Na Ny Japoney Aza Nandoka Ilay Tantara Miaina Mampihomehy Nanaovana Ny Fintin'ny Tantaram-Pireneny

History of Japan by Bill Wurtz

Pikantsary tamin'ny Tantaran'i Japana nataon'i Bill Wurtz. Tao amin'ny YouTube.

Nalaza tamin'ny aterineto ny lahatsary manintona Tantaran'i Japana notontosain'ilay mpanakanto an-dahatsary Bill Wurtz, ary efa nisy nijery efa ho in-5 tapitrisa hatramin'ny namoahana azy tao amin'ny YouTube tamin'ny fiandohan'ny volana Febroary.

Mamintina ny 40.000 taonan'ny tantara Japoney ao anatin'ny sivy minitra monja ny lahatsary.

Mampiasa sary miaingitraingitra mba hilazana ny tantaran'ny Japoney ilay lahatsary mampanonofy. Na dia misy aza ireo fitarainana sasany fa nanadino ireo lafiny manan-danja amin'ny tantaran'ny Japoney ilay lahatsary, dia tsy misy kosa ny fomba ahafahana mitatitra ny zava-drehetra ao anatin'ny sivy minitra monja.

Tsara avokoa hatreto ny fanehoan-kevitra tamin'ny media sosialy Japoney. Na izany aza, tsy mbola malaza ao Japana ilay lahatsary, izay azo inoana fa noho izy amin'ny teny Anglisy.

Mariko Oi, mitatitra ho an'ny BBC avy any Singapaoro manoratra hoe:

Na dia manadino zavatra maro aza, hampahatsikaiky anao ity lahatsary manazava ny tantaram-pirenena Japoney ity.

Rekishi Butsudan, tranonkala malaza natokana ho an'ny tantara Japoney milaza hoe:

[Avy amin'ny Japoney] Tantara Japoney nohazavaina tao anatin'ny 9 minitra. Amin'ny teny Anglisy izany, saingy mahatsikaiky.

Nankafy ny lahatsary ihany koa ilay bilaogera Cambodia Taro:

Loharanom-baovao mahatalanjona milaza fohy ny tantaran'ny Japoney amin'ny teny Anglisy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.