Mibahana Ireo Fitaovana Ahafahana Midify i Shina, Miaraka Amin'ny Fanampian'ireo Mpamatsy Tolotra “Cloud”

The Great Firewall of China. Image from Digital Trends.

Ilay Great Firewall (Rindrina Lehibe) an'i Shina. Sary avy amin'ny Digital Trends.

Amin'ny ezaka lavareny ataony mba hanafoanana ny fampiasàna tsy mahazo alàlana ireo fitaovana fihodivirana amin'ny Aterineto, toy ny tolotra proxy sy VPNs, vao haingana izao nifantoka tamin'ireo mpamatsy tolotra fitahirizana “cloud” (rahona) ny sampana mpandrindra an'ny fanjakàna Shinoa ho an'ireo tambajotra mpampiely votoaty.

Mazàna no voafaritra miaraka ho toy “teknolojia fihodivirana” ny VPNs, vohikala proxies ary ireo fitaovana hafa — fitaovana izay manampy ireo mpampiasa Aterineto hidify ireo sakana amin'ny tambajotra amin'ny Aterineto. Mety anisan'izany sakatsankana izany ireo karazana fanivanana ikendrena, fa ihany koa ireo zavatra hafa toy ny fampihisàrana ny hafainganam-pandeha na olana ara-teknika.

Novinavinaina ho ny 1-3% amin'ireo mpampiasa Aterineton'i Shina no mampiasa fitaovana fidifirana sakana mba hitsidihana ireo vohikala any ivelany. Amin'izao, misy 650 mahery izy ireo no  mpampiasa izany ao Shina, izay midika fa farafahakeliny an-tapitrisany vitsivitsy afaka miditra amin'ny Aterineto misokatra.

Mpamatsy ankilany fahatelo ny tambajotra mpampiely votoaty (CDNs), izay mamatsy vontoaty ho an'ireo mpampiasa farany miaraka amin'ny antoka-nà fahafahana avo lenta sy fahatsaran'ny tolotra. Na tsy hita maso aza izy ireo ho an'ny ankamaroan'ireo mpampiasa matetika ny Aterineto, manana anjara fototra amin'ny fampandehanana tsara ny serasera eo amin'ny Aterineto ny CDNs, indrindra raha hoe vontoaty mavesatra no kirakiraina.

Toa hita ho mangataka fanampiana bebe kokoa avy amin'ireo lehilahy mpanelanelana ireo ankehitriny ireo Shinoa manampahefana mpandrindra, mba hanampy amin'io ezaka io. Ho valin-kafatra amin'ilay famoretana vao haingana avy amin'ireo Shinoa manampahefana mpandrindra, namoaka taratasy ho an'ireo mpanjifany ny Microsoft Azure Shina, izay mpamatsy mpandrakitra “cloud” ho an'ireo CDNs lehibe, nilazàna tamin'izy ireo fa noesorina daholo ireo fihodivirana tsy ara-dalàna rehetra, proxy sy ny tolotra VPN izay niantrano tao amin'ny lohamiliny.

Nivezivezy tao amin'ny Twitter sy ireo bilaogin'ny teknolojia ilay taratasy ary nivaky toy izao :

Araka ireo fepetran'ny telecom sy ny fitakian'ny MIIT ary ny masoivoho mpiahy ny Aterineto, tsy misy orinasa na olontsotra afaka manome tolotra fampiantranoana ho an'ireo vohikala tsy ara-dalàna proxy “fihoarana rindrina”, na mandrafitra tsy ara-dalàna ny tolotra VPN any amin'ny firenena ivelany. Vao haingana, nahatratra mpanjifa maron'ny Windows Azure nanitsakitsaka ireo fepetra voalaza etsy ambony ireo mpandrindra, ary nandidy ny hanajanonana tsy misy hatak'andro ny fampiasàna ilay tolotra.

Hitohy hahazo fanamarihana avy amin'ireo mpandrindra hatrany isika mba hanakatona ireo vohikala tahaka izany na hanajanona tanteraka ny fampiasàna ilay tolotra. Mba hialàna amin'ny mety ho sampona na fahaverezana tsy misy ilàna azy, mamporisika anareo izahay mba hanao jery todika sy hanao fanintsiana tsy misy hatak'andro. Raha toa ka tafiditra taminà fitondrantena tsy araka ny lalàna ianao, miangavy anao mba hanatsahatra izany avy hatrany. Raha tsy izany, hizaka ny vokatr'izany fanitsakitsahana ny lalàna izany ianao.

Angamba ilay ezaka fanesorana ireo fitaovana fihodivirana rehetra amin'ny tolotry ny mpamatsy vontoaty eo an-toerana mety hoe valin'ireo ezak'ireo mpikaroka momba ny rafitra fanivanana ao Shina, izay taona lasa maromaro izay, nitady ny hampihatra fomba fiady “fahalalahana azo antoka”, izay nanomezan'izy ireo hevitra hoe afaka mampiantrano proxy sy tolotra fihodivirana ireo CDNs sangany erantany. Nampananosarotra ireo mpanivana amin'ny fibahanana ireo tolotra moa io, raha tsy hoe angaha manapaka tanteraka ilay tambajotra manontolo ary mitaty ireo fiantraikany ara-toekarena.

