Mitaky Sehatra Ho An'ny Vahoaka Hisotroana Kafe Ny Vehivavy Pakistaney

CNSpY0iWwAA_Bps

Sary avy amin'ireo tovovavy tao amin'ny pejy Facebook Dhabas.

Hetsika natombok'ireo vehivavy Pakistaney roa mitaky sehatra ho an'ny daholobe ao Azia Atsimo ny “Girls at Dhabas“. Manasokajy azy ireo ho “Mpanandratra Desi vehivavy sy vehivavy mamaritra ny sehatra ho an'ny rehetra amin'ny voambolana sy ny faniriana tampoka misy ao amin'izy ireo” ny pejy Facebook-n'ny vondrona. Toerana amoron-dalana hanomezana sakafo sy dite ny Dhabas ary sehatra nentim-paharazana ho an'ny lehilahy manerana an'i Azia Atsimo. Falehan'ny ankamaroan'ny lehilahy na vehivavy maro miaraka amin'ny lehilahy iray izy ireny.

Niainga tamin'ny Mey 2015 izany rehetra izany, raha nanomboka nampiasa ny tenifototra #GirlsAtDhabas ry Sadia Khatri sy Natasha Ansari izay monina ao Karachi tamin'ny fanangonana sarim-behivavy nalefa tamin'izy ireo tao amin'ny Tumblr. Taty aoriana,  vehivavy am-polony manerana an'i Azia Atsimo no nanomboka nizara ny sarin'izy ireo manokana tao amin'ny dhabas, ao amin'ny Twitter sy Tumblr, miresaka ny toerana azo antoka ho an'ny vehivavy. Ahitana mpikambana iray alina ankehitriny ny pejy Facebook-n'ny hetsika.

Mamaritra ho fandrisihana mankany amin'ny fahalainana ny lahatsoratra iray ao amin'ny pejy Facebook:

The question is: can we now claim the right to other kinds of pleasure? The pleasure of sitting in an unbroken park bench, reading a book or eating a banana (why not a banana?). The pleasure of walking the streets at night without anxiously looking over our shoulders. The pleasure of not having to change clothes in a car because your family thinks they are immodest. The pleasure of not having to hide when you enter your building at 2 am in the morning for fear of what the neighbours will say. The pleasure of using a clean well-lit toilet at 4 am in the morning on a public street without worrying that none will be open. This kind of pleasure can only come from the right to take risks without the fear of loss of reputation as good girls. — Why Loiter?

What does pleasure mean to you?

Ny fanontaniana dia hoe: afaka mitaky zo ho amin'ny karazana fahafinaretana hafa ve isika ankehitriny? Ny fahafinaretana amin'ny fipetrapetrahana ao amin'ny dabilion-jaridaina mafy tsara, mamaky boky, na mihinana akondro (maninona tokoa raha akondro?). Ny fahafinaretana mandehandeha eny an-dalambe amin'ny alina tsy mila be ahiahy. Ny fahafinaretana tsy mila misolo akanjo ao anaty fiara satria mihevitra ny fianakavianao fa tsy maotina izany. Ny fahafinaretana tsy mila miafina rehefa miditra ny tranonao amin'ny 2 ora maraina noho ny tahotra izay holazain'ny mpiara-monina. Ny fahafinaretana mampiasa trano fidiovana mazava tsara amin'ny 4 ora maraina eny an-dalambe tsy mila miahiahy fa hisy hanokatra izany. Izany karazana fahafinaretana izany dia avy amin'ny zo maka risika tsy amin-tahotra ho very laza amin'ny maha-tovovavy hendry. – Nahoana no ho malaina?

Inona no dikan'ny fahafinaretana aminao?

Mazava fa miteny amin'ny alalan'ny ohatra ireo tovovavy ireo fa tsy be resaka fotsiny amin'ireo namany ao amin'ny trano fisotroana kafe sy dite. Ao Pakistan, tsy nihanona fotsiny tamin'ny dhabas ny hetsika fa nikarakara lalao cricket ho firaisankina amin'ireo tovovavy mpianatra avy ao amin'ny Oniversiten'i Karachi notafihan'ny Islami Jamiat Talaba ihany koa, mpianatra avy amin'ny antoko politika ara-pivavahana, noho ny filalaovana lalao cricket tao amin'ny tokontanim-pianarana.

Bilal Farooqi, mpanao gazety ao amin'ny News International, nisioka hoe:

Fisantarana andraikitra tena tsara! Mikarakara lalao cricket ny tovovavy ao Dhabas ho setrin'ny daroky ny IJT ireo tovovavy tao amin'ny Oniversiten'i Karachi teo am-pilalaovana cricket

Fariha Awan nanana toy izao holazaina:

Ny mahafinaritra amin'ny hetsika “Tovovavy ao Dhaba”, mino aho fa maro amintsika avy ao Karachi no efa nisotro dite imbetsaka tamin'ny dhabas?

Ho setrin'izany, niezaka nampandray anjara ireo vehivavy avy amin'ny saranga isan-karazany ireo mpikarakara ny hetsika, indrindra ireo vehivavy avy amin'ny sarangan'ny mpiasa, ka iaharana miasa amin'ny Antokon'ny Mpiasa Awami, vondrona elatra ankavia ao Pakistana izany.

Mihaona ny @girlsatdhabas & antokon'ny mpiasa mba hiresaka momba ny fidiran'ny vehivavy amin'ny #publicspaces (sehatra ho an'ny rehetra) ao #Pakistan.

Nanome fijery lalindalina kokoa momba ny fihaonana ny pejy Facebook -n'ny hetsika:

The absence of women from Pakistan's public spaces represents their systematic exclusion from a social and fully human existence. It is a symptom of an overwhelmingly patriarchal society that needs to be actively resisted…Girls at Dhabas will be co-facilitating a dialogue with the Awami Workers’ Party Isb-Rwp on women and public spaces in Pakistan this Monday in Islamabad. We will be discussing how to start things off in Islamabad, forming a local community around the issue and discuss ways people can get more involved.

Ny tsy fisian'ny vehivavy eo amin'ny sehatra ho an'ny daholobe ao Pakistana dia maneho ny fanilikilihana mahazatra azy ireo eo anivon’ ny fiarahamonina sy ny tena fisiana maha-olombelona. Famantarana ny fiarahamonina anjakazakan'ny lehilahy tanteraka izay mila toherina am-pivitrihana izany… Hiaraka hikarakara fifanakalozan-kevitra ao Islamabad miaraka amin'ny Antokon'ny Mpiasa Awami Isb-Rwp mikasika ny vehivavy sy ny sehatra ho an'ny daholobe ao Pakistan ny Tovovavy ao Dhabas amin'ny Alatsinainy. Hiresaka momba ny fomba hanombohan-javatra ao Islamabad isika, amin'ny fananganana fiarahamonina ao an-toerana misahana ny olana ary hifanakalo hevitra amin'ny fomba ahafahan'ny olona mandray anjara bebe kokoa

Ho setrin'ny sakana ara-kolontsaina natsangan'ny fiaraha-monina, dia manolotra fijery mikasika ny hetsika fijoroana matetika niniana tsy jerena ao Pakistana sy manerana an'i Azia Atsimo ny “Tovovavy ao Dhabas” sy ny hetsika mitovitovy aminy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.