- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tsssss! Mpanolotsaina Vaovaon'i Putin Momba Ny Aterineto, Voasaringotra Aminà Fijirihana Ny Aterineto

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Lalàna, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Toekarena sy Fandraharahàna, Vaovao Mafana, Akon'ny RuNet
Pirates of the Kremlin. Edited by Kevin Rothrock.

Mpijirik'i Kremlin. Nataon'i Kevin Rothrock.

Raha ny fandehany dia toa mpanampy goavana manamora ny fijirihana amin'ny aterineto ny mpanolotsaina vaovaon'i Putin momba ny aterineto, araka ny tatitra iray vaovao. Taminn'y fanjohiana ny tariky ny filoha vao herinandro vitsivitsy monja izay, efa nahavita nampiahiahy ny maro i German Klimenko, voalohany tamin'ny fandrahonana [1] fanakatonana ilay fampiasa fandefasana hafatra “Telegram”, ary avy eo tamin'ny fideràna [2] ireo tombony ho azon'ny tambajotra Rosiana “amin'ny fanarahana ny zotran'i Shina”. Ankehitriny dia efa izy indray no lohateny vaventy, raha toa ka sahala amin'ny tsy novavolaina izy io, amin'ity indray mitoraka ity.

Araka ny lahatsoratra [3] iray navoaka tamin'ny 18 Janoary tao amin'ny gazety Vedomosti, mifamatotra amina mavoisoho iray antsoina hoe “ECO PC – Complex Solutions,” izay tompon'ny tranonkala Torrnado.ru, tambajotra iray misy lisitra misesy sady fanakilasiana ireo rakitra marobe, ny kaompania Mediametrics an'i Klimenko.

Ny 17 Janoary, iray andro mialohan'ny tatitr'i Vedomosti, nilaza [4] i Klimenko fa mikasa ny hamindra ny fanarahamaso amin'ireo petrabolany maro ho amin'ny zanany lahy. Araka ireo loharanom-baovaon'i Vedmosti, ny Torrnado.ru no iray amin'ireo.

ao anatin”ireo fanehoankevitra tamin'ny Facebook, nantsoin [5]‘i Klimenko hoe “donos” ny tantaran'i Vedomosti (“fanamelohana”), midika fa misy olona iray mampiasa ny gazety mba handotoana ny làzany. Nilaza [6] koa i Klimenko fa, “tsy misy zavatra tsy ara-dalàna mikasika ny fanànana ny torrent trackers. Mila miara-miasa amin'ny tompon'ny fizakàmanana fotsiny ianao ary manampy azy ireo mba hiady ho an'ny zony.” Telo ora taorian'izay (efa dilan'ny misasakalina ho an'i Maosko), nanoratra [7] tsy sazoka izy ary tsy nisy hakiviana: “Fantatrareo, mahaliana ny lisitr'ireo fahotako: nakatoko ny Telegrama, ary namorona Aterineto Shinoa iray mba ho solon'ny an'i Rosia. Ary manohana ireo mpijirika aho. Ireo rehetra ireo amin'ny tanana ilany ary miaraka”.

Misy ireo milaza fa ny fananan'i Klimenko mikasika ny lisitra mifanaraka marobe dia mitovy lenta amin'ny fifangaroana'andraikitra [8]. Ny herinandro lasa teo, ny 14 Janoary, ohatra, nilaza [9] tamin'ny sampana fampahalalam-baovao Praim i Klimenko fa tsy maintsy ahemotr'i Rosia ny fampiharana matotra ny lalàna mikasika ny zon'ny mpamorona, mandra-pivoakan'ny firenena ao anaty toekarena marefo. “Raha ny marina, ny fangatahana ny fiarovana ny zon'ny mpamorona dia mitombo miaraka amin'ny fiakaran'ny toekarena,” hoy ny fanazavany. “Saingy rehefa ratsy ny toe-draharaha, amiko dia, tsy tokony hisy olona hampihorohoro ny sasany amin'ny tsy misy ilàna azy amin'ireny olana ireny [mikasika ny torrent].”

Efa nipoitra any an-tanan-dehibe sahady ohatra ireo sary mpihanihany ety anaty aterineto (miaraka amin'ny sary mahatsikaiky momba ny Stars Wars [10] indrindra indrindra) mba hivazivaziana momba ny toe-draharaha sarotr'i Klimenko, maneso azy ho tsy mahita teny mahery atao an'ireo orinasa tandrefana misahana aterineto, nefa manana fifamatorana amina tranonkala iray manamora ny fijirihana tambajotra.

Raha ny fandehany,mpanolo-tsainan’ ny filoha momba ny Aterineto dia tomponà tracker torrent. [mivaky toy izao ny maribolana, “Ianao no iray voafidy! Voalaza fa tokony handrava ny torrent trackers ianao, fa tsy ny hanaraka azy ireo!”]

Tamin'ny fotoana nanoratana an'ity, nanindrahindra ireo rohy mikasika ireo horonantsary Hollywood maro voajirika mazava tsara ny pejy fandraisan'ny Torrnado.ru (torrNADO, na “Gotta Torrent”), tao anatin'izany ny Hotel Transylvania 2, Mission Impossible: Rogue Nation, Ant-Man, sy ny maro hafa.

Voatendry mba hiasa ho Mpanolotsainan'ny Filoha Putin amin'ny resaka Aterineto sy varotra ataon an-tambajotra i Klimenko ny 4 Janoary. Tsy mbola mazava ireo adidy sy andraikitr'i Klimenko amin'io toerana vaovao io. Mivaky fotsiny toy izao ny didy fanendrena [14] nandraisana azy, “German S. Klimenko dia voatendry ho mpanolotsainan'ny filohan'ny Federasiona Rosiana.”

Tsy Klimenko no voalohany amin'ny Rosiana manampahefana amin'ny Aterineto voarohirohy amin'ny fampiasàna ny biraom-panjakana mba hiarovana ireo tombontsoan'ny fandraharahàny. Ny 15 Oktobra, Alexey Navalny mpanohitra ny kolikoly, nanenjika [15] an'i Dmitry Marinichev, “kaomiseran'ny Aterineto”, tamin'ny fahazoana robla an-davitrisany tamin'ireo fifanarahana asa nisy fifanintsanana momba ny IT-mpanjakana, ary avy eo fanampiana tamin'ny fanangànana ny lalàna izay “mampiditra anaty lisitra mainty” ireo orinasa vahiny tamin'ny fampanofàna ireo lohamilina fitehirizana angon-drakitra ao Rosia. Tamin'ny fiarovantenany, nilaza [16] i Marinichev fa tsy vitan'i Navalny tsotra izao ny nanakatra hoe zara raha misy fiantraikany amin'ny fangatahana habaka any anatin'ireo lohamilina ao anatin'i Rosia ireo fepetra nitakiana ny fametrahana angon-drakitra ho ao an-toerana .