Fosa Ataon'ireo Ogande An'ny Filoha Museveni Miaraka Amin'ireo Sary 30 taona Lasa

Uganda's president Yoweri Museveni. Photo released under Creative Commons by Russell Watkins/Department for International Development UK).

Filohan'i Oganda Yoweri Museveni. Sary nalefa ambany Creative Commons avy tamin'i Russell Watkins/Sampana ho an'ny Fampandrosoana Iraisampirenen'i Angletera).

26 Janoary 2016, manamarika ny faha-30 taona hatramin'ny nakàn'ny Filoha Yoweri Museveni sy ny Hetsika Mpanohitra Nasiônaliny ny fitantanana an'i Oganda, taorian'ny ady 5 taona izay nanongana ny filoha tamin'izany, Milton Obote. Nihoaran'i Idi Amin (1971-79) i Obote teo amin'ny fahefana, saingy tafaverina naka ny fitondrana indray taorian'ny nanongànany an'i Amin.

Tamin'ny taona nahatongavan'i Museveni hitondra ny firenena, maherin'ny 75% amin'ny mponin'i Oganda ankehitriny no mbola tsy teraka — fa ireo efa teraka tamin'izany kosa mampiasa ny tenifototra #1986pictures (sary 1986) mba hizara ireo fahatsiarovany tamin'izany fotoana izany.

Fa nahoana no amin'izao? Ankehitriny, mitady hahazo ny fepotoana hiasàny faha-enina eo amin'ny toerany ny Filoha Museveni. Hatao ny 18 Febroary 2016 ny fifidianana filohampirenena, ary raha toa ka tokony hiantso fandresena amin'ireo fandatsaham-bato ilay eo an-toerana, hita ho toa misy fahadisoam-panantenana goavana ihany amin'ny fizotran'ny dingan'ilay fifidianana.

Efa nisy resabe sahady — tsy tsara loatra ny fahasalaman'ny toekaren‘ny firenena, misy ireo tatitra milaza fa nandany vola maherin'ny 7 tapitrisa dolara i Museveni tamin'ny fampielezankevitra hifidianana azy indray tao anatin'ny fotoana roa volana monja, ary ny iray amin'ireo mpifaninana aminy ara-politika amin'ny fifidianana ny ho filoha, Amama Mbabazi, niampanga azy ho nanao “hetsika mahery” mba “hampitahorana sy hanamparam-pahefana” amin'ireo mpanohana ny mpifaninana aminy.

Nanapaka hevitra ny hampandre ireo feony ety anetin'ny Aterineto ireo mpisera amin'ny Aterineto, izay mety na tsia ho tonga any amin'ny fandatsaham-bato amin'ny andron'ny fifidianana:

Roa taona aho fony nandray ny fahefana i @KagutaMuseveni. 31 taona aho ankehitriny. Tenifototra #1986pictures ary zareo ny tantaranao

#1986Pictures izany aho fony nampanantena ahy i #M7 fa hiala aorian'ny 5 taona ary handeha hiandry  ny ombiny.

Ampahatsiahivin'ny tranonkala This is Ouganda ny fomba nandraisan'ny Tandrefana an'i Museveni teo amin'ny toerany:

#TBT Ronald Reagan filoha fahiny tao Etazonia, nifandray tànana tamin'ny Filoha @KagutaMuseveni

Ireo hafa nahatsiaro ny naha voatery ireo fianakaviany nisidina handositra tany Andrefana:

#1986pictures Ny rahavaviko @barnta sy izaho, tany Kingston, Ontario, Kanadà. Tan y an-tsesitany ireo ray aman-dreniko :))))

#1986pictures tahirin-tsarin'ny fianakaviana very tany an-tsesitany

Nisy fampitahàna maro ny amin'ny “tamin'izany” sy ny “ankehitriny”:

#1986Pictures ampitahao ny m7 ankehitriny sy ny tamin'ny taona 86

#1986pictures afaka nividianana fiara io! Ankehitriny atody iray fotsiny!

Kalundi Serumaga nahatsiahy ny fotoanany tamin'ny Front de Libération Nationale tao Oganda:

@dfkm1970 Tsy manana sary, fa mpiasa ambony tao amin'ny UNLF(A-D), niady tamin'ny NRM, niady tamin'ireo mpanao jadona nialoha io. #1986Pictures

Mpampiasa Twitter, Charles Onyango-Obbo, nandefa ireo sarin'ny fahasimban'ny Farihy Victoria ary nanao fampitahana ara-politika eo ankilan'izany:

Circa 1986, Farihy Victoria salama • 2016 sempotra efa mila ho faty noho ny tsinkafona ao amin'io rano io (milaza ho azy!)

Maro ireo mpampiasa Twitter nieritreritra fa efa ampy tsara hitondràna ny 30 taona:

#1986Pictures. Ireo andro nahafinaritra tamin'izany fotoana… 🙂 lava tena lava loatra ny 30 taona!

Mba te-hihaona aminà  Ogande iray nahazo asa nandritra ny 30 taona kanefa tsy @KagutaMuseveni aho #1986Pictures

#1986Pictures somary mihataka kely.

Bitsika iray indray, nampiseho mazava ny ambaratongan'ny fikorontanan-tsaina mety iainan'ireo tanora Ogande maro:

Ny taona 1986, mbola tsy nihaona ny Mamako sy Dadako, noho izany tsy mbola tao anatin'ny lamin'izy ireo mihitsy aho, kanefa mahatsapa reraka noho ireo efa niaina tamin'izany aho #1986Pictures ny zavatra tsapako anareo 😓😫😭😥

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.