- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Artista Okrainiana Kseniya Simonova Mampiseho An'i Kazakhstan Amin'ny Alalan'ny Sangan'Asa Vita Amin'ny Fasika

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Kazakhstan, Okraina, Hevitra, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina
Kazakh history in sand frm Kseniya Simonova's YouTube channel.

Tantara Kazakh ao anaty fasika avy amin'ny fantsona YouTube an'i Kseniya Simonova.

Nisy lahatsary iray mahatalanjona nipongatra mamelabelatra ireo mari-panondroana ny firenena Kazakh nataon'i Kseniya Simonova ‘mpanetsika fasika’ sady mpandresy tamin'ny Ukraine's Got Talent tamin'ny 2009 .

Ny tantara am-pasika dia nohafaran'ny governemantan'ity firenena Aziatika Afovoany ity hanamarihana ny tsingerintaonan'i Astana sy hanehoana ireo Kazkakhs nandeha dia lavitra hatrany amin'ny taloha naha-mpivezivezy azy ireo manavatsava fatrana [steppe] voarakotra ranomandry sy ny lanitra voaravaka kintana mandrapahatonga amin'ny vanim-potoana ankehitriny.

Ny dingana farany dia manampy ny sarintavan'ny Filoha Nursultan Nazarbayev, izay mpankatelina ny asan'i Simonova hatramin'ny nihaonan-dry zareo voalohany tamin'ny 2010, mitazana an'i Astana amin'ny endrika rahatrizay.

Zavabita iray monja amin'ireo efa anjatony vitan'i Simonova tamin'ny fampiasana lasitra iray [na fafana], fasika volokanika manify dia manify ary tanana manana fahakingana tsy mampino rehefa naka sary hampahalaza azy izy taorian'ny nahazoany ny Ukraine's Got Talent fito taona lasa izay.

Ny asany amin'ny fasika nandritra ny dingana famaranana tamin'ny fifaninanana, mitantara ny tantaran'ny mpifankatia nosarahan'ny Ady Lehibe Faharoa, no mbola mitoetra ho sangan'asany malaza indrindra, izay efa nahazo mpijery manakaiky ny 40.000.000 ao amin'ny YouTube hatreto.

Nanasongadina ny lohahevitra ara-tantaram(pirenena ny governemantan'i Kazakhstan manankarena solika ao amin'ny propagandiny taorian'ny fanamarihana nataon'ny filoha Rosiana Vladimir Putin tamin'ny 2014,nilaza fa “tsy nanana fahefam-panjakana” mihitsy ny firenena talohan'ny fahaleovantenany avy amin'ny Firaisana Sôvietika.

Tamin'ny fiandohan'ity taona ity dia efa nambara ireo drafitra ara-tantara tsangana misy fizarana folo amin'ny endrika mitovy amin'ny filma Game of Thrones [1] manana fifandraisana amin'i Azia Afovoany tany amin'ny taonjato faha-15 tany ho any nandritra ny fiforonan'ny ‘khanate’ [andry ara-politika entin'ny Khan iray] izay heverin'ny Kazakhstanis maro ho fototry ny maha-fanjakana maoderina azy ireo.