Antsasa-Potoana Izao eto Rosia

“Who are you rooting for?” Screenshot from AvtoVAZ commercial. Youtube.

“Iza no ifikiranao?” Pikantsary avy amin'ny dokambarotry ny AvtoVAZ. Youtube.

Amin'izao fihintsanan'ny vidin-tsolika sy ny fitontonan'ny toekaren'i Rosia mankany amin'ny fotoan-tsarotra izao, dia mitodika any amin'ny paikadin'ny indostria azo antoka indrindra ny paikadimbarotry ny mpanangana fiara vaovao rosiana AvtoVAZ: fiantsoana ny mpanjifa hampiasa ny fitiavan-tanindrazana.

Mandritra ny fotoam-pialantsasatry ny mpilalao amin'ny Super Bowl tamin'ny 2012, amin'ny fotoana lafo kokoa noho ny amin'ny fotoana hafa rehetra mandritra ny taona ny sehatry ny fanaovana dokambarotra ao Etazonia, dia nandefa dokambarotra naharitra roa minitra nantsoina hoe “It's Halftime in America” [Antsasa-potoana izao eto Amerika] ny Chrysler, izay manasongadina ny fitantaran'ilay olo-malazan'i Hollywood, Clint Eastwood, amin-gerongerona ny fahazoan'ny indostrian'ny fiarakodia aina indray avy amin'ny fitotonganan'ny toekarena tamin'ny faramparan'ny taompolo 2000.

Miaraka amin'izany feo matroky ny fitiavan-tanindrazana izay ihany koa no ampiroboroboan'ny AvtoVAZ ny Lada Vesta, fiara kely manana varavarana efatra, navoaka ho fanta-bahoaka tamin'ny herintaona. Ny dokambarotra vaovaon'ny orinasa, nantsoina hoe “Iza no ifikiranao?” mitantara tanora lahy iray miady amin'ny fifaninanana haiady sy ny rainy mitehaka sy mihoraka [am-pitoniana]. Nandresy ihany ilay zazalahy na dia mafy aza ny ady, saingy niseho avy eo fa tsy nanatrika ny lalao ny rainy, fa tany an-trano nijery baolina anglisy tamin'ny fahitalavitra niaraka tamin'ny namany. Tonga tao an-trano ny zananilahy (heverina ho niaraka tamin'ineny, izay tsy naseho mihitsy teo amin'ny efijery) ary nanantona ny medain'ny laharana voalohany azony teo amin'ny varavaran'ny efitra fandraisam-bahiny, izay mbola ahitana ny rainy mipetraka anoloan'ny fahitalavitra.

Ireo segondra farany tamin'ny dokambarotra no mampiseho ny teny hoe, “Iza no ifikiranao?” ary ela ny ela nivoaka ny teny filamatra hoe “Eny—Lada iny.”

Tamin'ny Novambra lasa teo ny AvtoVAZ nandefa dokambarotra miharo fitiavan-tanindrazana hafa iray mitondra ny lohateny hoe “Tokana ihany ny lalana—ny anao.” Tafiditra ao amin'ny fitantaran'ny dokambarotra ny fanandratana ny fikirizana rosiana:

Почему мы любим? Почему мы здесь? Можно попытаться найти слова. Объяснить, передать…Бесполезно. Это люди, природа, воздух, характер. Мы здесь и поэтому мы любим. Мы любим и поэтому мы здесь. Порой мы ненавидим то, что нам так близко. Именно поэтому мы хотим и будем это менять. Сами. Есть только один путь. Свой. Новая Lada Vesta.

Nahoana isika no tsy maintsy mitia? Nahoana isika no eto? Azonao atao ny mitady ny teny. Azonao atao ny manazava azy. Saingy tsy misy ilaina azy izany. Izany ny olona. Izany ny natiora. Izany ny rivotra ary izany ny toetrantsika. Eto isika satria tia. Tia isika satria eto. Indraindray halantsika ny tena akaiky antsika. Izany ny antony tiantsika hanovana azy. Ary hanao izany isika. Isika ihany no hanao izany. Tokana ihany ny lalana—ny anao. Ny Lada Vesta vaovao.

Raha notaterina fa nahazo tombombarotra 1,7 miliara dôlara ny Chrysler tamin'ny 2012, dia matiantoka 73,6 miliara robla (939 tapitrisa dôlara) kosa ny AvtoVAZ tamin'ny taona 2015—efa manakaiky ny avo telo heny tamin'ny fatiantoka herintaona talohan'izay izany. Nidina 8 isanjato ihany koa ny volamaty tsy afa-karatsaka, araka ny nolazain'ny masoivohom-baovao RIA Novosti. Nilaza ny mpanangana fiara fa mila manampy ara-bola hameno ny banga ny mpitana renivola ary mila manao findramam-bola fanampiny indray, na tsy maintsy manakatona vonjimaika ireo ozinina ao aminy izy. Efa nanambara ny AvtoVAZ fa hametraka drafitra tetezamita fiasana efatra andro isan-kerinandro mba hampihenana ny fandaniana amin'ny mpiasa hatramin'ny 20 isanjato.

Mijaly ny indostrian'ny fiara rosiana iray manontolo amin'izao fotoana izao noho ny fitotongan'ny toekarena. Tamin'ny 2015, nilatsaka 36 isanjato ny varotra fiara madinika, ary heverina mbola hifintina kokoa ny fandraharahana amin'ity 2016 ity. Araka ny nolazain'ny gazety Rossiiskaya Gazeta, nolazain'ny manampahaizana manokana fa tsy hiverina amin'ny laoniny tahaka ny tamin'ny 2012 ny indostrian'ny fiara ao Rosia ao anatin'ny enin-taona, raha haingana indrindra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.