Hatreto aloha, nanandrana hatrany ny governemanta Shinoa ny hibahana ireo fitaovana fihodivirana mialokaloka amin'ny CDNs. Ohatra lehibe izao, ny fanapoizinana ny DNS tamin'ny tetikasa greatfire.org ka nahatonga fibahanana vohikala an'arivony.

Iray amin'ireo sehatra lehibe mampiantrano proxy fihodivirana sy tolotra VPN ny Azure Shina. Tsy atosiky ny resaka politika ny ankamaroan'ireo tolotra fihodivirana ireo fa kosa mirona kokoa amin'ny fandefasana ireo kilalao amin'ny Aterineto avy any ivelany sy ireo fandaharan'ireo tambajotran'ny fahitalavitra. Manome hevitra ilay taratasy hoe, raha tokony ho ny fitiliana sy fibahanana ireo mpamatsy fitaovana fihodivirana, naleon'ny Shinoa mpanivana naka fomba fiady hafa mba hanerena ireo mpamatsy tolotra hanàla ireo tolotra fihodivirana tsy ara-dalàna.

Hatramin'ny volana Janoary 2015, voabahana ny tolotra isankarazan'ireo mpamatsy VPN maro, tafiditra tamin'izany ny Astrill sy ny StrongVPN. Ho valin'ilay fibahanana, nandroso hevitra i Fang Binxing, ny rain'ilay antsoina hoe Great Firewall ao Shina, hoe tokony hisoratra anarana any amin'ny Ministeran'ny Indostria sy Teknolojian'ny Fampahalalambaovao (MIIT) ireo orinasa mampiasa ny VPN any Shina. Nilaza ihany koa ny tomponandraikitra ao amin'ny MIIT fa tokony hanaraka ireo lalàna Shinoa ireo vohikala avy any ivelany, ary tokony hampidirina ilay “fomba fiasa vaovao” mba hamaha ilay olana. Fomba entina handrindràna ny fisoratana anarana ilay “fomba fiasa vaovao”, ary ny fanarahana maso ireo mpamatsy rindrambaiko sy fitaovana materialy ho an'ny Aterineto ho an'ny filaminana.

Tamin'ny fanitsiana ilay Lalàna momba ny Heloka Bevava 2015, izay nihatra ny 1 Novambra 2015, nanome antony araka ny lalàna mba hanenjehana ireo mpandrafitra fitaovana fihodivirana tsy ara-dalàna, ireo mpamatsy tolotra fihodivirana, ary ireo mpamatsy fialokalofana ho an'ireo tolotra fihodivirana, ilay vontoaty vaovao mikasika ny tsy fampiharana ny fiarovana ny loharanombaovao, ny fampiasàna tsy ara-dalàna ny Aterineto, ary ny fanampiana ny fanaovana heloka amin'ny Aterineto.

Na dia talohan'ny nandaniana ilay fanovàna aza, efa noteren'ny polisy ireo mpandrafitra fitaovana fihodivirana mba haka ny kaodiny any amin'ny GitHub. Notafihan‘ny Great Cannon taty aoriana kely ilay sehatra noho ny fampiantranoany ny tetikasa Great Fire. Hita ho toy ny fitsmbadihana ratsin‘ireo fomba fanivanan'i Shina ilay fanafihana.

Roa herinandro taorian'ny nahalany ilay fanovàna ny lalàna momba ny heloka bevava ary herinandro taorian'ilay fanafihana tany Parisy ny volana Novambra, manakatona ny tolotra finday ho an'ireo mponina amin'ny faritra Xinjiang misy ny foko vitsy an'isa ireo mpamatsy tolotra finday, maro amin'ireo no mampiasa VPNs amin'ireo findainy. Afaka averina mandeha indray ny tolotr'izy ireo  aorian'ny fanolorantenan'izy ireo any amin'ny polisy.

Milaza ilay taratasin'ny Azure China fa mamaly mavitrika ireo fangatahan'ireo manampahefana ankehitriny ireo mpamatsy tolotra. Satria napetraka ho laniana ny faramparan'ity taona ity ilay volavolan-dalàna mikasika ny Lalànan'ny Fiarovana amin'ny Aterineto, izay handrindra ny fanivanana sy ny fomba fanarahana maso, mety ho voatery handray fepetra mavitrika ireo mpamatsy tolotra avy any ivelany mba hanampiana ireo manampahefana amin'ny fakàna ireo angon-drakitra manokan'ireo mpanjifany. Mety ho fepetra hafa tsy maintsy arahana indray izany rehefa hiditra amin'ny tsena Shinoa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.