- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

‘Ebola Rosiana': Tetikasan'Olom-pirenena Mikaroka Momba Ny Fahafatesan'ireo Rosiana Tao Amin'ny Toeram-pitazonan'ny Polisy

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
A Russian journalist's website is tracking deaths in police custody to raise awareness of the issue. Images mixed by Tetyana Lokot.

Vohikalanà mpanao gazety Rosiana mikaroka momba ireo fahafatesana tany amin'ny toerana fitazonan'ny polisy, mba hampahafantatra bebe kokoa ny olana mitranga. Sary natambatr'i Tetyana Lokot.

Nandritra ny taona 2015, olona miisa 197 no maty tany amin'ny toeram-pitazonan'ny polisy tany Rosia. Matetika miseho amin'ny fomba mahagaga ireny fahafatesana ireny, ary maro amin'ireo notazonina no maty na mbola tsy voampanga sy niseho tamin'ny fitsaràna aza. Nalefa ho azo jeren'ny rehetra ao amin'ny Aterineto ireo loharanombaovao mikasika ny trangan'ny tsirairay amin'ireo 197, ho toy ny ampahan'ny tetikasa fanaovan-gazetin'ny olom-pirenena, antsoina hoe “Ebola Rosiana.”

Ilay mpanao gazety, Maria Berezina, no niteraka ny “Ebola Rosiana [1]“, noforonina mba hanarahana maso ireo tranganà fahafatesana any amin'ny tobin'ny polisy, ireo toerana fitazonana ny miandry fitsaràna, ary ireo toerana mifandraika amin'izany sahala amin'ireo toerana fametrahana ny mamo mandra-pisavan'ny taokany. Tsy mandray ho anaty kajiny ireo voafonja efa nahazo didy famonjàna taorian'ny didy navoakan'ny fitsaràna ny antontanisan'ilay tetikasa, fa manisa fotsiny ny  fahafatesan'ireo voatazona na niatrika fisamborana vonjimaika.

Ny volana Martsa 2015, nandefa ilay vohikala i Berezina, izay efa niasa teo aloha taminà Masoivohon'ny Fanaovan-gazety Manadihady any St. Petersburg sy ilay masoivohom-baovao TASS. Fony izy niasa ho an'ilay bilaogin'i Oleg Kashin, Rosiana mpanao gazetin'ny mpanohitra , matetika nanamarika tatitra-nà fahafatesana izy ary nanapaka hevitra ny haka ireo angon-drakitry ny governemanta azo ampiasaina malalaka, misy ny isan'ireo maty teo am-pitazonana azy tany amin'ny polisy, avy tany amin'ny Ministeran'ny Atitany. Tena tsy nampino ny zavatra hitany: isam-bolana, eo amin'ny sivy hatramin'ny 29 eo no isan'ireo olona maty tany amin'ireo tobin'ny polisy manerana an'i Rosia, izay vitsy amin'ireo tranga no nanaovana fanadihadiana ary mbola vitsy noho izay ihany koa no nahitàna ny meloka.

Nolazain'i Berezina an'i Kashin ny zavatra hitany, ary nanoratra haingana andalana [2] mikasika ireo loza ireo sy ilay fironana mampiahiahy izy,  nampitondrainy ny lohateny hoe “Ebola Rosiana.”

Если новости каждый день приносят внезапную смерть в полицейском участке, то речь действительно идет о какой-то странной эпидемии, нуждающейся в точном выяснении ее причин, локализации и эффективной борьбы с нею. Это менее интересно, чем Донбасс, это не вызовет бурных обсуждений в социальных сетях, да и скучно читать заунывно повторяющиеся одинаковые истории — «Умер, умер, умер». Но вы уверены, что умирать всегда будет кто-то другой, не вы? Я по поводу себя совсем не уверен, и я боюсь этой эпидемии, и хочу, чтобы все ее боялись, потому что она страшная, и ее нужно остановить.

Raha isan'andro, mitatitra fahafatesana tampoka ao amin'ny tobin'ny polisy ny vaovao, izahay kosa miresaka marina mikasika ny aretina mahagaga izay mila fantarina marina ireo tena antony, mila fantarina ny toerana misy azy ary hiadiana mafy. Tsy dia manintona noho ny Donbass io, tsy hahatonga adihevitra mahaliana ao amin'ireo tambajotra sosialy io, ary mahamonamonaina ny mamaky tsy tapaka ny tahaka izany, tantara mandreraka—”Faty, faty, faty.” Fa mino ve ianao fa ho ny hafa foana no ho faty, fa tsy ianao? Tsy mino ny amin'ny tenako aho, ary matahotra ny amin'io areti-mamono io aho, ary tiako hatahotra daholo ny rehetra, satria mampahatahotra tanteraka io, ary tokony sakànana.”

