26 Janoary 2016, manamarika ny faha-30 taona hatramin'ny nakàn'ny Filoha Yoweri Museveni [1] sy ny Hetsika Mpanohitra Nasiônaliny [2] ny fitantanana an'i Oganda, taorian'ny ady 5 taona izay nanongana ny filoha tamin'izany, Milton Obote [3]. Nihoaran'i Idi Amin [4] (1971-79) i Obote teo amin'ny fahefana, saingy tafaverina naka ny fitondrana indray taorian'ny nanongànany an'i Amin.
Tamin'ny taona nahatongavan'i Museveni hitondra ny firenena, maherin'ny 75% amin'ny mponin'i Oganda ankehitriny no mbola tsy teraka — fa ireo efa teraka tamin'izany kosa mampiasa ny tenifototra #1986pictures [5] (sary 1986) mba hizara ireo fahatsiarovany tamin'izany fotoana izany.
Fa nahoana no amin'izao? Ankehitriny, mitady [6] hahazo ny fepotoana hiasàny faha-enina eo amin'ny toerany ny Filoha Museveni. Hatao ny 18 Febroary 2016 ny fifidianana filohampirenena [7], ary raha toa ka tokony hiantso fandresena [8] amin'ireo fandatsaham-bato ilay eo an-toerana, hita ho toa misy fahadisoam-panantenana [9] goavana ihany amin'ny fizotran'ny dingan'ilay fifidianana.
Efa nisy resabe sahady — tsy tsara loatra ny fahasalaman'ny toekaren [10]‘ny firenena, misy ireo tatitra [11] milaza fa nandany vola maherin'ny 7 tapitrisa dolara i Museveni tamin'ny fampielezankevitra hifidianana azy indray tao anatin'ny fotoana roa volana monja, ary ny iray amin'ireo mpifaninana aminy ara-politika amin'ny fifidianana ny ho filoha, Amama Mbabazi [12], niampanga azy [13] ho nanao “hetsika mahery” mba “hampitahorana sy hanamparam-pahefana” amin'ireo mpanohana ny mpifaninana aminy.
Nanapaka hevitra ny hampandre ireo feony ety anetin'ny Aterineto ireo mpisera amin'ny Aterineto, izay mety na tsia ho tonga any amin'ny fandatsaham-bato amin'ny andron'ny fifidianana:
I was two years old when @KagutaMuseveni [14] took power. I am now 31 years old. Hashtag #1986pictures [5] & share ur story pic.twitter.com/ipFFiMkWZ0 [15]
— Thomas Ddumba (@tomddumba) January 16, 2016 [16]
Roa taona aho fony nandray ny fahefana i @KagutaMuseveni. 31 taona aho ankehitriny. Tenifototra #1986pictures ary zareo ny tantaranao
#1986Pictures [17] that's me when #M7 [18] promised that after 5years he would go and rear his cows. pic.twitter.com/vhtq1YH41h [19]
— Baksi (@juanbaksi) January 19, 2016 [20]
#1986Pictures izany aho fony nampanantena ahy i #M7 fa hiala aorian'ny 5 taona ary handeha hiandry ny ombiny.
