Fihetsika Maneho Hatsaram-panahy Roa Samy Hafa Mampiseho Ny Tsara Indrindran'ny Maha-Olona Any Pero

Imagen en Flickr del usuario ORAZ Studio (CC BY-NC 2.0).

Kitapom-bola. Sary amin'ny Flickr avy tamin'ny mpampiasa smalljude (CC BY-NC 2.0).

Ny fahatsoran'ny ankizilahy iray sy ny fankasitrahan'ny iray tanàna, samy singa roa aminà vaovao tsara mampangatsiatsiaka ny vanimpotoanan'ny fahavaratra any Limà, izay mihamafana ny fandehan-javatra, tsy hoe noho ilay toetrandro tsy fahita El Niño ihany akory, fa noho ny fampielezankevitra amin'ny fifidianana ny ho filoham-pirenena mandeha ao amin'ny firenena ihany koa.

Ny 14 Janoary, nizara ny zavatra nitranga tao amin'ny moron-dranomasin'i Cerro Azul ny mpampiasa Facebook iray, toerana any amin'ny 120 kilometatra atsimon'ny renivohitra Peroviana:

 

[…] yendo hacia la playa se me cayó la billetera, con efectivo documentos y tarjetas.
Yo no tenía ni idea que se me había caído hasta que Brando llegó corriendo a decirme: “toma se te cayó”.
Él es Brando uno de los tantos niños que cuida carros en la playa de Cerro Azul.

- Les quiero pedir un favor enorme, cada vez que vengan búsquenlo para que sea el el que les cuide el carro, que sepa que cuando uno obra bien, la vida te gratifica.
Y si está en sus posibilidades, un almuercito estoy seguro que le caería muy bien! Jaja

Gracias Brando, porque sin saberlo no solo me devolvías una billetera…me devolvías la ilusión!!!

[…] Nandeha teny amoron-dranomasina aho, latsaka ny kitapom-bolako feno vola, antontan-taratasy ary karatra [fahana].
Tsy fantatro mihitsy hoe latsaka ny kitapom-bolako raha tsy tonga nihazakazaka avy any i Brando ary niteny ahy hoe, “Eh ity, nalatsakao ito”.
Iray amin'ireo ankizy maro mikarakara ireo fiara eo amin'ny moron-dranomasin'i Cerro Azul i Brando.

- Tia hangataka zavatra lehibe aminareo aho, isaky ny mankany ianareo, mba jereo izy, ka mety hoe izy no hikarakara ny fiaranareo, mba ho fantany hoe rehefa manao hetsika tsara ianao, ho valian'ny fiainana aminao izany.
Ary raha manana fahafahana moa ianareo, azoko antoka fa ho tiany ny hisakafo antoandro! Haha

Misaotra anao Brando, satria tamin'ny tsy fahafantarana, tsy hoe namerina ny kitapom-bolako tamiko fotsiny ianao… fa namerina ny fanantenako ihany koa!!!

Nitatra tany amin'ireo vohikala hafa ilay tantaran'ny asa soa an'i Brando, izay nidera ny fahatsorany ary nandrisika ireo olona hafa mba hizara ilay tantara mba “hanindrahindràna ireo zavatra tsara”.

Ohatra! lasa malaza be amin'ny media sosialy noho ilay asa soa nataony ilay zazalahy Peroviana mikarakara fiara.

Tenifototra iray, #oBrandobien, kilalaon-teny avy tamin'ny anaran'i Brando sy ny fiteny hoe obrar bien, midika hoe “manao soa”:

#oBrandobien [Brando manao soa] Brando ho FILOHA!

Misaotra anao Brando, satria tamin'ny tsy fahafantarana, tsy hoe namerina ny kitapom-bola fotsiny ianao… namerina fanantenana tamin'ny firenena ihany koa!!

Manome fanajana an'i BRANDON aho [sic], ilay zazalahy namerina kitapom-bola feno vola sy karatra tany Cerro Azul. Ohatra tokony harahan'ireo mpanao politika ankehitriny.

Ny 16 Janoary tany Puente Piedra, tany amin'ny ilany iray amin'i Limà, nisy afo nanimba toeram-pitahirizana baoritra. Nandritra ny ora maro, 40 mahery ireo mpamonjy voina no niady tamin'ireo lela-afo mandrapaha voafehiny sy namonoany azy. Naharitra nanomboka ny antsasaky ny folakandro ka hatramin'ny alim-be ny asa mafin'izy ireo.

Vantany vao voafehy ny afo, nanapaka hevitra ny haneho ny fankasitrahany ireo 200 mpamonjy voina namaly ny antso filàny vonjy maika ireo fianakaviana 15 izay mipetraka amin'ilay toerana nisy ny loza, ka nikarakara sakafo ho an'ny rehetra.

Vaovao tsara! Mendrika izany izy ireo =)

Puente Piedra: Toy izao no nisaorana ireo mpamonjy voina taorian'ilay haintrano.

Ohatra tokony harahana – Puente Piedra: Toy izao no nisaoran'ireo mpiara monina ireo mpamonjy voina taorian'ilay haintrano.

Nosimbain'ny afo ilay toeram-pitahirizana taratasy voahodina tao Puente Piedra.

Tian'ny olona manokana any Pero ireo mpamonjy voina, satria mpirotsaka an-tsitrapo daholo izy ireo:

Los llamados hombres de rojo previenen, controlan y extinguen incendios, realizan acciones de atención en accidentes vehiculares y emergencias, rescatan vidas expuestas a peligro de manera voluntaria, es decir, sus servicios no son remunerados.

Ireo antsoina hoe “lehilahy mitafy mena” misoroka, mamehy ary mamono afo, manampy amin'ny lozam-piarakodia sy amin'ireo loza mila vonjy maika, ary manavotra ireo olona trà-doza, izany rehetra izany amin'ny firotsahana an-tsitrapo, midika hoe tsy mandray vola tambiny izy ireo amin'ny zavatra ataony.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.