Nanapaka hevitra ny hanao ireo angon-drakitra azo jeren'ny rehetra ho mora hita i Berezina ary namorona vohikala [1] iray manokana hafa mihitsy, nindrana ny anaran'ny singan'asan'i Kashin. Na nanomboka niasa ny volana Martsa 2015 aza izy, niverina naka ireo tatitry ny Ministeran'ny Atitany izy mba hahazo ny isan'ireo maty hatrany amin'ny volana Septambra 2014.

Maria Berezina, the journalist behind "Russian Ebola." Photo from Facebook.

Maria Berezina, ilay mpanao gazety ao ambadiky ny “Ebola Rosiana.” Sary avy ao amin'ny Facebook.

Kelikely foana taorian'ny fanombohana azy, nilazalaza ny fanambaràna fanaony foana i Berezina taminà tafatafa [3] ho an'ny vohikala Rosiana Spektr.

Искать такие сообщения не сложно. Я просто ищу в «Яндекс.Новостях», вбиваю запросы типа «Полиция. Умер». Времени это занимает немного. Три раза в день я мониторю интернет, это недолго. Запостить саму новость тоже — минуты две.

Tsy sarotra ny mahazo ireo tatitra ireo. Nikaroka tao amin'ny Yandex.News fotsiny aho, soratako eo amin'ny fangatahana hotadiavina ny toy ny hoe “Polisy. Maty”. Tsy mila fotoana ela io. In-telo isan'andro aho no mitsikilo ny Aterineto, tsy dia ela loatra. Mila eo amin'ny roa minitra eo ihany koa ny fandefasana ireo vaovao rehetra.

Eo ankilan'ireo tatitra isan'andro sy ny fitambaran'ireo antontan'isa ho an'ny volana tsirairay, indraindray alefan'ilay tetikasa ihany koa ireo lahatsoratra misy ny hevitr'ireo mpisolovava mpiaro ny zon'olombelona sy ireo mpikatroka mafana fo, miresaka ireo olan'ny fanararaotam-pahefan'ny polisy sy ireo zon'ireo voatazona.

Isa sy zava-misy azo tsapain-tànana fotsiny ihany ireo tarehimarika 2015 avy amin'ny tatitra isan-taonan'ny “Ebola Rosiana” , fa mandoko sary mampivarahontsana kosa:

Ny volana Oktobra 2015, olompirenena avy ao Vladikavkaz iray, Vladimir Tskaev, notazonina [4] noho ny fiahiahiana ho nanafika polisy manampahefan'ny OMON (hery manokana), ary nolazaina ho maty tao amin'ny hopitaly ny andro taorian'ny nitazonana azy. Nilaza ny polisy fa nakapony tamin'ny tany ny lohany, fa niahiahy ilay tatitra ireo havan'i Tskaev ary nidina an-dalambe mba hanao hetsi-panoherana. Voasambotra taty aoriana ireo polisy niasa noahiahiana ho nidaroka an'i Tskaev, niaraka tamin'ny lehiben'ny departemantan'ny fanadihadianan'ny heloka bevava ao amin'ny tanàna, ary voaongotra tamin'ny toerany ny Minisitry ny Atitany tao Ossétie Avaratra. Iray monja amin'ireo tranga maro ahiahiana ho fanaovan'ny polisy herisetra io ary hoe nahavita namaha ilay olana ireo havan'ny maty. Mbola mijanona ho maizina tanteraka ny ankamaroan'ireo fahafatesana mampiahiahy mitranga any amin'ny toeram-pitazonan'ny polisy.

Taminà tafatafa [5] vao haingana tao amin'ny Daily Dot, nilaza i Berezina fa tsy mbola feno fanantenana izy amin'ny valiny ofisialy avy amin'ny mpampanoa lalàna Rosiana. Taorian'ny fametrahana fanontaniana taminy mikasika ny zavatra ataon'ilay vohikala, napetraky ny Ivontoeran'ny fanjakana Miady amin'ny Mahery Fihetsika, nilaza izy fa nahatsapa toy ny hoe tsy raisin'ireo ho matotra ny asa ataony.

Raha tsy mieritreritra ny hitondra fiovàna azo tsapain-tànana ilay mpanao gazety, na hoe fandraisana andraikitry ny polisy, nilaza izy fa nosokafana ny vohikala “Ebola Rosiana” “mba hieritreretan'ireo vahoaka.” Hoy i Berezina hoe tsy ny handoko ny polisy Rosiana ho ratsy tanteraka no tanjony. “Mety hoe tsy misy zavatra ratsy mihitsy ao — fa nahoana anefa no [mbola] mitohy maty ihany ny olona?”