwTcW
— WildAid (@WildAid) January 13, 2016
Vaovao tena tsara an'i Hong Kong androany! Maro ny asa hatao fa misy ireo zavatra mahabe fanantenana amin'ny ho avy, avy amin'ny @wildaidHK
Marina tokoa, betsaka tokoa ireo asa hatao miandry ny governemanta mba hiarovana ireo elefanta. Voalohany, tsy moramora akory ny fanoheran'ireo mpikirakira vangin'elefanta nahazo alàlana, ary mbola misy ihany koa ny tahotra hoe mety ho tara loatra ho an'ireo elefanta, mandrapahitàna fepetra mivaingana hampiharina, .
Amin'ny maha-mpitia biby azy, maneho hevitra i Kaz:
Their business will be extinct ANYWAY in a few year as there will be no more ivory, thanks to no more elephants…. https://t.co/X9FkwCYhNa
— Kaz (@kaz_hk) January 14, 2016
Ho foana ihany io aferan-dry zalahy io NA HO INONA NA HO INONA ato anatin'ny taona vitsy satria tsy hisy vangin'elefanta intsony, noho ny tsy fisian'ny elefanta intsony….
Nasehon’ny fanadihadiana navoaka ny taona 2014, fa namono elefanta Afrikana 100.000 isa ireo mpihaza biby tsy ara-dalàna, tao anatin'ny telo taona monja (tao anelanelan'ny 2011 sy 2014).
Faharoa, ahitàna tsy fahabangàna maro ireo lalàna misy ao Hong Kong amin'izao fotoana izao, izay manohana ny satan'ilay tanàna ho toerana lehibe indrindra amin'ny varotra vangin'elefanta eto an-tany. Ny tena marina, tafiditra amin'ny varotra an-tsokosoko tsy ara-dalàna ireo fivarotana maro manana fahazoandàlana, araka ny tatitra miafina navoakan'ny WildAid telo volana lasa:
Lahatsary Nafenina Mampibaribary ny Tsy Mety Tamin'ny Seraseranà Vangin'elefanta avy tamin'ny WildAid amin'ny Vimeo.
Milaza ilay mpivarotra an-tsokosoko ao anatin'ny lahatsary fa tsy mahalala ny fomba hamefena ny varotra vangin'elefanta mihitsy ireo tomponandraiki-panjakana, ary tsy manaraka ny làlana izay mitondra mankany amin'ny toerana fanangonana ireo vangin'elefanta izy ireo.
Ny taona 2014, nahatratra 2.100 dolara Amerikana isaky ny kilao eo ho eo no vidin'ny vangin'elefanta tsy mbola nasiam-panodinana any Shina amin'ny ambongadiny, ary ny volana Novambra 2015 vao nidina 1.100 dolara Amerikana. Mahatonga ny tsena maizin'ny vangin'elefanta ho indostria ambanin'ny tany mitentina dolara an-tapitrisany maro ireo tarehimarika ireo.
Ny taona 1990, 474 taonina ny lanjan'ny tahirinà vangin'elefanta voarakitra tany Hong Kong. Ny taona 2000, nolazaina ho 261 taonina indray io. Na izany aza, hatramin'izay, nihisatra ny fihenan'ny tahirinà vangin'elefanta teo an-toerana, ary ny taona 2008 mbola nisy 232 taonina ny vangin'elefanta voarakitra tao an-toerana.
Araka ireo tatitry ny media, tsy mbola nametraka fanamarinana isan-taona mikasika ny habetsahan'ny tahirinà vangin'elefanta voarakitra any an-tànan'ireo mpivarotra mahazo alàlana mihitsy ireo manampahefanan'i Hong Kong, na nanamarina sy nanaramaso ireo boky firaiketan'izy ireo ny varotra natao. Izany no mahatonga ny vangin'elefanta tsy ara-dalàna miditra antsokosoko mahita ny làlany mora foana eny amin'ny tahalan'ny fivarotana.
Hatramin'izao aloha, tsy mbola nametraka fandaharam-potoana matotra amin'ny fandraràna ny varotra anatiny ihany ny governemantan'i Hong Kong, miezaka ny hanintona ny saina ho any amin'ny politika ireo vondrona miaro ny fiainana tsy mbola voatohintohina, amin'ny fanantenana ny hanao io ho sarotra avadika kokoa amin'ny hoavy:
Fine by us! More people will learn HK will ban #ivory trade. The more people that know, the less chance of a U-turn! https://t.co/iVQfZXYWqd
— WildAid Hong Kong (@WildAidHK) January 26, 2016
Tsara ho anay! Maro ireo olona hahafantatra fa handràra ny varotra #vangin'elefanta i HK. Rehefa betsaka ny olona mahafantatra, kely ny risika hoe hiverina ilàlana ianareo!
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...