- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fikambanana Tia Fanoritsoritana Sary Manavatsava An'i Eoropa Atsinanana Sy Afovoany Ao Amin'ny Twitter Manaitra Faniriana Te-Hamoron-Javatra

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Bosnia Herzegovina, Kosovo, Kroasia, Makedonia, Montenegro, Serbia, Slovenia, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Tsara, Vonjy Voina, Zavakanto & Kolontsaina
Topic: "If Njegoš was alive these days" by Zombijana Bones. Published with permission. [1]

Lohahevitra: “Raha velona tamin'izao andro izao ilay mpanao tononkalo sy filôzôfy Njegoš [2]” avy amin'i Zombijana Bones. Nahazoana alalana ny famoahana indray ny sary.

Isaky ny Alatsinainy, mitsidika an'i @crtkamo [3], izay midika hoe “mi-doodle izahay” [manoritsoritra sary izahay] amin'ny fiteny manakaiky indrindra ny Serba, Bosniaka ary Kroaty, ny mpiondana sary manerana an'i Yôgôslavia taloha. Amin'io andro io dia mamoaka ny doodle [soritsori-tsary] ho amin'ny herinandro ireo olona ao ambadik'ity fikambanana mpanoritra sary ity. Manomboka sy manolotra ny sanganasany amin'ny fisiahana amin'ny diezy  #crtkamo [4] avy eo ny mpandray anjara.

Efa nandalo tamin'ny lohahevitra amin'ny fanoritsoritana sary ity avokoa ny “zavatra mitovy habe amin'ny vola vy” [5] sy ny  “volo amin-kilaometatra”, [6]mankany amin'ny kilalao [7] sy ny piraty [8], trano nofinofisina [9], “lanitra faly” [10] ary asara [11], ka hatramin'ny David Bowie [12] sy ny Profesora Snape avy ao amin'ny andiantantara Harry Potter [13]. Mampiasa teknika, angesony isankarazany ireo artista mpandray anjara ary mifampizara ny asany amin'ny hafa.

“Tsy fifaninanana io” no lalàna lehibe indrindra [14] amin'ny lalao. Maro amin'ny sary no mahazo re-tsioka avy amin'ny kaonty voalaza etsy ambony, ary izay ihany no hany loka omen'ny mpikarakara. Manazava izany tamin'ny antsafa nifanaovana taminy i  Zombijana Bones [15] mpiara-manorina ny kaonty:

Crtkamo postoji od 11. avgusta 2014.
Do sada smo imali 80 tema. Nedeljno dobijemo oko tridesetak radova (nekad više nekad manje).
Radi se o neprofitnoj inicijativi, gdje naš odabir zapravo nije nikakav sud da li je taj rad dobar ili ne, jer mi smatramo da su svi dobri.

Efa nisy hatramin'ny 11 aogositra 2014 ny “Manoritsoritra Izahay”.
Efa nanana lohahevitra 80 izahay, hatreto. Mandray asa 30 isan-kerinandro eo izahay (indraindray mihoatra, indraindray latsaka).
Fisantarana andraikitra tsy mitady tombombarotra izy io, ary tsy miankina amin'ny fomba fitsaranay izay nofanteninay satria heverinay fa tsara avokoa izy rehetra ireo.

Topic: Voodoo dolls. Art by Aleksandra Tosman, used with permission. [16]

Lohahevitra: Saribakoly Voodoo. Zavakanton'i Aleksandra Tosman, nahazoana alalana.

Miasa amin'ny maha-mpahay ravaka azy i Zombijana [17] teraka tao Podgorica ary vehivavy artista antserasera malaza manana mpanjohy 12.000 ao amin'ny Twitter sy mpitia 67000 ao amin'ny Facebook. Efa nanafatra t-shirts ahitana  ny fandravahana ny siokany misy fanahy [18] ny mpankasitraka manerana ny faritra Yogoslavia taloha ary tamin'ny Mey 2014 dia nanatontosa fampirantiana POINT tao amin'ny Toeram-Pivoriana Lehibe ao Sarajevo [19] izy nivarotra ny sanganasany hanangonam-bola ho an'ireo lasibatry ny tondradrano [20] tamin'io taona io.

Topic: "Winter Clothes" by Zombijana Bones. Published with permission. [21]

Lohahevitra: “Akanjo Amin'ny Asotry [ririnina]” avy amin'i Zombijana Bones. Nahazoana alalana.

Ny tetikasa “Manoritsoritra izahay” dia nanomboka tamin'ny fiaraha-miasa teo amin'i Zombijana sy ny artista mahaleotena Živko Kondić [22]. Rehefa niala an-daharana ity farany tamin'ny Novambra 2014 noho ny tsy fahampian'ny fotoana, dia ny mpikambana navitrika indrindra, Aleksandra Tosman [23] avy ao Belgrade, no nisolo ny toerany ho famelomana ilay fisantaran'andraikitra. Tsy nanabanga herinandro intsony izy mirahavavy nanomboka hatreo, nifandimby nametraka fotoana sy nanangona ny asa. Nampiasa ny tetikasa ho amin'ny vonjy voina mahaolona ry zareo, ary indraindray no mamoaka kadoa toy ny boky na tapakila ijerena sarimihetsika ho an'ny mpandray anjara. Na izany aza, ny tanjona voalohan'ny rehetra mandray anjara dia ny “hanala hamohamo sy hitondra zavakanto bebe kokoa amin'ny aterineto.”

Topic: Foxes. Art by Aleksandra Tosman. Published with permission. [24]

Lohahevitra: Fosa vazaha. Zavakanton'i Aleksandra Tosman. Nahazoana alalana.

Topic: Ninja Turtles. Art by Zombijana Bones. Published with permission. [25]

Lohahevitra: Sokatra Ninja. Zavakanton'i Zombijana Bones. Navoaka nisy fierana.

Topic: Cowboys and Indians. Art by Aleksandra Tosman. Published with permission. [26]

Lohahevitra: Cowboys sy Indianina. Zavakanton'i Aleksandra Tosman. Navoaka nahazoana alalana.

Ny hany zavatra takiana aminao idirana amin'ny #crtkamo [4] dia ny faniriana hanao kisarisary. Fanehoana feno: Samy efa nandray anjara amin'ny “manoritsoritra izahay” na ny zanako lahikely [27] na izaho [28], [mpanoratra amin'ny teny anglisy] ary ny zavatra niainana tamin'izany no ahafahako miteny fa ekena avokoa ny fitaovana rehetra ahafahanao maneho ny tianao avokoa, na amin'ny pensilihazo sy kahie, na amin'ny post-it, fakantsary nomerika, scanner, na amin'ny rindrambaiko fandokoana.