Ampahatsiahivin'ny tranonkala This is Ouganda ny fomba nandraisan'ny Tandrefana an'i Museveni teo amin'ny toerany:
#TBT [21] Former POTUS Ronald Reagan shakes hands with President @KagutaMuseveni [14] pic.twitter.com/OWpZGehsKs [22]
— This Is Uganda (@ThisIsUganda_) January 21, 2016 [23]
#TBT Ronald Reagan filoha fahiny tao Etazonia, nifandray tànana tamin'ny Filoha @KagutaMuseveni
Ireo hafa nahatsiaro ny naha voatery ireo fianakaviany nisidina handositra tany Andrefana:
#1986pictures [5] My sister @barnta [24] and I, in Kingston, Ontario, Canada. My parents were in exile :)))) pic.twitter.com/fNF1LgtQmU [25]
— Kasabiiti (@Kasabiiti) January 17, 2016 [26]
#1986pictures Ny rahavaviko @barnta sy izaho, tany Kingston, Ontario, Kanadà. Tan y an-tsesitany ireo ray aman-dreniko :))))
#1986pictures [5] family photo album lost in exilé
— emmanuel othini (@EOthini) January 17, 2016 [27]
#1986pictures tahirin-tsarin'ny fianakaviana very tany an-tsesitany
Nisy fampitahàna maro ny amin'ny “tamin'izany” sy ny “ankehitriny”:
#1986Pictures [17] compare m7 of today and that of 86 pic.twitter.com/XPfAX8royw [28]
— mirugwe alex junior (@mirugwealex1) January 19, 2016 [29]
#1986Pictures ampitahao ny m7 ankehitriny sy ny tamin'ny taona 86
#1986pictures [5] this could buy a car! Now only an egg! pic.twitter.com/rDDlkHLgA3 [30]
— Kityo Kenny Rand (@kkennyrand) January 18, 2016 [31]
#1986pictures afaka nividianana fiara io! Ankehitriny atody iray fotsiny!
Kalundi Serumaga nahatsiahy ny fotoanany tamin'ny Front de Libération Nationale tao Oganda:
@dfkm1970 [32] Have no pics, but was a cadre in the UNLF(A-D), fighting the NRM, having fought the other dictatorships before it. #1986Pictures [17]
— Kalundi Serumaga (@NativeLandgrab) January 17, 2016 [33]
@dfkm1970 Tsy manana sary, fa mpiasa ambony tao amin'ny UNLF(A-D), niady tamin'ny NRM, niady tamin'ireo mpanao jadona nialoha io. #1986Pictures
Mpampiasa Twitter, Charles Onyango-Obbo, nandefa ireo sarin'ny fahasimban'ny Farihy Victoria ary nanao fampitahana ara-politika eo ankilan'izany:
Circa 1986 a healthy Lake Victoria • 2016 choked to near-death by water hyacinth (how symbolic!) #1986pictures [5] pic.twitter.com/OtFzCsqx5Y [34]
— Charles Onyango-Obbo (@cobbo3) January 19, 2016 [35]
Circa 1986, Farihy Victoria salama • 2016 sempotra efa mila ho faty noho ny tsinkafona ao amin'io rano io (milaza ho azy!)
Maro ireo mpampiasa Twitter nieritreritra fa efa ampy tsara hitondràna ny 30 taona:
#1986Pictures [17]. The good old days… 🙂 30 years is one hell of a long, long time! pic.twitter.com/QXBMYQVf5u [36]
— Ronald Sebuhinja K (@sebsronnie) January 17, 2016 [37]
#1986Pictures. Ireo andro nahafinaritra tamin'izany fotoana… 🙂 lava tena lava loatra ny 30 taona!
I am yet to meet a Ugandan who has had one job for 30 years that's not @KagutaMuseveni [14] #1986Pictures [17]
— Thomas Ddumba (@tomddumba) January 18, 2016 [38]
Mba te-hihaona aminà Ogande iray nahazo asa nandritra ny 30 taona kanefa tsy @KagutaMuseveni aho #1986Pictures
#1986Pictures [17] with a twist. pic.twitter.com/t5HzuPvrsV [39]
— Aguma Awoii (@AwoiiKen) January 20, 2016 [40]
#1986Pictures somary mihataka kely.
Bitsika iray indray, nampiseho mazava ny ambaratongan'ny fikorontanan-tsaina mety iainan'ireo tanora Ogande maro:
In 1986 My Mum n Dad had not yet met n so i wasn't in any process but i feel more tired than those who existed #1986Pictures [17] i feel 4 u 😓😫😭😥
— Shannah Namaganda Am (@shannah2012) January 20, 2016 [41]
Ny taona 1986, mbola tsy nihaona ny Mamako sy Dadako, noho izany tsy mbola tao anatin'ny lamin'izy ireo mihitsy aho, kanefa mahatsapa reraka noho ireo efa niaina tamin'izany aho #1986Pictures ny zavatra tsapako anareo 😓😫😭😥